ALAHADY 12 MARS 2006 Alahady Faharoa amin’ny Karemy Alahadin’ny SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANA


Gen 22 :1-19 ; Rom 8 :31-39 ; Marka 9 :2-10 NY VEHIVAVY MANOLOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ry havana malala ! Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanana sy ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika !

Ny firenena eran-tany dia nanokana ny andro 08 Mars ho andron’ny vehivavy. Fahamarinana anankiray, izay tsy misy afaka handa izany, dia ny fahalalantsika fa ny antsasaky ny zanak’olombelona dia vehivavy. Any amin’ny tany sasantsasany aza, dia ny vehivavy no maro an’isa noho ny lehilahy. Raha ny zavatra henontsika amin’ny fampielezam-baovao etsy sy eroa, dia voalaza sy voateny matetika fa iharan’ny tsy rariny ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiainana andavanandro : ny vehivavy no misahana ny raharaha betsaka indrindra eo amin’ny fiainan’ny tokantranony, mitaiza zaza, mahandro sakafo, mampirin-trano, manasa lovia, manasa lamba sns...Izany rehetra izany dia ankoatran’ny asa fitadiavana sy fivelomana andavanandro. Ao amin’izany asa izany indray koa dia mbola iharan’ny tsindry hazolena ny andriambavilanitra, satria karama tsy mitovy no azony raha miohatra amin’ny mpiara-miasa lehilahy.

 

Na dia farim-pahaizana mitovy lenta izao aza no ananan’ny roa tonta, dia latsaka kely noho ny an’ny lehilahy ny vidin-katsembohan’ny vehivavy. Koa izany no antonym mahatonga ny vehivavy eran-tany, indrindra aty amin’ny tany mandroso hijoro ho sahy hiaro sy hampiseho ny izy azy ny vehivavy, mitolona hanome lanja sy sata sahaza sy mendrika ny maha-olona ny vehivavy. Raha misy toerana hafa ahitana vehivavy betsaka dia aty am-piangonana no iray amin’ireny. Ity andro anio ity, izay Alahady faharoa amin’ny karemy, dia natokantsika FPMA MELUN indrindra ho Alahadin’ny Sampana Vehivavy Kristiana eto aminy. Koa ny vontoatin’ny hafatra tian’Andriamanitra hampitaina amintsika mianakavy dia ny amin’ny VEHIVAVY MANOLOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY JESOA KRISTY ; raisina avy amin’ny lazain’ny perikopa manao hoe : « Ity no Zanako malalako, Izy no henoy »( Marka 9 :7). Manao ahoana ny vehivavy manoloana ny Tenin’Andriamanitra ? Raha zohina ny tantara ao amin’ny Soratra Masina dia azo zaraina ho roa ny momba ny vehivavy manoloana ny Tenin’Andriamanitra. Ao ny andiany voalohany ahitana ny vehivavy tsy mihaino sy tsy manaraka ary tsy mankato ny Tenin’Andriamanitra ; ao kosa ny andiany faharoa ahitana ireo izay mihaino ka mankato ary manaiky tsara sady miankohoka mihitsy eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Raha mamaky ny tantaran’ny fahalavoana isika, dia hitantsika mazava tsara ao fa ny fototra nahalavo ny olombelona , sy nahatafiditra ny fahotana teo amin’ny fiainany dia nohon’ny tsy fihainoana sy tsy fanajan’I Eva, vehivavy voalohany ny Tenin’Andriamanitra. Raha niteny taminy Andriamanitra hoe : “ Aza ihinanareo ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha, na tendrenareo fandrao maty ianareo”(Gen 3:3) ; Hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana sady mahafinaritra ny maso ary mahatsiriritra hampahahendry ilay hazo dia nanotazany ny voany ka nihinanany ; ary nomeny koa ny vadiny (and 6).Tsy nihaino sy tsy nankato ny Tenin’Andriamanitra I Eva fa ny feon’I Satana no nohenoiny, ny tenin’ny devoly no narahiny sy nekeny ka fahafatesana no tambiny niandry azy. Ny vakin-teny voalohany amin’ny perikopantsika dia miresaka indrindra an’I Abrahama. Ny tantaran’I Abarahama dia ahitantsika toetra sy fihetsika vitsivitsy nasehon’ny vehivavy, dia Saraha vadiny, manoloana ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny Genesisy 15:18 ohatra dia nanao fanekena tamin’I Abarahama Jehovah Andriamanitra fa ny taranak’I Abarahama dia omeny handova ny tany hatrany amin’ny onin’I Egypta ka hatrany amin’ny ony Eofrata. Eo amin’ny Genesisy 16:1-2 anefa dia voalaza fa tsy mba niteraka ( na momba) I Saraha vadin’I Abrahama ; izy dia nanana mpanompovavy dia namporisihany sy natosiny I Abarahama vadiny hoe : “ Indro efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah ; masina ianao, mivadia amin’ny mpanompovaviko ; angamba hahazo zaza aminy aho”. Izao fihetsika ataon’I Saraha izao dia mampiseho ny tsy fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ; ary ny loza aza dia miampy fanomezan-tsiny an’Andriamanitra ho loharanon’ny tsy fananany zanaka ; ary fanosehana ny hafa hanao ny tsy fanao sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra. Mbola mikasika an’I Saraha sy ny Tenin’Andriamanitra ihany, dia raha nisehoan’ny anjely telo I Abarahama ka nanambaran’izy ireo fa hanan’anaka ( zazalahy) Saraha vadiny, dia nandre izany teo ambaravaran’ny lainy Saraha ka nihomehy anankampo ka nanao hoe : “ moa mbola hanana hafaliana ihany va aho, rehefa tratrantitra toy izao”(Gen 18:9-12). Izany hoe “ se moquer” an’Andriamanitra I Saraha fa tsy mba fisaorana sy fanomezana voninahitra ary fankalazana an’Andriamanitra noho ny Teny fikasana hitondra fanovana lehibe eo amin’ny fiainany no nataony. Fa raha toy izany ny sasany amin’ny vehivavy, ao kosa ireo hafa izay mihaino sy mankato ary manaiky tsy misy fepetra ny Tenin’Andriamanitra ny aminy ; miankohoka ( se plier) eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra velona raisintsika amin’ireny I Maria , renin’I Jesoa. Raha nambaran’ny Anjelin’Andriamanitra taminy fa izy no nofidiny hitondra am-bohoka ny Zanak’Andriamanitra, na dia efa voafofon’I Josefa ho vadiny aza izy, dia hoy izy hoe : “Inty ny ankizivavin’ny Tompo ; aoka anie ho tonga amiko araka ny Teninao”(Lioka 1:38). Ry havana ! Vehivavy iray izay tsy nihaino sy tsy nanaiky ny Tenin’Andriamanitra fa nanaraka ny feon’ny devoly no nandavo ny olombelona ; dia vehivavy anankiray hafa kosa izay nihaino sy nanaiky tsara ny sitrapon’Andriamanitra no fitaovana nitondran’Izy Tsitoha ny famonjena ho an’ny olona rehetra. Hoy ny teny avy tao amin’ny rahona teo an-tendrombohitra : “ Ity no Zanako malalako, Izy no henoy”( Marka 9:7). Raha misy zavatra andrasana amin’ny olombelona ka anisan’izay sarotra dia ny fihainoana. Ahoana no ataoko hahazoako mihaino izay rehetra miteny sy miresaka amiko isan’andro ? Rahoviana aho no afaka mihaino ? Aiza no toerana maha mety izany ? Afaka mihaino ny vady, mihaino ny zanaka, mihaino ny namana, ny havana sns... fa mba afaka mihaino ny Tenin’Andriamanitra kosa ve aho ? hatraiza no fetrany ?. Eo amin’ny fiainantsika andavanandro, na eo amin’ny fiainam-piangonana : na eo amin’ny fivorian’ny mpihevi-draharaha, na ny diakona, na ny sampana samihafa, dia lasa ady sy resaka fotsiny no betsaka ka izay mahay miteny sy petsam-bava ihany no mahazo ny laka, fa ny rehetra voatery mihaino tsy satry. Izay kely fitenena sy malemilemy dia very ; na ny fahafahana mihaino ny Tenin’Andriamanitra aza tsy misy intsony. “Ity ny Zanako malalako, Izy no henoy”. Inona moa no tena zava-dehibe nolazain’I Jesoa Kristy ka tokony mbola henointsika ? Fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra Jesoa. Natao harahina sy hohenoina tokoa Izy. Fa ny fihainoana Azy no fanantanterahana voalohany ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ny olona manana finoana marina dia matoky sy resy lahatry ny Tenin’Andriamanitra henony sy raisiny ; ka na dia misedra zava-tsarotra sy tena mety mampikomy aza ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia manaiky sy mankato hatrany tahaka an’I Abrahama (Gen 22:1-19) izy. Na dia mafy aza ny safidy tsy maintsy nataony, nandidian’Andriamanitra azy hanao fanatitra an’Isaka, zanany lahitokana, dia tsy hita taratra teo amin’I Abrahama mihitsy ny fimenomenonana, na ny fanomezan-tsiny, na ny alahelo, fa nanaiky ny sitrak’Andriamanitra hatrany izy ary vonona mandrakariva hanao izay ampanaovin’ny Tompon’ny Voninahitra azy. Nataony lavitry ny mason’I Saraha ny fanatanterahany ny sitrapon’Andriamanitra satria fantany fa mety hiteraka fanakiana sy fitenana ratsy ny tenin’Andriamanitra avy amin-dravehivavy izany. Koa ny fahamarinana azo tsoahina avy amin’ny fampianarantsika dia zavatra roa lehibe, indrindra ho an’ny vehivavy : vehivavy dia mahavanon-doza tokoa rehefa ny di-dohany no arahiny ; nefa kosa mitondra fahasoavana sy zavatra tsara mahasoa ny fiainana izy rehefa ny feon’Andriamanitra no henoiny sy harahiny. Mila fitaizana sy fananarana hatrany anefa izy mba tsy hiala amin’ny Tenin’Andriamanitra. ( Jereo Titosy 2:3-5). Ry havana malala ! Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika izao. Ny dikan’ny teny hoe karemy dia fifandian-kanina. Ny karemy dia fotoana mampahatsiahy antsika kristiana ny nitondran’I Kristy Jesoa ny fahoriana amam-pijaliana, ny fahafatesana mba hamonjena antsika ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota ; fotoana natao ho fandinihan-tena sy fibebahana. Tokony hanontany tena isika manoloana ny Tenin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, sao dia ho fahazarana fotsiny ny fandehanantsika aty am-piangonana, ny fandrenesantsika ny toriteny fa tsy tafa-latsaka ao anaty na tsy mitoetra ao am-po akory. Tsy ny fifadian-kanina akory no zava-dehibe fa ny fibebahana hiala amin’izay rehetra mifanohitra amin’ny Tenin’I Kristy sy ny sitrapon’Andriamanitra, ny fiezahana amin’ny fahamasinam-piainana sy ny fitiava-namana, mba hampianatra zavatra tsara ny tanora fanahy, ary mba ho mendrika Ilay famonjenm-pahasoavana natolotr’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana sy tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Ao amin’Andriamanitra no misy ny fitahiana sy ny fahasoavana tsy manam-petra. Ny fihainoantsika ny Teniny sy ny firaisana amin’I Kristy Zanany no andraisantsika ny fahafenoan’izany.Fa ny Tenin’Andriamanitra dia fanilo ny tongotra sy fanazavana ny lalantsika mamakivaky izao fiainana feno haratsiana izao ; ny Tenin’I Kristy dia hery ho an’izay mahazo azy ; ary Aina ho an’izay mandray Azy. Koa raha ao anatintsika ny Tenin’Andriamanitra, dia miara-dalana sy momba antsika hatrany Izy ; ary tsy misy ahatohitra antsika. Amena.