NY FOTOTRA IJOROAN’NY FINOANA KRISTIANA Romana 10:1-21 ; I Korintiana 2 : 1-11 ; Hebreo 11:1-40.

I-NY ATAO HOE FINOANA : Ny Kristiana dia atao hoe "Mpino". Ny Finoana an’I Kristy no mahakristiana. Ny finoana dia zava-miafina satria izay inoana dia zavatra tsy mbola hitan’ny maso sady tsy azon’ny saina hazavaina. Voalaza matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe FINOANA. Misy maha samy hafa azy ihany ny hevitra lazainy.
1°-Raha Jesoa no mampiasa azy, araka izay hita ao amin’ny Filazantsara efatra, ny Finoana dia milaza hery enti-manao fahagagana (Matio 7:20 ; Lioka 17:6 ; Matio 21:21).
2°-Ny Finoana dia Fanekena zavatra ho marina. Eto dia mitovy amin’ny hevitra fampiasa amin’ny resaka andavanandro izy.(Jaona 11:26 ; Lioka 22:67).
3°-Ny Finoana dia Fahatokiana sy fiankinana amin’Andriamanitra ary fanoloran-tena ho fananany sy ho mpanompony hanao ny sitrapony.
Ny Finoana dia tetezana itana ialana amin’ny tany anjakan’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, dia ilay fiainana ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra. Ny Finoana no isandratan’ny fanahin’ny kristiana hitadiavana sy handraisana ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ny Finoana dia mampiray ny kristiana amin’Andriamanitra sady mampaharitra izany firaisana izany amin’Andriamanitra. Raha fintinina, ny Finoana dia Fahatokiana sy Fanantenana ny asan’Andriamanitra ho Famonjena izao tontolo izao tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy.
Amin’ny alalan’ny toriteny na ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra no ahalalana ny asan’Andriamanitra, ary ny fahalalana izany no miteraka Finoana.Araka izany, dia mitovy hevitra ihany amin’ny " Mino" ny hoe "Mahalala an’Andriamanitra", mahita ny Ray, mijery sy manaiky an’I Jesoa Kristy.
 
II-NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY NA NY TRINITE MASINA. Genesisy 1 : 1-3 ; Isaia 61:1 ; Jaona 1:1-5 ; Jaona 10:24-30 ; II Kor 3:17

A-NY ATAO HOE ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY : Ny teny hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray na ny Trinité Masina”, dia tsy hita ao amin’ny Baiboly.
Nefa kosa ny foto-kevitra tiany hambara dia hita ao amin’ny Soratra Masina, saika manenika ny Baiboly manontolo. Ambaran’ny Soratra Masina fa Tokana Andriamanitra fa tsy maro. Andriamanitra Tokana Velona, miasa ary mahay ny zavatra rehetra, tsy mila mpanampy na mpisolo Azy.
 Iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ; hoy Jesoa manao hoe :”Izaho sy ny Ray, dia Iray ihany”(Jaona 10:30). Iray ihany koa ny Ray sy ny Fanahy, na ny Zanaka sy ny Fanahy Masina araka ny teny hoe :”Ny Tompo izany Fanahy izany “( II Kor 3:17). Ny “Andriamanitra Telo Izay Iray “ dia enti-mamaritra an’Andriamanitra, indrindra eo amin’ny Asany ho famonjena izao tontolo izao : ny maha-Ray sy ny maha-Zanaka ary ny maha-Fanahy Masina Azy :
1°- Ray Izy, satria nahary izao rehetra izao sady manome fiainana sy izay rehetra mahasoa ny olona.
2°- Zanaka Izy, satria tonga teto amin’izao tontolo izao hitady sy hamonjy ny very. Nitafy nofo ka nateraky ny vehivavy.
3°- Fanahy Masina Izy, satria miasa manavao isan’andro ny mino ho tonga olom-baovao, nateraka indray ara-panahy. Amin’ny teny hafa, dia Mpahary izao tontolo izao ny RAY. Nefa koa ny “Teny”(Kristy) no nahariana ny zavatra rehetra ; Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano”(Jaona 1:3 ; Genesisy 1:2).
Tsy milaza anefa izany fa Andriamanitra Ray dia nanjary Zanaka, vao nanjary Fanahy Masina indray ; fa ny maha-Ray sy Zanaka ary Fanahy, dia samy araka izay maha-Izy an’Andriamanitra rahateo hatrizay hatrizay. Noho izany ny Finoana an’Andriamanitra Telo Izay Iray, dia finoana an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

B- NY ATAO HOE FANEKEM-PINOANA : Ny Fanekem-pinoana, dia fanekena hanambara ampahibemaso ny Finoana an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ; ataon’ny olona voavela heloka noho ny fahasoavan’Andriamanitra, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana ary ny olona. Ny Fanekem-pinoana, dia famintinana ireo foto-kevitra telo lehibe momba ny fanambaran’Andriamanitra ny Tenany ao amin’ny Soratra Masina :
1°- Andriamanitra dia manambara ny Tenany ho Mpamonjy ilay firenena nofidiny. Noho ny famindram-pony lehibe sy ny heriny tsitoha, dia tsy avelan’Andriamanitra tsy ho tanteraka ny Teny Fikasana nomeny an’i Abrahama hoe :”Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:3).
2°- Ao amin’ny Filazantsara, Andriamanitra dia manambara ny Tenany ho Rain’ny mino rehetra, noho ny nanomezany ny Zanany Lahy Tokana, Izay nateraka sy nijaly ary maty. Kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo mba ho famantarana ny hitsanganan’ny mino amin’ny maty sy hahazoany ny fiainana mandrakizay (Fil 2:5-11).
 3°- Ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ny Epistily, araka ny Tenin’ny Tompo, Andriamanitra dia manambara ny Tenany sady miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Izany hoe ny Fanahy Masina no iasan’Andriamanitra amin’ny mino ka anomezany azy ny finoana (Asa 1:3-8 ; 2:1-21,38-41).

III- NY FIZARANA HITA AO AMIN’NY FANEKEM-PINOANA : Mizara telo ny Fanekem-pinoana kristiana :
 1°- Andriamanitra Ray sy ny fahariana ny olombelona
 2°- Andriamanitra Zanaka sy ny fanavotana ny olombelona
3°- Andriamanitra Fanahy Masina sy ny fanamasinana ary ny fanavaozana indray.

“MINO AN’ANDRIAMANITRA RAY TSITOHA, MPANAO NY LANITRA SY NY TANY AHO” : Ampahatsiarovina amin’izany teny izany ny fahasamihafana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olona ary ny zava-boahary hafa. Andriamanitra ihany no Mpahary.
 Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompo no namorona ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy avy amin’ny tsy misy, ary mampaharitra azy rehetra tsy miova mandrakizay, dia Ray sy Andriamanitry ny mino noho ny fitiavana an’i Jesoa Kristy Zanany.
Ny Fanambarana fa Mpahary Andriamanitra dia mirakitra izao hevitra izao :
- Mampiseho ny fahasamihafana misy sy manavaka an’Andriamanitra sy ny sampy ary ny andriamani-tsy izy,
- Ny Fanekena sy ny Finoana an’Andriamanitra ho hany Mpahary dia fomba entina manohitra ny finoanom-poana sy ny finoana ny kisendrasendra.
Ny hoe “Andriamanitra Ray Tsitoha “dia milaza fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Izy irery no manam-pahefana feno amin’izao rehetra izao, sady mitondra azy araka ny sitrapony.
Andriamanitra Ray, sady mahery no fitiavana.Afaka mametraka amim-pahatokiana ny fiainany manontolo, ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy, eo am-pela-tanan’ny Ray Tsitoha ny mino. Raha Andriamanitra no momba azy ,iza no hahatohitra azy ?
Tsy misy hahasaraka azy amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompony ( Romana 8:31, 39). Koa matoky ny mino fa izay rehetra ilain’ny tenany sy ny fanahiny dia hain’Ilay Ray Tsitoha sady tiany homena azy.
Fantatry ny mino koa fa na soa na ratsy mihatra aminy dia hain’Andriamanitra ampiasaina hahatanteraka ny famonjena azy (Matio 6:25-32 ; Romana 8:28-39).

"MINO AN’IJESOA KRISTY ZANANY LAHY TOKANA TOMPONTSIKA : Isaia 6:1 ; Matio 11:2-6 ; Kol 1:9-20 Mampiavaka ny Finoana kristiana hatrany am-boalohany ny foto-pinoany hoe " JESOA KRISTY NO TOMPO"( Fil 2:11 ; I Kor 12:3).
Fanekem-pinoana apostolika marina sady mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mifono hevi-dalina tokoa ity Fanekem-pinoana ity satria ilazana ny tena maha-olona an’I Jesoa tonga nofo, no sady manambara ny tena maha-Andriamanitra Tompon’ny Voninahitra Azy,miray fomba (nature) tanteraka amin’ny Ray.
 I-Ny Zanak’Andriamanitra Tonga Nofo : Hoy ny Filazantsara hoe :"ary ny TENY dia tonga NOFO ka nonina tamintsika"(Jaona 1:14).
Notsindrin’ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao manokana ny fahatongavan’I Jesoa ho nofo, araka izay hita amin’ny Gal 4:4 ; Fil 2:8 ; I Tim 3:16 ; II Tim 2:8 ; II Jaona 4:2.
Ireo gnostika na olo-manan-tsaina nampianatra fahendrena (gnosis) dia nampiasa filozofia ho enti-mandinika ny finoana kristiana.
Nitompo tamin’ny fahendrena izy ireo ka nandà fa tsy tonga nofo ny Zanak’Andriamanitra (Jesoa) ; tsy tena nofo aman-drà Jesoa amin’izy ireo fa fisehoana (apparence) fotsiny.
Notoherin’ireo Rain’ny Fiangonana tamin’ny fotoana taorian’ny Apostoly (post-apostolique) mafy (na mivantana na an-kolaka) ity foto-mpampanarana gnostika ity.
Ireo ray mpiaro ny finoana ihany koa dia nanohitra izany. Raha tsy nampiasaina feno tao amin’I Kristy ny nofo, dia tsy nisy azo notanterahana akory.
Velona tamin’ny nofo Jesoa satria nilaina tamin’ny fijaliana izany. Raha teraka teto amin’izao tontolo izao ny Mpamonjy, dia tokony ho faty teto koa Izy amin’ny maha-Adama faharoa Azy.
Tonga nitafy ny nofon’olombelona Izy, ka nitovy tamin’ny olombelona, satria ny olona no hovonjena. Tsy azo lavina fa ny maha nofo an’I Jesoa Kristy dia afakaho nanotany koa, toy ny zanak’olombelona rehetra. Iankinan-java-dehibe maro ny finoana ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ; Antoka ny amin’ny fahazoana manao, sy maha-marina ny Famonjena notanterahin’I Jesoa Kristy teto amin’izao tontolo izao. Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Jesoa Kristy.
Tsy tsangan-kevitra notanan’ny Fiangonana fotsiny izany, fa niainany tamin’ny fiandrasana ny fihavian’ny Fanjakany mahagaga.Maro ny teny nilazana ny amin’I Jesoa Izay ninoany , dia araka ny anarana niantsoana Azy :
1° JESOA : Anarana maha-olona ny Tompo izany nitovy tamin’ny Jiosy sy ny olona maro. "Andriamanitra no Mpamonjy" no hevitry ny anarana hoe Jesoa( Matio 1:20-23).
Tanteraka tokoa izany teo amin’I Jesoa satria Izy no hany Mpamonjy izao tontolo izao (Asa 4:12). Koa ny kristiana dia manaiky sy mino avy hatrany ny Famonjena vitan’I Jesoa Kristy isaky ny manonona io anarana io.
 2°-KRISTY na MESIA na VOAHOSOTRA : Na ny teny grika hoe "KRISTY"(Kristos) na ny teny hebreo hoe "MESIA" dia iray ihany no dikany na heviny :VOAHOSOTRA. Ara-tSoratra Masina sy ara-pivavahana jiosy, ny olona voahosotra dia manana anjara manokana teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Teo amin’ny Zanak’Israely dia ny Mpaminany sy ny Mpisorona ary ny Mpanjaka no olom-boahosotra ( I Mpanjaka 19:16 ; Eks 28:41 ; I Sam 10:1).
 Ny diloilo, izay isan’ny famantarana ny fahasoavan’Andriamanitra, no nanosorona ireo olona ireo. Koa satria voahosotra Jesoa, noho izany sady tena MPAMINANY, no tena MPISORONA, no tena MPANJAKA Izy.
 3°-JESOA,MPAMINANY : Ny Mpaminany dia olona nantsoin’Andriamanitra ka nampitenenin’ny Fanahy Masina mba hanambara ny Sitrapon’Andriamanitra. Matetika Jesoa no natao hoe "ILAY MPAMINANY"(Jaona 6:14 ; Matio 21:46 ; Marka 11:32 ; Lioka 24:19).
 Tena Mpaminany tokoa Jesoa Kristy : tao Aminy ny Fanahy Masina ; nitory teny Izy, nanambara ny Vaovao Mahafaly, ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa ny tenany mihitsy koa no Vaovao Mahafaly na Filazantsara satria notanterahany teo amin’ny Fiainany sy ny Asany izay rehetra nambaran’ny Mpaminany talohany.
 Koa azo lazaina fa Jesoa Kristy dia Mpaminan’ny Mpaminany.
 4°-JESOA,MPISORONA : Ny Epistily ho an’ny Hebreo no tena mampahatsiaro izany ao amin’ny Testamenta Vaovao.
 Izay tondroin’ny Testamenta Taloha ho mandray fanosorana dia ny MESIA mbola ho avy.
Ny fanosorana noraisiny dia ny Fanahy Masina araka ny Isaia 61:1 ;11:2 ; ary dia tondroin’I Jesoa fa tanteraka Aminy izany teny izany ao amin’ny Lioka 4:17-21.
Na ny nahaterahan’I Jesoa, na ny fanaovana Batisa Azy dia ahitana fa nandray ny Fanahy Masina Izy ; ary tamin’izany no nanambarana fa Zanak’Andriamanitra Izy.
Jesoa no Mpanao Batisa amin’ny Fanahy Masina, ka zarainy amin’ny mpanaraka Azy izany ( Asa 2:33) ka dia efa Tompo sy Kristy Izy, izay fahatanterahan’ ny Tenin’ny Testamenta Taloha ( Asa 2:33-36).
Ny Mpisorona dia manatitra ho an’Andriamanitra teo amin’ny alitara ny fanatitra nentin’ny mpivavaka. Nanao fanatitra noho ny otan’ny olombelona Jesoa, ka ny Tenany mihitsy, amin’ny maha-Zanak’Ondrin’Andriamanitra manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Azy no nateriny teoamin’ny hazofijaliana.  Feno sy tanteraka ary tsy miverina intsony io fanatitra io sady hany tokana ankasitrahan’Andriamanitra.
5°-JESOA,MPANJAKA : Ny Mpanjaka dia Mpanapaka sy Mpifehy ny vahoaka araka ny hery sy ny fahefana ananany.
Teo amin’ny fotoana nanombohona an’I Jesoa no tena nampiharihary ny fiantsoana Azy ho Mpanjaka na dia te-ho nanao Azy ho Mpanjaka ny olona.
 Ny fanamelohana an’I Jesoa dia lazain’ilay soratra teo amin’ny hazo fijaliana hoe "Jesoa avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy " ( Jaona 19:19).
Jesoa Kristy dia Mpanjaka manana hery sy fahefana. Fanjakana tena izy ny Azy, na dia tsy ho hita mihariharyaza raha tsy amin’ny andro farany.Efa manjaka Jesoa hatramin’ny nandreseny an’I Satana, hatramin’ny nandreseny ny fahafatesana :"efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany "(Matio 21:1-9 ;28:18 ; Jaona 18:33-37).
 6°-NY ZANAK’OLONA : Teny fampiasan’ny Tompo ilazany ny Tenany ity teny ity. Miorina amin’izay hita ao amin’ny Daniela 7:13-14.Nentiny nanambara ny maha-olona tsy manan-kialofana Azy ( Lioka 9:58 ; 7:34 ; 9:44).
Teny nentin’I Jesoa nanambara ny fisandratany ho any amin’ny Voninahiny sy ny hiaviany indray aty an-tany amin’ny Andro Farany ny anarana hoe "Zanak’Olona" (Lioka 17:22 ; Matio 24:27,37 ; Marka 8:38). Nentin’I Jesoa hanambarana koa ny fifonana nataony ho an’ny olona mpanota , nefa nino Azy (Lioka 12:8 ; Matio 25).
 Nentin’I Jesoa nanambara ny fietreny amin’ny fahatongavany ho nofo sy ny nahafatesany ( Rom 1:3-4 ; Matio 17:22 ; Marka 9:31 ; Lioka 9:44).
 7°- ZANAK’I DAVIDA : Anarana mifandray mivantana amin’ny maha-Mesia an’I Jesoa ny maha-Zanak’I Davida Azy. Ny kendren’ny Soratra Apostolika amin’ny filazana an’I Jesoa ho Zanak’I Davida dia ny hanehoana fa tena olona Izy, ary dia izany tokoa no hita ao amin’ny Romana 1:3-4. Nolavin’I Jesoa anefa ny maha-taranak’I Davida Azy ( Marka 12:35).
Tsy ny maha-taranak’I Davida " ara-nofo" Azy loatra anefa no nolaviny , fa ny fiheverana diso aterak’izany teo amin’ny Jiosy. 8°-MPANOMPON’I JEHOVAH : Ny Testamenta Taloha dia manao ny MESIA hoe MPANOMPO.
Hita ao amin’ny ISAIA , toko 40 - 66, ny anarana hoe “MPANOMPON’I JEHOVAH”. Misy ambaratonga telo ny fivelaran’ny hevitr’io anarana io :
 1°- ny olona Israely
2°- ny mino ao amin’Israely
3°- ny Mpamonjy Hamonjy ny olona amin’ny fahotana no ho asan’Ilay Mpanompo. Hiharam-pijaliana Izy amin’ny fitondrana ny fahotan’ireny.
Ny ISAIA 53 no mitantara ny fahoriana sy ny fijaliana hihatra amin’Ilay Mpanompon’I Jehovah : “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika...Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny FAMPIJALIANA nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra ; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra “(Isaia 53:4-6).
Tanteraka ary hoatra ny voasoratra teo am-pototry ny hazo fijalian’I Kristy mihitsy ireo teny ireo 9°- ZANAK’ANDRIAMANITRA : Hoy ny Teny Fikasana nataon’Andriamanitra tamin’I Davida raha nanome toky fa hampitoetra mandrakizay ny seza fiandrianan’I Divida sy ny taranany Izy : “ Izaho ho Rainy ary izy ho zanako”(II Sam 7:13 - 14).
Voalaza fa Jesoa dia avy amin’ny taranak’I Davida. Jesoa dia miantso an’Andriamanitra hoe “ RAY “(Marka 14:36) ; ary ao amin’ny Filazantsara ihany no mbola ahitana an’I Jesoa nilaza tamin’I Maria hoe “ Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho “.
Milaza izany fa misy fifandraisana manokana ao amin’I Jesoa sy Andriamanitra Ray. Ny anarana hoe :”Zanak’Andriamanitra “ dia manambara fa Andriamanitra dia ao amin’i Jesoa ary miasa amin’ny alalan’I Jesoa.
 Ka izany no nahazoan’I Jesoa namela heloka (Marka 2:7 ; Jaona 6:64 ; 10:36). Mampiseho ny maha-iray an’I Jesoa sy Andriamanitra izany.
Jesoa irery ihany no natao hanambara feno an’Andriamanitra. Na dia tonga olombelona toa antsika aza Jesoa dia tsy saritsarin’olona fa tena olona Izy.
Ambara amin’izany fa zavatra roa samy hafa no tao amin’I Jesoa, nefa manjary ho iray ihany mba hahatanteraka ny famonjena ny olombelona, dia ny maha-Andriamanitra Azy nefa koa ny maha-tena olombelona Azy.
Ary hoy Jesoa taminy :”fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ?
Ary namely Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA”(Matio 16:15 - 16).

“NOTOROTORONINA TAMIN’NY FANAHY MASINA, NATERAK’I MARIA VIRIJINA Hoy ny anjelin’Andriamanitra tamin’I Maria manao hoe :”Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao.
Ary, indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe “ JESOSY “.
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra...Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao ; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra (Lioka 1:30- 32 ;35).
 Ity Fanekem-pinoana ity dia sady manandratra ny maha-Andriamanitra an’I Jesoa, no manambara koa ny maha- olona Azy. I-ANDRIAMANITRA IZY : Andriamanitra Jesoa Kristy satria notorotoroina tamin’ny Fanahy Masina.
Asan’Andriamanitra mivantana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nisian’I Jesoa Kristy tao an-kibon’I Maria. Tsy avy amin’ny sitrapon’olona(ray) na ny fomban’ny olombelona no nahatongavany ho olona fa avy amin’Andriamanitra irery ihany (Jaona 1:13).
Noho izany Andriamanitra Masina Izy.Tsy nanana ota na nandova ota satria tsy avy amin’ny olona mpanota. Na dia nalaim-panahy aza Izy dia tsy resy akory ka ho nanota. Ny fandreseny ny fakam-panahy no fototry ny Heriny sy ny Fahefany, ny voninahiny sy ny fahalehibiazany.
Izany koa no nahavitany ny asa. Ny maha-Andriamanitra mivantana an’I Jesoa dia miseho koa teo amin’ny fiakarany ho any Jerosalema, ny fandreseny ny fahafatesana, ary ny Fiakarany ho any an-danitra.
Na dia tsy nanana ota aza Izy, dia nanetry tena nanaiky hitondra ny fahotan’ny olona rehetra ( II Kor 5:21) ; nanaiky hatramin’ny fahafatesana teo ambony hazo fijaliana mba hahazoany manantanteraka ny famonjena ny olombelona rehetra ( Filipiana 2:5-8). Efa nisy hatrrizay harizay Jesoa ; Izy no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny Fiandohana sy ny Fiafarana, Ilay Ankehitriny sy Taloha ary ho Avy ( Apokalypsy 22:13 ; 1:8).
ANDININ-TSORATRA MANAMBARA NY MAHA-ANDRIAMANITRA AN’I JESOA : Jaona 17:4-5 :”Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny, Ray ô !mankalazà Ahy amin’ny Tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao fony tsy mbola hary izao tontolo izao “

Marka 1:10-11 :”Ary raha vao niakatra avy teo amin’ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra ary ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe :Ianao no Zanako Malalako, Ianao no sitrako”.
II-OLONA KOA JESOA : Olona koa Jesoa satria natera-behivavy toy ny olona rehetra. Tonga zazakely, nianatra, nitombo, nilalao, noana, nangetaheta, niasa, sasatra, natory, nalahelo, faly, niala aina, maty ary nalevina tany am-pasana toy ny olona rehetra, nalaim-panahy. Amin’ny kristiana, Jesoa Kristy dia sady tena Andriamanitra no tena olona koa.
Ilay Andriamanitra Lehibe katsahan’ny olombelona dia nanaiky ho tonga nofo tao amin’I Jesoa Kristy. ANDININ-TSORATRA MASINA MANAMBARA FA OLOMBELONA JESOA : Matio 21:18 :”Ary nony niverina nankany an-tanàna Jesoa dia noana.
” Marka 10:13-14 :”Ary nisy nitondra zazakely ho eo Aminy mba hametrahany tanana, fa ny mpianany niteny mafy ireny.Nefatezitra Jesoa raha nahita izany” Lioka 2:21 :”Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny zaza, dia natao hoe JESOA ny anarany, araka ilay teny nataon’ny anjely, fony tsy mbola torotoronina tao an-kibo Izy.”

“NIJALY RAHA NANAPAKA PONTIO PILATO-NOHOMBOANA TAMIN’NY HAZO FIJALIANA- MATY KA NALEVINA- NIDINA TANY AMIN’NY FIAINAN-TSI-HITA” : Ny anton’ny fijalian’I Jesoa Kristy dia ny hampihavana ny olona rehetra amin’Andriamanitra. Voatonona ny anaran’I Pontio Pilato ho :
1°-Fanamarihana sy fanamarinana fa nisy ara-tantara tokoa teto amin’izao tontolo izao ny fijalian’I Jesoa Kristy. Tamin’ny fotoana naha-governora romana tao amin’ny faritanin’I Jodia an’I Pilato no nitranga izany fijalian’ny Tompo izany.
2°-Fanehoana fa Pilato no solotenan’ny olona rehetra,izay tompon’andraikitra nahafaty an’I Jesoa.

Zavatra ilain’ny olombelona,araka ny maha-olombelona noforonin’Andriamanitra azy, ny fananana firaisana amin’Andriamanitra.
 Tsy ho tanteraka anefa izany, raha tsy hampihavanina indray amin’Andriamanitra ny olombelona izay tafasaraka taminy nony tafiditra ny fahotana.
Tsy ho vitan’ny olombelona anefa izany. Efa fikasan’Andriamanitra kosa ny hanao asam-pamonjena ho an’ity olombelona mpanota ity. Ny Mpaminany dia efa nanambara izany hatry ny elabe.
Ny Fijaliana sy ny Fahafatesan’I Jesoa Kristy dia ny hahazoana mampihavana indray izao tontolo izao amin’Andriamanitra ( Gen 3:15).
 Hoy Paoly manao hoe “Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina”( I Kor 15:3). Fanatitra noho ny ota ny nahafatesan’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana.
Tena nijaly tokoa ny Tompo ; tsaroan’ny tenany izany ka velon-taraina Izy ( Marka 15:34). Nitambatra taminy ny vokatry ny fahotan’ny olona rehetra.
Nefa indray mandeha monja Izy no nijaly noho ny fahotan’ny olona. Ny fijalian’I Jesoa Kristy dia mampiharihary ny maha-fahotana ny fahotana sy ny fitsaran’Andriamanitra ary ny fanamelohany ny mpanota : Fisarahana amin’Andriamanitra, sy fijaliana ary fahafatesana no vokatry ny fahotana. Zavatra dimy no asongadin’ny fanambaran’ny Testamenta Vaovao momba ny fijalian’I Jesoa Kristy :
a)- tsy kisendrasendra ny fanomboana an’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, zavatra efa voalahatra izany.
Jesoa dia efa nahafantatra hatry ny elabe fa fahafatesana no tsy maintsy hanatanterahany farany ny asa nanirahana AZY teto amin’izao tontolo izao : “Fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly sy hovonoina”(Marka 8:31).
Jesoa, raha nijaly, dia tsy nijanona iharan’ny fahoriana fotsiny, fa tena niasa ho fanatanterahana ny zavatra nokendren’ny hazo fijaliana : sady Mpisorona Izy no fanatitra ; sady Fanasana Izy no Tompon’ny Fanasana.
 b)- ny hazo fijaliana dia nanaovana fanatitra tokana ho amin’ny fanavotana ny olona rehetra noho ny fahotany.Nampitoviana tamin’ny mpanota ratsy indrindra Jesoa.
Tsy nisy , sy tsy misy olombelona tena mahatsapa ny tena vokatry ny fahotana, ka isian’ny famaizan’Andriamanitra. Jesoa irery no hany mahatsapa izany hatramin’izao.
d)- isika dia manatona an’Andriamanitra miaraka amin’I Kristy ary mandray ny fanatitra nataony ho antsika amin’ny finoana.
 “ Ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy handravana ny tenan’ny ota”(Rom 6:6). Amin’izany, isika koa no efa natao fanatitra.
e)- rehefa manana firaisana tanteraka amin’I Jesoa Kristy ny mpanota nibebaka,dia toy ny nohomboana niaraka taminy koa, ka tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny ( Gal 2:20). Amin’ny alalan’ny Sakramenta no mahatonga ny mino hanana firaisana amin’I Kristy sy amin’ny samy olombelona.
f)- ny hazo fijaliana dia natao hamonjena ny olona avy amin’ny ozon’ny lalàna. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny lalàna dia Andriamanitra misokatra eo anoloan’ny olombelona ;Andriamanitra manatona ny olona, mba hahafantaran’ny olona Azy.
Nomen’Andriamanitra ny olombelona ny lalàna mba hahazoan’Andriamanitra mizara ny fiainany amin’ny olona. Ny fahotana, hoy Paoly, dia ny fanandratana ny tena ho marina, ny fiheveran-tena ho hendry, ka miezaka hanatratra amin’ny fomba rehetra, na tsara izany na ratsy hitandremana ara-baki-teny io lalàna io.
Ny fiheveran-tena ho hendry sy ny fanandrata-tena ho marina araka ny lalàna dia fandikana ny Didy Voalohany izay iankinan’ny Didy rehetra, satria tsy fanandratana an’Andriamanitra amin’ny voninahiny izany.
Ambara fa ny fahamarinana dia avy amin’ny fahatokiana tanteraka an’Andriamanitra ary ny fametrahana ao Aminy ny zavatra rehetra momba ny tena.Tsy misy olona afaka hanatanteraka tokoa ny lalàna, ka tonga “ozona” ho an’ny olona ny lalàna ( Gal 3:10), ary manombo ny olona ho amin’ny fahotana, ka miteraka fahafatesana ho azy.
Jesoa Kristy dia nitondra izany teo amin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Izy anefa tsy manaiky hafatotry ny lalàna.
Koa ny anton’ny naneken’ny Tompo hohomboana teo amin’ny hazo fijaliana dia ny handrava ny herin’ny lalàna mba hahazoany manavotra ny olona ho afaka amin’ny “ozon’ny lalàna”( Gal 3:13).
Koa dia amin’ny finoana an’I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy no hahazoam-pamonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay.
“NY HAZO FIJALIANA” “Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena”( I Kor I:18).
Ny hazo fijaliana dia mampiseho ny :
1°-mariky ny fankatoavan’I Jesoa tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra Rainy ( Matio 26:36-46 ; Jaona 12:23).
2°- mariky ny fanozon’Andriamanitra, nitambesatra tamin’ny Zanany Lahitokana izay nanaiky hitondra sy hanaisotra ny otan’ny olombelona ( Deotoronomia 21:22,23 ; Gal 3:13,14).
 3°-mariky ny fankahalan’olombelona an’Andriamanitra ; tsy misy na iray aza amin’olombelona afa-maina, fa tompon’andraikitra avokoa amin’ny fahafatesan’I Jesoa Kristy ( Matio 27:21-25).
4°-mariky ny fandresen’Andriamanitra an’I Satana ihany koa (Apokalipsy:12:7-11 ; Jaona 12:30-36).
5°-mariky ny Fanekena Vaovao ataon’Andriamanitra amin’ny mpanota nibebaka, sady nasian’ny Ran’ny Zanany tombokase( Lioka 22:19-20 ; Ezekiela 16:59-63).
6°-mariky ny Fitiavan’Andriamanitra lehibe :fitiavan’Andrimanitra Ray, izay nanome ny Zanany Lahitokana hamonjy ny maro ; fitiavan’ny Zanaka, mahafoy an-tsitrapo ny ainy, noho ny fahotako.(Jaona 3:14-17)
“MATY KA NALEVINA” Mampiseho ny maha-olombelona an’i Jesoa izany satria rehefa olona dia tsy maintsy maty. Maty tokoa Jesoa Kristy.
1°- miharihary fa fahafatesana no tambin’ny ota ( Rom 6:3-11) ; kanefa tsy toy ny fahafatesana rehetra ny Azy.Rehefa nanaiky hisolo ny olona noho ny fahotana teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa dia tsy maintsy nanaiky koa ny vokatry ny fitsarana sy ny fanamelohana ny fahotana dia ny fahafatesana.
2°- miharihary koa fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fahafatesana, fisarahana Aminy izany fa tsy fanatonana Azy akory.
Andriamanitra dia Fiainana sy Tompon’aina. Izay manaiky sy mino ny fisoloan’i Jesoa azy dia ampanantenain’Andriamanitra sy omeny ny Fiainana Mandrakizay miaraka amin’ny fitsanganana amin’ny maty ( Jaona 5:21-30).
Maty Jesoa Kristy :tonga antoka ho an’ny fiainan’ny mino izany fahafatesany izany satria maty ho azy Jesoa.
Tsy ao amin’ny fiainan’i Jesoa ihany no anambarana an’Andriamanitra fa ao amin’ny fahafatesany koa.
Maty nisolo heloka ny maro Jesoa :Ny fahotana dia ny fahasimbana sy ny fahatapahan’ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra sy amin’ny samy olombelona ary amin’ny zava-boahary. Ny fahafatesan’i Jesoa no fomba sy lalana hanovàna sy hanavaozana indray io fifandraisana io ; ary izany no atao hoe FANAVOTANA.
“NIDINA TANY AMIN’NY FIAINAN-TSY HITA” Ny fitoeran’ny maty no hevitry ny teny hoe “ Fiainan-tsy hita “.
Noheverina fa toerana itoeran’ny fanjakan’I Satana ho setrin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay Fiainana.
Tonga tany Jesoa, ka ny fisoloana sy ny Famonjena izay notanterahana tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia notanterahiny tany koa.
Enti-milaza izany fa tsy misy tsy niharan’ny asam-pamonjena nataon’Andriamanitra na ireo efa maty talohan’I Jesoa ,na ireo niara-belona taminy, ary indrindra fa isika aty aoriana.
“NITSANGANA TAMIN’NY MATY TAMIN’NY ANDRO FAHATELO” Matio 28 ; Jaona 20 ; I Korintiana 15
Maty ny Tompo ; nalevina tany am-pasana toy ny maty rehetra.
Kanefa nitsangan-ko velona Izy telo andro taorian’ny nahafatesany. Marina ara-tantara izany ka tsy misy afaka ny handà azy. Zava-dehibe eo amin’ny Finoana Kristiana ny fitsanganan’I Jesoa Kristy ho velona indray.
Porofo mampihavaka ny Fivavahana Kristiana amin’ny fivavahana hafa rehetra, ka mampiorina ny FINOANA ao amin’I Jesoa Kristy. Vatofantsika iorenan’ny Finoana sy ny Fanantenana kristiana ny fitsanganan’ny Tompo avy tamin’ny maty.
Ny hevitra ambaran’ny fitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty dia :
 1°-Fandresena lehibe :Resiny avokoa ny fahavalony : Satana, ny fahotana, ny fahafatesana, ny fasana, ny fiainan-tsy hita, ny fahoriana, ary izao tontolo izao.
2°-Fampiharihariana feno ny maha-Andriamanitra an’I Jesoa : Tompo Tsitoha Izy ka manana ny fahefana feno amin’ny zavatra rehetra :ny any an-danitra sy ny ety an-tany ; ny hita sy ny tsy hita ; ny fiainana sy ny fahafatesana.
3°-Antoka sy tombokasen’ny Famonjena nataony teo amin’ny Hazo fijaliana. Mahazo matoky ny mpino rehetra fa na dia mpanota aza izy dia marina fa Jesoa Kristy no efa nisolo izay tokony ho nihatra taminy. Tsy teny fotsiny izany fa zava-bita, zava-marina satria velona ny Tompo ka Mpamonjy velona no inoana.
4°-Fanolorana Fiainam-baovao ho an’izay rehetra mino Azy sady santatry ny Fitsanganan’ny mino rahatrizay. Ny vatana notafin’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty dia tsy ilay vatana talohan’ny nahafatesany intsony, fa vaovao araka ny fomban-danitra ;
 5°-Fitarihana ny mino hijoro ho vavolombelona tahaka ireo mpianatra fahizay, rehefa nahita sy nahalala ny Tompo nitsangana izy dia nampiely sy nanamparitaka izany tamin’ny namany.
Baiko nomen’ny Tompo rahateo, rehefa nitsangana Izy, ny andehanan’ny mino rehetra history ny Filazantsara sy ho vavolombelony manerana ny tany.
Raha fintinina izay voalaza mikasika ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia : -Fanamarinana ny mino AZY (Rom 4:24,25) -Antoka sy Fanantenana momba ny hitsanganan’ny mino koa amin’ny maty(I Kor 15:20).Azo antoka ny famelan-keloka,ny fitohizan’ny fahavelomana mandrakizay. Tsy misy intsony ny tahotra noho ny fahafatesana.
-Fiainana Vaovao araka ny sitrapon’Andriamanitra sy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no hirosoana amin’ny fahavonona(Rom 6:4).

“NIAKATRA HO ANY AN-DANITRA ;NIPETRAKA EO AN-KAVANAN’ANDRIAMANITRA RAY TSITOHA” : Salamo 24 ; Salamo 110 ; Asa 1:1-4 ; Apokalypsy 5:1-14
NIAKATRA HO ANY AN-DANITRA : Ny fiakaran’I Jesoa Kristy ho any an-danitra dia manambara fa :
1°- Vita ka nifarana ny asa nanirahana Azy sy antony tsy maintsy nahatongavany ho nofo teto an-tany.Feno ny Asan’Andriamanitra ; mbola mitohy koa anefa ny Asa saingy amin’ny alalan’ny fomba sy endrika hafa, dia amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana.
2°- Miharihary ny maha-Andriamanitra an’I Jesoa satria voalaza fa niakatra any an-danitra Izy. Ny lanitra dia anarana entina ilazana ny toerana misy an’Andriamanitra. Andriamanitra dia Fanahy, ka ny toerana misy Azy dia ara-panahy, tsy azo faritana ara-jeografia.
Koa ny hevitry ny hoe “miakatra any an-danitra JESOA “, dia mazava fa milaza ny fiverenany amin’ny maha-Andriamanitra feno Azy.
Tety an-tany Izy dia sady tena Andriamanitra no tena olona koa. Fa manomboka izao dia Andriamanitra feno amin’ny maha-Andriamanitra Azy Izy.Ny hoe “miakatra” dia manambara fa ambony Andriamanitra ka dia ambony ny toerana misy Azy.
3°-“Toy ny nidinany tety an-tany mba ho antsika, no niakarany any an-danitra amin’ny anaran-tsika :novahàny hidirantsika ny varavaran-danitra izay nihidy noho ny otantsika.”( Rom 8:34).
Miseho eo anoloan’ny Ray Izy, mba hifona ho antsika sy ho Mpisolo vava antsika(Heb 7:25)[W.RABEMANAHAKA :Andeha Hizaha].
4°- Ny fidiran’I Jesoa Kristy amin’ny Voninahiny.
Araka an’I Jaona 17:1,5, dia tonga ny fotoana fanomezam-boninahitra ny Zanaka ; dia ny voninahitra izay niarahany nanana tamin’ny Rainy fony tsy mbola hary izao tontolo izao.
MIPETRAKA EO AN-KAVANAN’ANDRIAMANITRA RAY TSITOHA : Ny hevitr’ity fanekem-pinoana ity dia milaza ny fanomezana an’I Jesoa ny “ fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hitondrany sy hanapahany ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.”( Mat 28:18)[W.RABEMANAHAKA : AH].. Izany dia manamafy ny maha-Andriamanitra feno an’I Kristy Jesoa sy ny maha tokana an’Andriamanitra : “Izaho sy ny Ray dia Iray ihany.“
 Jesoa koa anefa dia tsy mitsahatra ny miasa amin’ny olona ety an-tany ho fanamafisana ny herin’ny fitiavany an’izao tontolo izao . Amin’ny maha-MPISORONA AZY dia mbola mifona ho antsika koa Izy, ho an’ny tsy mino alohan’ny ahatongavan’ny Fitsarana.
 Jesoa irery no tongavan’ny Fitsarana.
Jesoa no Mpanalalana an’Andriamanitra sy ny olona.
Fony tonga nofo teto an-tany Jesoa Kristy, dia tonga mpiara-monina tamin’ny olona Andriamanitra.
Fa rehefa tonga tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina kosa Izy, dia tonga Andriamanitra ao anatitsika.
 Koa raha niakatra any an-danitra Jesoa dia tsy midika ho fandaozan’Andriamanitra na fiatahany amin’ny mino, fa vao maika manana fomba malalaka hanjary fiainantsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Manatanteraka ny Teny Fikasany ho an’ny olony amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Andriamanitra.
 Nanoritra lalam-baovao Jesoa mba ahatonga ny mino Azy ho olona afaka noho ny fifidianan’Andriamanitra azy, ka anomezany ny mino ny tena fahafahana feno sy marina ahatonga azy ho “vahoakan’Andriamanitra”.
Ho famintinana izay voalaza, dia izao :
- TOKY ho antsika fa voavonjy isika ka hiara-miditra amin’I Jesoa any an-danitra, satria efa novohàn’Andriamanitra ho antsika ny fanjakan’ny lanitra.
- FANANTENANA fa tsy foana tsy akory ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika ety an-tany, satria misolo vava antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray Jesoa Kristy.
- NY SANTATRY NY FANAHY dia atolotr’I Jesoa Kristy antsika maimaim-poana dieny ankehitriny ambara-pahatongan’ny fahafenoana amin’ny fiverenan’I Jesoa indray.
- HERY ho antsika dieny ety an-tany izany, na dia manana ny fahalementsika aza isika.

“AVY ANY HO IHAVIANY HITSARA NY VELONA SY NY MATY” : Matio 24 ; I Tes 4:13-18 ; I Tes 5:1-10 ; II Tes 2:1-12

Isan’ny foto-pinoana lehibe amin’ny kristiana ny fihavian’I Kristy indray.
Atao hoe FIHAVIANA INDRAY satria ny fihaviany voalohany dia tamin’ny nahaterahany na ny Krismasy. Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty dia niverina any amin’ny fonenany atao hoe LANITRA Izy.
Ary avy any amin’izany fonenany izany no mbola hiverenany aty an-tany indray, saingy tsy toy ny fomba nahatongavany voalohany satria amin’io fomba faharoa io dia amin’ny voninahitra sy ny Fahefana ary ny Hery, amin’ny famirapiratana hatramin’ny Anjely sy ny Arkanjely miaraka amin’ny feon’ny trompetra.
Tsy misy mahalala ny hiavian’izany fotoana izany anefa afa-tsy Andriamanitra irery ihany( Matio 24:36).Hisy zavatra maro hiseho mialoha sy miaraka amin’ny Fihaviany : fitsanganan’ny maty, fitsarana farany, fahataperan’izao tontolo izao ankehitriny, faritry ny lanitra vaovao sy tany vaovao.
Ny Filazantsara efatra sy ireo Epistily sasany, fa indrindra ny Apokalipsy dia milaza ny sasantsasany amin’ny zavatra hitranga.

Tsy tokony andaniana andro anefa ireny ka iezahana ahalala ny fotoana ihavian’ny Tompo indray.
 Ny zava-dehibe tokony ataon’ny olona mbola velona dia miomana sy miambina, maharitra amin’ny finoana an’I Jesoa Kristy sy ny fahamasinana.
 Izany no atao dia satria :
- tsy ampoizina sady tampoka izany fotoana izany,
- tahaka ny fahatongavan’ny mpangalatra amin’ny alina. Noho izany ny fiomanana tokony hatao dia :
- ny fibebahana marina,
- manana toetra sy manao asa mifanaraka amin’ny fiovam-po,
- mitahiry ny FINOANA. FITSARANA NY VELONA SY NY MATY Ny Fitsarana ny velona sy ny maty no voalaza hataon’ny Tompo amin’ny fihaviany indray.
Ny velona sy ny maty no hotsaraina ; ny hojerena eo amin’ny fitsarana dia ny FINOANA na tsy finoana an’I Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo sy Mpamonjy.
 Tsy misy intsony, amin’izay fotoana izay, ny famidram-po fa dia samy mandray avy hatrany ny mifanaraka amin’ny Finoana na tsia an’I Jesoa ny olona tsirairay.
Ny fotoanan’ny famindram-po dia izao fotoana mbola ahavelomana ankehitriny izao ; fa amin’ny fihavian’ny Tompo indray kosa dia avy hatrany dia fampiharana ny vokatry ny finoana na tsia.
Araka izany, ny fotoana ahavelomana dia fotoam-piandrasana ka ny tokony atao dia ny mibebaka, izany hoe manova ny fomba fiainana ka mino sy manompo an’I Jesoa Kristy.
Ny olona hendry dia mahay mananararaotra ny fotoam-pahavelomany hibebahana sy hinoana ny Famonjen’I Jesoa Kristy ary hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny Fitsaran’I Kristy dia fotoana anavahana mazava tsara ny olom-bonjena sy izay ho very.Ny mino dia tsy hatahotra izany satria Ilay Efa namonjy azy ihany no Mpitsara, Kristy Ilay efa Mpisolo vava ihany no Mpitsara.
 Tsy hohelohina miaraka amin’ny tsy mino izay mino, fa homena fifaliana izay tsy hain’izao tontolo izao esorina aminy, satria tonga ny Famonjen’Andriamanitra azy.
Koa amin’ny MINO,ny fihavian’I Kristy indray sy ny fitsarany dia tsy mariky ny fahasiahana velively fa mariky ny fahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoamafisina eo ihany koa ny faharesen’I Satana. Tamin’ny fotoana naha-teto amin’izao tontolo izao an’I Jesoa no efa nanomboka noravana ny fanjakan’ny devoly sy Satana.

Amin’ny fotoana hiverenan’ny Tompo Jesoa indray no ahitana mivantana ny faharavan’ny fanjakan’I Satana.

“MINO NY FANAHY MASINA AHO :Andriamanitra amin’ny maha-Fanahy Masina Azy : Jaona 14:13-26 ; Romana 8:1-27 ; Galatiana 5:16-26 ; I Kor 12:1-11 Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina.
Andriamanitra avy amin’Andriamanitra ary manohy ny asa efa nataon’Andriamanitra Ray sy Zanaka.
Atao hoe “ HERY “ ihany koa ny Fanahy Masina ka manome hery sy aina ary fahavelomana ho an’ny zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao.
Ny Fanahy Masina ao amin’ny Fenekena Taloha Miankina amin’ny Fanahy Masina ny zavatra rehetra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Niasa tamin’ny famoronana Izy :”Tamin’ny voalohany....ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.”(Genesisy 1:2).
 Nanazava ny fieritreretan’ny olona ny Fanahy Masina ; hoy Andriamanitra tamin’I Noa :” Tsy mba hanapaka (hifandahatra) mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko.”(Genesisy 6:3).
Efa niasa mba hampibebaka ny olona tamin’izany andro izany ny Fanahy Masina, nefa tsy nisy asany na vokatra tamin’ireo izany.
Lalàna iray ihany no miasa ao amin’ny Fanekena Taloha sy Vaovao, dia izao :tsy misy mahalala ny marina afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ka nahatonga an’I Davida hivavaka hoe “Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko”(Salamo 51:11).
 Ny Fanahy Masina no nanamasinana ny mpitondra ny Israely. Tao amin’I Mosesy ny herin’ny Fanahy Masina, izay naidiny tamin’ny loholona 70 lahy (Nom 11:25), sy tamin’I Josoa (Deot 34:9).
Ny Fanahy Masina no nanetsika ny mpitsara mba hamonjy ny Israely (Mpitsara 3:9-10 ; 11:29 ; 14:6 sns). Nomen’ny Fanahy Masina ny faminaniana( Nom 11:25 ; Zak 7:12 : II Petera 1:21).
 Nohazavain’ny Fanahy Masina ny sain’Israely mba hahalala ny lalàn’I Jehovah (Isaia 63:11) Ny Fanahy Masina no nampifoha indray ny olom-boafidy raha niala tamin’I Jehovah izy (Ezekiela 37:14)..
Araka izany , ny Fanahy Masina dia manambara hery ao amin’Andriamanitra izay nentiny namorona izao tontolo izao sy nanome aina ny zava-boahary.
Miasa ao amin’ny Tantara Izy ka mampandeha ny fiainan’ny olona. Izy no loharanon’ny fahaizana amam-pahalalana sy ny aingam-panahy hahazoana maminany ary ny fananana toetra tsara.
 Ny Fanahy Masina ao amin’ny Fanekena Vaovao : Izay rehetra nambara tao amin’ny Fanekena Taloha dia tanteraka ao amin’ny Fanekena Vaovao.

Ny Fanahy Masina no manolo-tsaina ny olona hitady sy hanatona an’Andriamanitra.Mitarika ny olona hanaiky sy handray ny asam-pamonjena vitan’I Jesoa Kristy tety an-tany.
Miasa ao anatin’ny mino, mandritra ny androm-piainany, ny Fanahy Masina. Ireto avy izany asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny mino izany :
a)- Mampianatra : “...Ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra .”(Jaona 14:26).
Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika ahalala bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly na Soratra Masina vakiantsika ka iheverantsika fa Tenin’Andriamanitra izany, sy manokatra ny fon’ny mpihaino ahatakarany ny toriteny reny.(I Kor 2:6-11).
b)-Manavao :mampiaiky ny fahotana Izy,ary manavao ny fo sy ny fanahin’ny mpanota mibebaka ahatonga izany olona izany ho zanak’Andriamanitra amin’ny fiterahan’ny Fanahy, izay antsoin’I Jesoa Kristy hoe “Fahateraham-baovao” (Jaona 3:1-8 ; Rom 8:9-17).
 d)-Mitari-dàlana : Ny Fanahy Masina no hahaizan’ny olona mivavaka ao amin’ny Fanahy sady mivavaka ho an’ny olona, hahatonga ny olona hifampivavaka koa, na aiza na aiza, na ao amin’ny Fiangonana, na any amin’izay misy ny mino.
Mitari-dàlana sy manome hery ny Fiangonana Izy.
 Mizara ny fanomezam-pahasoavana samy hafa ao amin’ny Fiangonana :fahaizana fiteny tsy fantatra, fahaizana mamantatra izay marina, fahaizana maminany sns...
 e)-Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika hino :asan’ny Fanahy Masina ny fanoloran-tenantsika.
 f)- Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika andray sy ampiatra eo amin’ny fiainantsika ny vokatry ny asam-pamonjena sy fampihavanana nataon’I Jesoa Kristy ho antsika tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty
g)-Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika ahatsapa ny fanatrehan’ny Tompo mandrakariva.
Ny hevi-dehibe izay tsara marihana eo amin’ny Finoana ny Telo Izay Iray, dia ny fantrehan’Andriamanitra an’izao tontolo izao sy ny asany mitohy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
 h)-Ny Fanahy Masina no miasa ka mampijoro ny Mino ho vavolombelona ka mampiray azy ireny ho Fiangonana.Izany hoe ny fiorenan’ny Fiangonana dia asan’ny Fanahy Masina..
i )-Hery mamelona sy manetsika ary mampandroso ny Fiangonana ny Fanahy Masina, ka mahatonga azy hanana fitohizana sy hijoro mandrampahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao Raha lazaina amin’ny teny fohy, ny Fanahy Masina dia Hery Vaovao eto amin’izao tontolo izao miasa sy manavao amin’ny fomba tsy tratry ny sain’olombelona.
Ny fahatongavany dia efa nanokatra sahady ny Andro Farany, izay andro vaovaon’Andriamanitra mitondra fanavaozana sy hery ary fiambenana sy fiandrasana ny Fiverenan’I Jesoa Kristy indray hitsara ny velona sy ny maty.

“NY FIOMBONAN’NY OLONA MASINA,NY FAMELAN-KELOKA,NY FITSANGANAN’NY TENA AMIN’NY MATY ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY” Matio 18:15-35 ; I Kor 6:1-11 ; I Kor 12:12-26 ; I Kor 15 ; II Kor 4:4 -) II Kor 5:10 ; Efesiana 4:1-6 ; I Petera 2:1-10 ; Apokalipsy 7:13-17 NY FIOMBONAN’NY OLONA MASINA Ny Fiombonan’ny olona masina dia ny firaisan’ny Mino rehetra na ny firaisan’ny Fiangonana.
Ny kristiana no antsoina hoe Masina.
Ny Masina dia milaza fa ny kristiana na dia olombelona aza sy mitoetra eto amin’izao tontolo izao dia efa nanaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy handray ny Famonjena ka ny fiainany dia voatokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
 Na dia mbola eto amin’izao tontolo izao aza ny kristiana dia tsy naman’izao tontolo izao sy tsy manaraka ny fombam-piainany fa manana fomba fiaina hafa izay anehoany ny maha olona voaantso sy voafidin’I Kristy azy ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny Fiombonan’ny olona masina dia milaza ny firaisan’ny Mino rehetra , na ny taloha na ny ankehitriny, na ny ho avy.
 Misy foto-kevitra mampiray azy hatrany hatrany dia :
- ny fankalazana an’Andriamanitra
- ny Finoana ny Famonjen’I Jesoa Kristy
- Ny Batisa
- Ny Fanasan’ny Tompo
- Ny Fivavahana amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Ny Fiombonan’ny Mino dia efa manomboka sahady ety an-tany, nefa miseho amin’ny fahafenoany ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra rehefa miara-mipetraka ao amin’ny Fanasana amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry izy rehetra, ka midera ny Fiandrianan’ny Ray.

NY FAMELAN-KELOKA Andriamanitra dia tsy mankasitraka ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, ka naniraka an’I Jesoa Kristy, Zanany Lahitokana ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho Avotra hisolo azy. Noho io Hazo Fijaliana io dia mino ny famelan-keloka isika.
Koa na dia nangatsakatsaka tahaka ny jaky aza ny fahotantsika dia mino isika fa io Fahafatesan’I JESOA KRISTY io no nahazoantsika ny famelan-keloka.
 Voavela tokoa ny helotsika noho izany. Ny Finoantsika sy ny fiainantsika izany dia tsy maintsy miteraka fifamelana eo amin’ny samy kristiana, na samy olona , koa tsara ny mamela ny namana izay meloka tamintsika. Mbola ho avy rahateo ny fitsarana antsika amin’ny andro hiavian’I Jesoa Kristy indray.

NY FITSANGANAN’NY TENA AMIN’NY MATY ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY Ity Finoana ity dia miorina amin’ny efa nitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zavatra hita tamin’izany.
 Raha nitsangana tamin’ny maty ny Tompo dia ny mino Azy koa dia hitsangana amin’ny maty : “ Raha ny Fanahin’Izay nanangana an’I Jesoa tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’I Kristy Jesoa tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.”( Rom 8:11).

RAZAFIMAHATRATRA Marcellin, Mpitandrina FPMA MELUN.