Culte tous les dimanches, à partir de 10:30, au 69 Avenue du Maréchal Foch, 77190 Dammarie-les-Lys
Fanompoam-pivavahana nandritry ny lasim-piangonana 10-11 jona 2017
Lasim-piangonana 10-11 jona 2017
Lasim-piangonana 10-11 jona 2017
Lasim-piangonana 10-11 jona 2017
Fetim-piangonana 28 oktôbra 2017
Fetim-piangonana 28 oktôbra 2017
Fetim-piangonana 28 oktôbra 2017
Fetim-piangonana 28 oktôbra 2017
Fetim-piangonana 28 oktôbra 2017

Manonona ny fiadanan'ny tompo ho amintsika mpianakavin'ny finoana,

Ny alahady 19 jona 2016 dia natokana ho alahadin'ny SLK, ny fanompoam-pivavahana dia atao ao @ 69 Avenue Maréchal Foch 77190 DAMMARIE les Lys ary hanomboka @ 10h30.
Ny mpitandrina Solo ANDRIANIMENJANAHARY no hitondra ny tenin'Andriamanitra ary hisy ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo.

Fotoana 8 novambra 2015

Mifampitaona isika ho amin’ny fotoam-pivavahana izay atao amin’ny 08 Novambra 2015.
 
Fotoan-dehibe ho an’ny tafo FPMA Melun io vanin’andro io satria andro natokana ho hifidianana ny diakona izay hiasa eo anivon’ny fiangonana mandritra ny roa (2) taona manaraka.

Mbola faly hatrany miarahaba antsika mpianakavy ny finoana.
Ialanay mpiandraikitra tsiny fa misy fanovana ny toerana hivavahan-tsika rahampitso Alahady Pentekosta.

Manonona ny fiadanan'ny tompo amintsika mpianakavin'ny finoana

Fampatsahivana

Ny fotoana antsika ny alahady 1er Mey dia toy izao
Toerana hivavahana : Eglise Adventiste, 69 Avenue Maréchal Foch, 77190 Dammarie Les Lys.

Mbola faly miarahaba hatrany antsika mpianakavy ny finoana.

Mampatsiahy antsika hatrany fa ny fanopoam-pivavahana fanokanana an’ireo Diakona vaovao, ary koa fametrahana ny Birao ny sampana tsirairay eto amin’ny fiangonan-tsika dia ho tanterahina ny Alahady 30 Septambra ho avy izao,

Mbola faly miarahaba antsika mpianakavy ny finoana.

Mandefa izao filazana izao aho ho fanamafisana ny filazana efa natao tao am-piangonana tamin’ny Alahady.

Aroso amin’ny 3 ora ny fotoanantsika amin’ny alahady 22 febroary izao.

Izany dia noho ny fandalovan’ireo vahiny (solontenan’ny Birao Foibe sy ny mpiandraikitra ny Komity Nasionaly Projet Laika) izay lavi-podiana.

"Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany."

Kolosiana 3,2

Io tenin’ny apostôly Paoly ho an’ny Kristiana tany Kolosia (tanàna ao amin’ny faritr’i Frygia, akaikin’i Laodikia sy Hierapoly, sahabo ho 200 km avy eo Efesosy) io no isan’ny nofidina ho teny faneva amin’izao Zaikabe sy Lasy SAP/KNPL hataontsika FPMA izao.

Ao amin’ny ERF, 8 av Thiers 77000 Melun
- amin’ny 4 ora
- Katekomena @ 2 ora
- Sekoly Alahady sy Antoko Mpihira @ 3 ora

Tsy hisy fanompoam-pivavahana amin’ny 01/11/15 izao nohon’ny Zaikabe nasionaly any Laroche sur Yon.

Ny fanompoam-pivavahana manaraka dia ny 08/11/15 ao amin’ny EPU, 8 avenue Thiers 77000 Melun.

Manomboka amin’ny 3 ora ny fotoana satria manao ny fifidianana Diakona isika.

Ny fotoanantsika manaraka izany dia ny alahady 25 oktobra 2105.
Pasitera Solo Andrianomenjanahary no hitondra ny fotoana.
Hanomboka amin’ny 4 ora ny fotoana.
Amin’ny 3 ora ny fianaran-kiran’ny chorale.
Amin’ny 3 ora ny Sekoly alahady.



Mampahatsiahy antsika fa noho ny maha alahady fahadimy ny alahady 31 mey dia tsy misy fanompoam-pivavahana androany.

Ny fotoanantsika manaraka izany dia ny alahady 7 jona natokana ho fanateram-bokatra, izay ho tanterahantsika amin’ny alalan’ny valopim-bokatra.

Mbola mitohy ny fankalazana ny Krismasy ka ny antoko mpihira Ny Antso indray no hanao ny toriteny an-kira "Concert de Noël" amin’ny alahady izao.

Ny fanompoam-pivavahana dia manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ary hatao ao amin’ny Salle du

Complexe sportif Jacques Marinelli, rue Doré - 77000 MELUN

Pastera Marie-Angèle Raharijaona no hitondra ny fotoana. Hisy ny rakitra faharoa ho an’ny "poste pastoral".

Aorian’ny fotoana kosa dia manasa antisika rehetra hiara-misakafo amin’ny agapé. Samy mitondra sakafo iaraha-mizara, miaraka amin’ny ny lovia sy ny sotro.

Manantena ny fahatongavantsika maro.