Hetsika faha 15 taonan'ny fiangonana - 22 Okt 2016

Faly miarahaba ny rehetra,

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara ny atelier SZVM / volana AVRIL 2016 izay natao tao Vaux -Le- Pénil ny sabotsy 30 avril 2016 teo.

Misaotra antsika rehetra : ireo tonga nanatrika, ianareo tsy afaka nanatrika noho ny antony maro samihafa kanefa nitondra am-bavaka ny fotoana.

Tonga nanatrika ny fotoana : Anjarasoa, Dina, Jacquis, Liantsoa, Lilia, Mandresy, Noromalala, Tsiaro.

Ny ho fizotran'ny fotoana,
- Fampianarana fohy tarihin'i Dina,
- Dinika sy fifanakalozan-kevitra samihafa,
- Fiarahana mitendritendry hira,
- Fiarahana miala hetaheta.

Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana fohy ny fotoana (Hira 808 -2/ vavaka).

Avy eo dia nitohy tamin'ny fampianarana nataon'i Dina mikasika ny fanompoam-pivavahana araka ny litorjia FPMA.
Mankasitraka sy misaotra an'i Dina nizara. Mahaliana sy ahazoana anatra isan-karazany ny boky kely izay nampiasainy tamin'ny fampianarana (en PJ), koa manasa antsika rehetra haka fotoana hamaky azy io.

Ny tena voasongadina ao anatiny dia:
FANOMANANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA (any an-trano!):
Averina tendrena ireo hira voalahatra ao amin'ny fandaharana, vakiana ireo tonon-kira dia mihira eo am-pitendrena.

MANDRITRA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA:
Mitarika ny mpiangona amin'ny hira ny mpitendry fa tsy taritin'ny mpiangona. Koa izay no antony tokony anarahana izay voasoratra.

Ho fehiny:
“Mpanompon'ny Litorjia ny zavamaneno. Noho izany, ny fanompoam-pivavahana dia tsy natao ho fampideràna hakingana na fampisehoana sangan'asa –mozika na famoahana ny karazam-peo rehetra mety ho takatry ny zavamaneno. (…)
Ny feo-mozika feno fahatsorana, mamelovelo ao amin'ny fahanginana, ny feo mavesa-danja ao anatin'ny halemem-panahy sy halemem-paika ataon'ny mpitendry zavamaneno, no tena feo mampianoka ny fanahy, sy mitarika ny fo hivavaka amin'ny fahanginana anaty”.

Nifarana tamin'ny goûter ny fotoana.
Misaotra sy mankasitraka anareo ray aman-dreny tamin'ireo mofo mamy sy zava-pisotro isan-karazany nokarakarainareo ho an'ny SZVM.

Misaotra an'i Lilia sy Dina tamin'ny fandraisana.

Nahafinaritra tokoa ny atelier voalohany. Koa hisy atelier SZVM / Volana MAI 2016 izay kasaina hatao ny alatsinainy 16 mai 2016 ( lundi de pentecôte). Holazaina amintsika miandalana ny andinindininy. Raha misy maniry na afaka mandray izany dia afaka milaza dieny izao.

Misaotra ny rehetra.

Ho an'Andriamanitra ny Voninahitra, ho amintsika rehetra ny Fiadanana.

Noromalala R.
SZVM

 


 

Bonjour tout le monde,

 

Gloire à Dieu, au plus haut des cieux. L'atelier du SZVM du samedi 30 avril s'est bien passé.

 

Merci à tous ceux qui étaient présents, merci également à ceux qui étaient absents mais qui nous ont soutenus dans la prière.

 

Etaient présents : Anjarasoa, Dina, Jacquis, Liantsoa, Lilia, Mandresy, Noromalala, Tsiaro.

 

Voici le déroulement de l'après-midi :
- Formation donnée par Dina,
- Echanges et débats,
- Moment musical,
- Goûter.

 

Nous avons commencé par un mini-culte ( Cantique 808 -2 / prière).

 

Merci à Dina pour cette excellente formation sur l'accompagnement musical du service cultuel FPMA. Vous trouverez ci-joint le support de la formation qu'il a faite lors de l'atelier. Nous vous invitons à le lire car c'est très intéressant et instructif.

 

Il convient notamment de retenir:
PREPARATION AU CULTE:
Répéter les cantiques prévus, en lire les paroles et chanter en jouant.

 

PENDANT LE CULTE:
Les musiciens dirigent le chant de la congrégation. Aussi, il est fortement recommandé que les musiciens jouent conformément à la partition.

 

Ainsi donc:
“L'accompagnement musical est au service de la liturgie. Dès lors, le culte n'est fait ni pour démontrer la dextérité du musicien, ni pour faire connaître une œuvre musicale, ni encore pour étaler les possibilités techniques de l'instrument. (…)
Ce sont les airs musicaux remplis de simplicité et de sérénité, des airs lourds de sens exécutés dans l'humilité et la sobriété, qui sont les plus propices à l'élévation de l'âme, et qui amènent le cœur à la prière recueillie dans un silence intérieur”.

 

L'atelier s'est terminé par un goûter appétissant et très sympathique. Merci aux parents d'avoir préparé les gâteaux.

 

Lilia et Dina, merci pour votre hospitalité.

 

Le premier atelier SZVM s'est très bien passé, une belle ambiance et des participants très actifs.
Aussi, nous allons faire un autre atelier SZVM / MAI 2016 le lundi 16 mai 2016 (lundi de pentecôte). Les détails pratiques vous seront communiqués ultérieurement.

 

Merci à tous.
Que Dieu vous bénisse.

 

Noromalala R.
SZVM