Toriteny an-kira krismasy 2016
Fitsangatsangànana famaranana ny taona 14/07/2017
Fandraisana anjara tamin'ny Protestants en fête Bercy 29 sep 2013
Toriteny an-kira krismasy 2016
Toriteny an-kira Paska 2017
Antoko Mpihira miaraka amin'ny sampana zavamaneno

'Reo nantenaina dia nitodi-doha
'Zay nantenaina nandao avokoa
Fa izany ihany ny eto an-tany.
Miovaova hatrany
Kristy no tsy mba mivadika
Hatramin'izay omaly, anio, mandrankizay.

Andeha hitady an'i Jesoa
Izy irery no azo hitokiana
Ny teniny mahasoa
Fototry ny fifaliana
Ka mahazo azy avokoa
Izay miantso na koa mangataka ao am-po mangina



Misy, ary maro, ny fahalemena
Ho an'ny fanahy 'zay mila famonjena
Tsy izany no ifanaovan-dratsy
Toy ireo mpino lany vatsy
Fa ny mpanompo izay tena tia fahendrena
Jesoa ihany no jerena

Andeha hitady an'i Jesoa
'Lay nandresy ny hazo fijaliana
Izy aza nampahoriana
Notsaraina, noharatsiana
Nefa mbola namindra fo
Izay nandatsa ary koa nanala ny ainy navelany avokoa

Attachments:
File
Download this file (Andeha_hitady_an_i_Jesoa.pdf)Andeha_hitady_an_i_Jesoa.pdf