Toriteny an-kira krismasy 2016
Fitsangatsangànana famaranana ny taona 14/07/2017
Fandraisana anjara tamin'ny Protestants en fête Bercy 29 sep 2013
Toriteny an-kira krismasy 2016
Toriteny an-kira Paska 2017
Antoko Mpihira miaraka amin'ny sampana zavamaneno

 

(Miverina indroa)

Ry mpanota ô tsarovy f'Andriamanitra tsy mandao

Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa hianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia

Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa hianao no mamilafila sady mitady no toa tsy mila Azy

Fa Izy dia tsy mandao ê tsy mandao anao

 

(Vehivavy fotsiny manao feo voalohany daholo)

Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny nanao hoe :

Lalan-kely arahana fa aza mizotra amin'ny lalam-be

Tsy nino an'izany hianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara

Nefa io hizoranao io hay any an-davaka no miafara !

 

Ry mpanota ô tsarovy f'Andriamanitra tsy mandao

Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa hianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia

Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa hianao no mamilafila sady mitady no toa tsy mila azy

Fa Izy dia tsy mandao ê tsy mandao anao

 

(Lehilahy fotsiny)

Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe :

'Ndeha torio ny filazantsara ho ren'ny olona marobe

Hianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin'i losifera

Tsy mba manana finaoana fa vao voadona dia efa mianjera !

 

Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao

Fa ny Tompo dia tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa hianao no maningatsingana, sasa-miarina fa voafingana

Fa izy dia tsy mandao ê tsy mandao anao :

Fa hianao ity no ialangalana, te hiverina an-tsasa-dàlana

Fa Izy dia tsy mandao ê tsy mandao anao.

 

Attachments:
File
Download this file (Andriamanitra_tsy_mandao.pdf)Andriamanitra_tsy_mandao.pdf