Vaovao
Fiangonana manaraka 12 Septamnbra 2010
Dimanche 22 août 2010, mpanoratra : // Fiangonana manaraka
Rehefa avy niala sasatra isika rehetra dia mitohy hatrany ny fiarahantsika mivavaka. Koa ny fotoanan-tsika manaraka dia : Alahady 12 Septambra 2010 Ao amin’ny ERF, 8 av Thiers 77000 Melun. Manomboka amin’ny 4 ora. Misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo amin’io. Lire la suite »
FITSANGATSANGANANA
Mardi 20 juillet 2010, mpanoratra : // Eto an-toerana
Ampifaliana hatrany no hiarabana antsika amin’ny anaran’ny Tompo, Araka ny efa nalefa tamin-tsika tamin’ny mail sy namafisina teo amin’ny raharaham-piangonana , dia ho famaranana ny taom-piangonana dia hanao fitsangatsanganana isika ny Alahady 25 juillet 2010 Ny toerana dia ao amin’ny Clos notre Dame Route de Chartrette 77000 Livry sur Seine (Plan etsy ambany) Ny fotoana dia hatomboka amin’ny fanompoham-pivavahana fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra amin’ny 11 ora ( izay hatao eny (...) Lire la suite »
FIVORIAMBE
Lundi 5 juillet 2010, mpanoratra : // Eto an-toerana
Manasa antsika rehetra mpikambana tompon’andraikitra mba ho tonga amin’ny fivoriambe izay hatao ny 11 Jolay ao aorian’ny fotoam-pivavahana. Tokana ny tanisa dinika : Fanolorana sy fandanihana ny toe-bola 2009-2010 "Bilan". Lire la suite »
FANDALINANA SORATRA MASINA
Lundi 5 juillet 2010, mpanoratra : // Fampianarana
Mitohy hatrany ny fandalinana ny soratra masina. Tamin’ny zoma 25 jona no fotoanan-tsika farany teo. Ny lohahevitra nodinihina tamin’izany dia : Ny Fahafahan’ny Kristiana ; Fitiavana sy lalàna : - Aoka ny Fahafahana natolotr’Andriamanitra antsika tsy ho entintsika araka ny nofo tahaka ny fanaon’izao tontolo izao. - Andriamanitra izay nanome antsika ny Fanahy sy nahavita asa lehibe eo (...) Lire la suite »
FANDALINANA SORATRA MASINA
Lundi 31 mai 2010, mpanoratra : // Fampianarana
Araka ny efa fantan-tsika dia tamin’ny Zoma 28 Mai 2010 ny fandalinana ny soratra masina . Ny loha-hevitra nodinihina tamin’izany dia : Ny Fahafahana natolotr’Andriamanitra ny olombelona. Nanaja ny fahafan’olombelona Andriamanitra, ary miantso azy (ny olombelona) izy, fa tsy mandidy ary mibaiko azy fa tsy manery. Izany fahafahana izany dia tsy hataon-tsika entina araka izay tiantsika hatao (...) Lire la suite »
Fifidianana Filohan’ny Sampana SVK
Jeudi 27 mai 2010, mpanoratra : // Vehivavy Kristiana
Nohon’ny tsy fananan’ny sampana Filoha dia handroso amin’ny fifidianana izay olona hafaka handray izany andraikitra izany ny Sampana Vehivavy Kristiana ny : Alahady 13 Juin 2010 ao amin’ny ERF, 8 av Thiers 77000 Melun ao aorian’ny fanompoham-pivavahana. Lire la suite »
Fifidianana Filohan’ny Sampana SA
Jeudi 27 mai 2010, mpanoratra : // Sekoly Alahady
Nohon’ny tsy fananan’ny sampana Filoha dia handroso amin’ny fifidianana izay olona hafaka handray izany andraikitra izany ireo mpampianatra Sekoly Alahady ny : Alahady 13 Juin 2010 ao amin’ny ERF, 8 av Thiers 77000 Melun amin’ny 3 ora. Lire la suite »
ETUDE BIBLIQUE
Mercredi 26 mai 2010, mpanoratra : // Fampianarana
Mampatsiahy antsika mpianakavin’ny Finoana fa ny Fandalinana Soratra Masina "Etude Biblique" manaraka dia : Ny zoma 28 Mey 2010 amin’ny 9 ora alina. Ny toerana :Centre Le Rocheton. Ny ho dinihin-tsika amin’izany dia ny FITIAVANA sy ny FAHAFAHANA Lire la suite »