FITARIHANTENY

 

Izay rehetra manam-pikasana hanao mariazy ao am-piangonana ve dia azo ekena avokoa ? Ahoana ny olona mangataka ny hanaovana mariazy azy any an-tranony na any amin’ny toeram-pisakafoanana hivoriany miaraka amin’ny havana aman-tsakaizany ?

Mahazo mangataka « fitsofan-drano sy fanamasinana » ny « fanambadiany » ao am-piangonana ve ny olona roa samy lahy na samy vavy tafaray araka ny PACS ? Fanontaniana mila valiny eo anivon’ny fiangonana ireo notanisaina ireo. Misy fanontaniana tonga ho azy koa eo am-pamakiana ireo : Fa angaha fanambadiana ihany koa ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ?(homosexualité). Ny fanjakana aty Frantsa, raha nanao ny lalàna momba ny PACS, na dia tsy mamaritra mazava izany ho fanambadiana aza, dia mihevitra fa : « endriky ny fitiavana miteraka fiarahan’ny olon-droa » izany. Io famaritana io no nahatonga ny fiangonana sasany handinika lalindalina kokoa momba izany. Rentsika fa efa nisy mpitandrina nanao « fanamasinana » tany am-piangonana ny « tokantrano »-n’ny olona homosexuels. Fantatra koa kanefa fa nomelohin’ny lalàna ny nataon’Ingahy Michel Mamère, ben’ny tanànan’i Bègles (Gironde) izay nikiry nanoratra « ho ara-dalàna » ny « fanambadian’ny couple homosexuel » tao amin’ny faritra iadidiany. Hita amin’izany fa misy dingana roa ny lalàna : ny fiarahan’olon-droa hanaovany fifanekena « ara-dalàna » hiara-monina,etsy andaniny, fa ny fifanekena amin’ny fanambadiana kosa, hafa noho izany, etsy ankilany. Tsy azo fefena fa mahatonga adihevitra sy savorovoro eo amin’ny olon-tsotra izany, tafapaka any amin’ny fiangonana izay atonina matetika mba hanome hevitra ho fanazavana ny saina. Misy mihitsy aza teôlojiana izay mandroso fanazavana ara-tsoratra masina ny fanekeny ny homosexualité1. Ny fanapahan-kevitra laharana faha 37 tamin’ny Synôda Lehibe nataon’ny ERF tany Soissons tamin’ny volana mey 2001 dia nametraka ny fandalinana ny homosexualité ho isan’ny ataon’ny Conseil national ho tanisa dinika isaky ny synôda mifandimby, mandra-pahita izay valinteny ifanarahana ho entin’ny mpitandrina mamaly ny fangatahan’ny olona momba izany. Azo lazaina fa miseho ho malala-pijery ny lalàna frantsay momba ny fitondram-bahoaka(Code civil) raha nanaiky ny PACS sy ny tokantranoimaso (union libre), (- mba hanomezana fahafaham-po ny olona mpifidy izay tsy mitsahatra mitaky « fahalalahana » eo amin’ny fomba fijeriny ny fiaraha-monina ( ?)-).

Kanefa, ny fanamelohana ilay ben’ny tanàna nanoratra fanambadian’ny homosexuels dia mampiseho fa tsy mbola eken’ny rehetra izany fomba fijery ny atao hoe « fanambadiana » izany, sady tsy mbola mitovy ny famaritana ny heverina hoe « fitiavana ». Ho antsika Malagasy, TSY AZO LAVINA MIHITSY FA NY FISAINANA ANKAPOBENY AMINTSIKA, NA ARA-PIVAVAHANA IZANY NA ARA-PIARAHA-MONINA TSOTRA, INDRINDRA MOA RAHA SORITANA MANOKANA AMIN’NY MAHA-MALAGASY KRISTIANA, DIA TSY MIERITRERITRA AKORY NA HANAIKY MIHITSY HO ARA-DALANA NY FIRAISANA TSY MANDEHA ARAKA NY LAMINA VOAJANAHARY ( UNION CONTRE NATURE). Isika Protestanta dia miezaka manorina ny foto-pinoantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Fa mahatonga tsy fitovian-kevitra ny fandraisana ny hevitry ny Soratra masina araka ny fandalinana samihafa ataon’ny teôlôjiana, sady tsy misy rahateo « fahefana mahazo mandidy ny fandraisan-kevitra tsy maintsy eken’ny rehetra (Magistère), tahaka ny an’ny katolika, eo amintsika. Misy ny « mitady haka volon-tany » ka te hampitovy fijery amin’ny an’izao tontolo izao. Fa ilaina ny mampitovy ny fomba fijery eo amin’ny fiangonana iray, na dia samy manana ny fahafahany aza isika. Ny fitsipika ifampifehezana dia mikendry ny hisorohana ny ady ateraky ny fisavorovoroana noho ny hevitra tsy mitovy. Tsy misy fiaraha-monina mirindra raha toa ka misy hitady hanao « fanjakan’i Baroa »(anarchisme). Tsy mety koa ny manangana fitsipika ivelan’ny lalàna manan-kery ifanarahana eo amin’ny fiaraha-monina, na dia heverina ho fitaizana aza ny hanaovana izany. Isika FPMA, miezaka mandalina ny finoantsika amin’ny maha-kristiana protestanta, dia manara-maso ny fanadihadiana sy fandalinana efa ataon’ny fiangonana rahavavintsika. Fa tsy voatery mihitsy isika ho tsy maintsy hampilahatra ny fomba fijerintsika amin’izy ireny. Manana izay maha-izy azy antsika rahateo isika. Heverinay fa zava-dehibe ny fandraisantsika ho antsika ny hafatra nomen’ny apostoly ny fiangonana tany Tesalonika, hoe : « Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra. » I Tesaloniana 5, 19-22. Fa ahoana àry ny tokony ho hevitry ny FPMA momba ny fanambadiana ? Tsy fisainana entin’ny fihetsehampo no hamaliana izany fanontaniana izany, fa mila fototra sosiôlojika sy teôlojika. Izay no fandalinana hatao. 1. NY FANAMBADIANA EKEN’NY FPMA Mizara roa ny fomba hijerentsika izany. Eo aloha ny fanambadiana ara-piaraha-monina tsotra, ny fiorenany sy ny famaritana azy izay ekentsika, noho isika miaina eto anivon’izao tontolo izao. Fa miaraka amin’izany koa ny fandalinantsika ny fanambadiana araka ny fampianaran’ny Soratra masina izay ekentsika. Miompana indrindra amin’ny lafiny sosiô-etika izay fandalinana voalohany izay. Ny lafiny faharoa, miompana amin’ny lafiny foto-pinoana kosa (systematika), dia hijerentsika ny fototra teôlojika momba ny fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana any am-piangonana. Be ny teôlojiana efa nandalina momba ny fanambadiana. Hanampy antsika hanovozan-kevitra ireny2. . Fanambadiana teo amin’ny kristiana protestanta malagasy araka ny tantara Efa nanana ny fanorenany fanambadiana araka ny nentin-drazana ny Malagasy, dia ny fanambadian’ny lahy sy vavy, tsy misy sampona (interdit) tsy hahafaha-manatanteraka izany. Tsy neken’ny fiaraha-monina malagasy mihitsy, na taiza na taiza, ny firaisan’ny olona tsy tokony hivady, koa nitakiana fanalana faditra raha olon-tsy heny (inceste) no mikasa hivady, ohatra, ary sazy fony mbola nisy fanasokajiana isan-tsaranga teo amin’ny fiaraha-monina taloha. Ny fanambadiana malagasy nenti-paharazana dia tanterahina amin’ny alalan’ny fampakarana arahina vodiondry, satria araka ny fahendrena malagasy hoe : « mifandany zara tahaka ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry ». Mety hiova isam-paritra ny filazana izany hoe « vodiondry » izany, fa ny foto-kevitra dia iombonan ’ny malagasy rehetra. Taty aoriana kosa, dia notakian’ny fanjakana ho tsy maintsy entina soratana eo anatrehan’ny fanjakana ny fanambadiana, vao azo ekena ho ara-dalàna. Hatramin’ny nisian’ny lalàm-panjakana voasoratra sy nampahafantarina ny sarambaben’olona no niandohan’izany. Ny fanambadiana tsy voasoratra ara-dalàna dia antsoina hoe « tokantranoimaso ». Noraisin’ny fiangonana ho fepetra mba hanekena ny fanambadiana ny fisoratana ara-panjakana, koa tonga fitsipika amin’ny fiangonana kristiana malagasy ny tsy fanekena ho « ara-dalàna » (ara-bakiteny ny heviny) ny fanambadiana raha tsy vita soratra. Fitsipika natsangana ny tsy faneken’ny fiangonana mihitsy ho azo entina hamasinina sy hotsofindrano ao am-piangonana ny fanambadiana tsy vita soratra ara-dalàna. Marihina, fa tsy nitovy tamin’ny zava-nisy taty Frantsa ny anton’izany fitakiana ny « ara-dalàna » momba ny fanambadiana izany. Azo lazaina fa nisy antony politika koa tao, ka noterena ihany tany am-boalohany ny fanaovana izany (hampisy fanisam-bahoaka hahazoana mahalala ny tokony handoa hetra, ohatra). Tsy vitsy tokoa mantsy ny fanambadiana vita tamin’ny « nenti-paharazana », any Madagasikara, no mafy orina sy maharitra kokoa noho ny fanambadiana vita soratra ara-dalàna, izay indraindray amin’ny sasany, tsy vita sedra ny fifankatiavana fa nateraky ny zava-nitranga nahavoatery hitandrovana henamaso eo anatrehan’ny fiaraha-monina fotsiny. Efa nanomboka mandinika ny hanalefahana ny fitsipika ho an’ny olona sasany izay tojo fahasahiranana, « noho ny antony manokana » tsy ahafaha-misora-panambadiana (halaviran-toerana, tsy fananana sora-piankohonana, sns. ) ny fiangonana kristiana any Madagasikara Taty Frantsa, dia satria, tany aloha, ny fiangonana katolika romana ihany no nahazo manome fanekena ho ara-dalàna ny mariazy, izany hoe, tsy neken’ny fiaraha-monina ho tena fanambadiana ara-dalàna izay tsy nohamasinin’ny fiangonana. Amin’ny katolika romana, mandraka ankehitriny, dia isan’ny sakramenta ny fanambadiana. Vao tamin’ny code Napoléon nampanoratra ara-panjakana ny fanambadiana (nolovan’ny Code civil tato aoriana), sady nanome fahalalahana ny fivavahana protestanta (Édit de tolérance), vao nahazo fankatoavana ho ara-dalàna ny fanambadian’ny tsy katolika romana. Nitondra fanafahana ho an’ny tsy katolika ny fanoratana ara-panjakana ny fanambadiana. Ny Lalàna nampisaraka ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana (Loi de la séparation de l’Église et de l’État tamin’ny taona 1905) tokoa manko no vao tena nampahalalaka ny fanambadian’ny sarambaben’olona, indrindra fa ny protestanta izay nomelohina sy nenjehina tany aloha. Ny Papa Pie IX aza dia nilaza ny fanambadiana « tsy nohamasinin’ny fiangonana » ho « fahafaham-baraka ». Fa hoy izy hoe : « Entre chrétiens, l’union de l’homme et la femme hors du sacrement, contractée sous le pouvoir de n’importe quelle loi civile, ne peut être rien que ce concubinage honteux et funeste, tant de fois condamné par l’Église.3 » Rehefa natao ny lalàna momba ny fisoratam-panambadiana dia voasoratra ao anatin’ny Code pénal frantsay tamin’ny taona 1994, art. 433-21, hoe : Tout ministre d’un culte qui procédera, de manière habituelle, aux cérémonies religieuses de mariage sans que lui ait été justifié l’acte de mariage préalablement reçu des officiers de l’état civil sera puni de six mois d’emprisonnement et de 50000 francs d’amende. » Tany Madagasikara dia niainga koa teo am-boalohany avy tamin’ny fandresen-dahatry ny misionera nandrava ny fampirafesana, vao niampita tamin’ny lalanam-panjakana tsy manaiky afa-tsy vady tokana ka tsy maintsy soratana ara-panjakana ho ara-dalàna. Nanjary tsy azo nampiharina mihitsy ny fizaram-pananana (raha misy fisaraha-panambadiana) na ny fandovan’ny vady navela sy ny taranaka aorian’ny fahafatesan’ny iray na izy roa amin’izay mpivady, raha tsy voasoratra ara-panjakana ny fanambadiana. Saingy nampalahelo fa tamin’ny vahoaka tsotra no nampiharina izany, fa tsy tamin’ireo lehibe4. Nisy antony pôlitika ny nitakiana fisoratam-panambadiana, hoy isika teo, ary lazainay koa fa tsy niainga tamin’ny foto-pisainana malagasy izany fa vokatry ny fampitana kolontsaina vahiny. Teo aloha, satria saika ny endrika moraly tamin’ny ambaran’ny baiboly momba ny fanambadiana no nomen’ny fiangonana lanja sy nohenjanina, sady tena mbola tao anaty fitaizana mafy rahateo mba hialana amin’ny fanaranam-po amin’ny nofo (orgie) fanao amin’ny fomban-drazana sasany ( « alin-dratsy », « valabenimerina », « tsimandrimandry », sns.), dia nataon’ny fiangonana fitsipika mihitsy ny fanaraha-maso ny olona manatona ny fiangonana hatao mariazy. Natao « marika ivelany » nanehoana ny « fahadiovana mialoha ny fanambadiana » (virginité) ny fitondrana « vonim-boasary » ho an’ny lehilahy ary « fisaronam-boaly » ho an’ny vehivavy. Nifaninana ny « hatao mariazy misarom-boaly ». Tsy azo nentina tao am-piangonana mihitsy ny fanambadian’ny vehivavy efa bevohoka mialoha, fa indrindra moa ka efa niteraka izy (afa-tsy ny efa maty vady izay tsy navela hisarom-boaly intsony). Raha sendra « lavo » ka nitoe-jaza talohan’ny fanambadiana ny zatovovavy, dia naongana tsy ho mpandray izy (raha efa mpandray) ary naongana koa ny ray aman-dreniny raha mbola eo ankohonana izy5. Mazava ho azy fa nitady fomba handosirana ny fampiharana izany fitsipiky ny fiangonana izany ny olona izay afaka nanao, na koa dia niala tanteraka tsy ho isan’ny fiangonana ny sasany, na niova antokom-pinoana rehefa « napetraka », fa mafy loatra taminy ny fijery sy fitsaran’ny fiaraha-monina, sady tsy dia lalim-paka loatra koa ny finoany.Tsy azo novinavinaina mihitsy teo amin’ny kristiana protestanta malagasy ny fanambadiana malalaka (union libre). Naterak’izany dia tsy nahazo nandray andraikitra tao am-piangonana mihitsy raha tsy ara-dalàna ny fanambadiany. Taoriana kelin’ny fahaleovantenan’ny Fiangonana protestanta Malagasy vao no novahana izany fitsipika hentitra momba ny fanekena ny fanaovana mariazy izany, fa mbola mitoetra hatrany kosa ny tsy fanekena ny tsy mpivady ara-dalàna handray andraikitra ao am-piangonana. Vao haingana akory aza, vao nekena ny fanamasinana ny fanambadian’ny efa nitoe-jaza sy ny efa niteraka, mba hanafoanana ny fihatsarambelatsihy izay nahazo vahana tamin’ny kristiana sasany. Fa marihinay tsara izao : TSY MBOLA AZO ERITRERETINA MIHITSY MANDRAKA ANKEHITRINY NY HANEKEN’NY FISAINANA, FA INDRINDRA NY TOE-PANAHY MAHA-KRISTIANA EO AMIN’NY MALAGASY, NY FIARAHAN’NY LAHY SAMY LAHY NA VAVY SAMY VAVY (HOMOSEXUALITE). Fahendrena tena malagasy ny miezaka mba tsy « hanao trandraka an-tanimena ka maka ny volon-tany ». Tsy izay ataon’ny olona dia tokony hatao. Mila faharetana handinihana lalina sy mba ho masaka ara-pahendrena sy fahalalana vao tokony hiteny momba izany eo anivon’ny fiaraha-monina malagasy aloha sy eo amin’ny vahoaka kristiana malagasy koa aoriana. Iarahan’ny maro manaiky fa tsy misy finoana afa-miorina raha tsy tafapaka ao anatin’ny kolontsain’ny firenena iray izany finoana izany. Fihaikana tsy mahavoka-tsoa ny mikiry hihoatra izay fefy izay. . Fanambadiana araka ny fijerin’ny mpanitsy fivavahana sy ny fampianaram-pinoana protestanta azy Mifototra amin’ny Soratra masina ny fitaizam-pinoana eo amin’ny protestanta. Tsy « fanambadiana kristiana » no naorin’ny Tompo Jesoa raha nilaza ny tsy mahamety ny fisaoram-bady Izy, fa namaly mivantana ireo fariseo naka fanahy Azy ny Tompo, ka nametraka azy ireo tamin’ny toerany, araka ny fampianarana efa noraisiny sy nitompoany fatratra ( Matio 19, 3-9 ; cf. Malakia 2, 14-16). Tsy raisin’ny protestanta mihitsy ho isan’ny sakramenta ny fanambadiana, na dia ekeny aza fa mampahatsiaro, na azo lazaina ho endrika, maneho ny firaisan’i Kristy ny Fiangonana ny fanambadiana (acte sacramentel), araka ny Efesiana 5, 22-33. Luther, araka ny fitantarana, dia nilaza hoe : « le mariage ne regarde pas l’Église, il est extérieur à elle, c’est une affaire séculière, temporelle, qui est du ressort des autorités »6. Tsy nataon’ny protestanta maro ho tena zava-dehibe ny fotoana manokana atao momba ny fanambadiana eo anivon’ny fiainam-piangonana. Karl Barth dia nanoratra ao amin’ny bokiny, hoe : « La bénédiction nuptiale est restée une coutume - et même largement au-delà ! - des pratiques dont la communauté chrétienne peut prendre la responsabilité.7 » Araka izany dia heverina ho « fomba » ny fanaovana mariazy. Ankoatra ny endrika firaisan’ny Fiangonana sy Kristy eo amin’ny fanambadiana, araka izay voalaza etsy aloha, dia fikirin’ny protestanta koa ny filazana ny lafiny fifaliana eo amin’ny fampakarambady, araka ny fanoharana nataon’i Jesoa (cf. Matio 22, 1-14 ; 25, 1-13 ; Lioka 12, 35-37). Kanefa tsy misaraka mihitsy amin’izany ny famporisihina hazoto hiambina tsara sy ho tsara fiomanana mandrakariva (amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny tenin’Andriamanitra), ka tsy hanao tahaka ny « virjiny dimy adala »lazain’ny fanoharana nataon’ny Tompo. Ampiasain’ny protestanta rahateo moa mba ho entina manazava ny maha-tsinontsinona ny fomba ivelany eo amin’ny sakramenta io fanoharana io : raha tsy misy « solika fitaiza » (vavaka, finoana, fanantenana, fitiavana), dia zava-poana ihany ny fombafombam-pivavahana rehetra. Tsy sakramenta ny fanambadiana ho antsika. Faritan’ny teôlojiana protestanta ho hentitra tsara ny antony hanekentsikaa izay fombam-pivavahana (gestes rituels) ho tena sakramenta eo amin’ny Fiangonana : - Tsy sakramenta raha tsy izay naorin’i Jesoa Kristy mihitsy ary miainga avy amin’ny fahefany mivantana (formellement institués par le Christ lui-même et relève de son autorité immédiate). - Ny sakramenta dia manondro fahasoavana, fanekem-pirotsahana na antso izay iombonan’ny kristiana rehetra, ka manambara ny maha-izy azy ny kristiana ( désigner une grâce, un engagement ou une vocation qui soit commune à tous les chrétiens et constitutive de l’identité chrétienne) - Ny sakramenta dia manondro fifandraisana amin’ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy (lien avec le salut qui est en Jésus-Christ) : ny batisa dia mitodika amin’ny fampanantenana, ny toky omen’ny Tompo (promesse) ; ny fanasan’ny Tompo kosa dia mitodika amin’ny fanatanterahana (accomplissement). Ny fanambadiana dia sady efa nisy talohan’i Jesoa Kristy ( fa tsy naoriny), no tsy ny olona rehetra koa no manambady, ary tsy azo antoka fa tena mampanatona ny mpivady ho amin’ny famonjena ny fanamasinana ny fanambadiany. Ekena fa fahasoavana ny fanambadiana, kanefa satria maimaimpoana ary raisina amin’ny finoana irery ihany (sola fide) ny famonjena, dia mitovy lenta eo anatrehan’ny fahasoavan’Andriamanitra (sola gratiæ) sy amin’ny handraisany ny famonjena amin’ny finoana, na ny olona manambady na ny tsy manana. Raha nilaza momba ny fanoherany ny fisaraham-panambadiana ny Tompo Jesoa, tamin’ny namaliany ny famandrihana azy amin’ny teniny notadiavin’ireo fariseo naka fanahy Azy (cf. Matio 19, 3-9 ; Marka 10, 1_12 ), dia tsy voafetra ho momba ny tokony ho toetry ny atao hoe « fanambadiana kristiana » ihany no tiany hambara, fa ho an’ireo fariseo ireo voalohany indrindra no nitenenany, dia ireo izay fatra-panenjana ny lalàna araka ny fisainany maha-olombelona, ka tsy mijery feno fa mifantina araka ny itiavany azy ny Lalàna nomen’Andriamanitra, ary indrindra koa manao tsinontsinona ny soa toavina ara-panahy (valeurs spirituelles) aroson’ny Filazantsara. Na ho an’ireo « isan’ny mpino », araka ny fijerintsika kristiana ankehitriny, na ho an’ny tsy isan’ny mpino, rehefa fanambadiana « nampiraisin’Andriamanitra » dia tsy tokony horavana, fa Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana tamin’ny nahariany ny olombelona, voalazan’ny bokin’ny Genesisy, ka notsofiny rano ho tonga mpiara-mahary Aminy hampitombo ny taranak’olombelona ny mpivady, fa hatrany am-boalohany dia « LAHY sy VAVY » no nahariany azy (Genesisy 1, 27-28). Rehefa tsy isan’ny sakramenta ekentsika protestanta àry ny fanambadiana, nahoana isika ao am-piangonana no manao « fanamasinana sy fitsofandrano » ny fanambadiana ? Mamporisika ny hanaovana izany isika FPMA, ary izany no hisian’ny « Mariazy miara-mizotra » hataontsika. Hohalalinintsika indray àry mba hamaliana izany fanontaniana natsangana izany : 2. NY FOTOTRA TEÔLÔJIKA MOMBA NY « FANAMASINANA SY FITSOFAN-DRANO » NY FANAMBADIANA KRISTIANA EO ANIVON’NY FPMA Misy fototra dimy fara-fahakeliny tokony ho fantatra mba hanorenantsika ara-poto-pinoana ny fanaovana fanamasinana sy fitsofan-drano fanambadiana any am-piangonana. Sady miendrika ho famaritana ny « fanambadiana kristiana » ireo, no efa manome soritra sahady koa ny fizotry ny fanatanterahana (rituel liturgique) amin’izany « fanambadiana kristiana » izany. Marihina mialoha, fa raha mampiasa ny voambolana malagasy hoe « fanamasinana » isika, dia ao an-tsaina amin’izany ny atao hoe « fanokanana », amin’ny lafiny hoe « fanavahana », arahina fanomezana andraikitra. Antsoina miavaka ny hoe « fanambadiana kristiana » amin’ny endri-panambadiana hafa misy, ka entina ho eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana. Mety ho endrika ivelany ihany (forme) ny fiangonana, fa ny zava-dehibe kosa kanefa, tsy azo hamaivanina mihitsy, dia ny fiombonana ataon’ny mpino amin’ny toerana iray izay efa natokana mihitsy mba ho fihaonana amin’Andriamanitra sy handrenesantsika ny tenin’Andriamanitra. Ny Qahal (hebreo) na ny Ekklesia (grika) izay nadikantsika hoe Fiangonana dia mampahatsiaro hatrany ny fiatahana mba hiala amin’ny toerana efa mahazatra (gr. ek ) mba hanatona toerana iray noho ny fiantsoana voaray (gr kaleô ). Raha mankany am-piangonana dia « antsoina » sy « avahana » amin’ny toerana hafa efa mahazatra sy fahita andavanandro. Miomana « hihaona amin’Andriamanitra » rehefa mankao. Ny fampiasana ny hoe « fitsofan-drano » kosa indray, dia sady mampahatsiaro ny nanorenana ny fanambadiana araka ny nahariana azy voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, ka nahatonga izany ho fanomezana andraikitra avy amin’Andriamanitra (cf. Genesisy 1, 27-28), no mamerina ao an-tsaina koa ny fisainana maha-malagasy antsika izany, dia isika malagasy izay mila tsodrano rehefa hisanta-javatra na hanorin-draharaha, mba ho afa-miroso amin’ny fanambadiana satria « efa mahatsangy no àry ». Amin’ny teny frantsay, tsy mamaritra lalina toy izany ny fomba filazana azy, fa voafehy fotsiny ao anatin’ny hoe « cérémonie religieuse du mariage » izany. Ny « cérémonie » dia fotoana manokana. Raha lazaintsika amin’ny teny frantsay ireo fototra ara-pinoana anorenana ny fanambadiana kristiana, dia ireto avy izany : acte d’enseignement et d’annonce de l’Évangile , acte de prière solennelle ; acte d’engagement ; attestation de l’engagement de Dieu vis-à-vis du couple ; acte de témoignage. Ezahintsika hovelabelarina amin’ny teny malagasy ireo fototra dimy ireo. . Asa fampianarana sy fanambarana ny Filazantsara ny fanamasinana sy fitsofan-drano fanambadiana kristiana Manomboka eo amin’ny dinidinika mialoha hataon’ny mpitandrina miaraka amin’ny mpanambady izany (entretien préparatoire), ary mitohy hatrao anatin’ny fanatanterahana ao am-piangonana ny fomba amin’ny fanao kristiana (acte liturgique).Inona àry no votoatin’izany fampianarana momba ny fanambadiana izany ? Misy telo fara-faharatsiny ampahatsiarovina ny mpanambady,miainga avy amin’izay voalazan’ny soratra masina iorenan’ny foto-pinoantsika protestanta : - Inoantsika fa Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana. Na inona na inona fitrangan-javatra ka mety hampivaona ny fandraisan’ny olombelona ny atao hoe fanambadiana, Jesoa Kristy, teo amin’ny fampianarany voalazantsika tar ? aloha, dia nampiverina ny olona indray amin’ny hevitry ny fanambadiana voalohany sy ny maha-zava-dehibe izany eo anatrehan’Andriamanitra. Tsara hampahatsiarovina momba izany, fa ny teny hebreo milaza momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, yâdâ, nadikan’ny baiboly malagasy hoe « mahalala », dia manambara firaisana feno, tsy ny ara-nofo ihany fa tena fiombonam-po amam-panahy. Manomboka eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ara-nofo diampivady izy eo anatrehan’Andriamanitra, tahaka ny fomban’ny zava-boaary rehetra noharian’Andriamanitra. Ny fiterahana aterak’izany firaisana izany dia fetezana ho « mpiara-mahary amin’Andriamanitra » (procréation). Izany no mampisy lanja ny tenin’i Jesoa hoe : « izay nampiraisin’Andriamanitra, aoka tsy hampisarahin’ny olona ». Fandavana an’Andriamanitra Mpahary ny fanaovana tsinontsinona ny fanambadiana sy ny fanomezana fahafaham-po fotsiny ny filan’ny nofo. - Tsy tokony horaisina ho fifanekena tsotra fotsiny amin’ny maha-olombelona ny fanambadiana. Ny fiaraha-monina ankehitriny dia manome vahana ny fanatsorana ny fisaraha-panambadiana. Tsy fifanekena (contrat) ny fanambadiana, fa zava-dehibe mihitsy ny fampanantenana sy fanomezana antoka (promesse et gage) ao anatin’ny fetezan’ny mpivady samy manaiky sy mivonona handray andraikitra (engagement et sens de responsabilité respective) amin’ny tandrifiny azy avy. - Mitory ny Filazantsara ny fiangonana, ary ambara ao anatin’ny fanambadiana kristiana ny fahasoavana raisintsika maimaimpoana avy amin’Andriamanitra. Avy amin’ny tenin’Andriamanitra handraisana hafatra no handraisan’ny mpivady vatsim-panahy ho entiny miatrika ny soritr’asam-piainana hatrehin’izy ireo. Ny fanambadiana kristiana dia heverina fa tokony ho fikambanan’ny olona roa samy krsitiana, koa izany no nahatonga ny fiangonana sasany, any Madagasikara ohatra, hitaky ny tsy maintsy haha-efa mpikambana ao amin’ny fiangonana (mpandray, na fara-faharatsiny katekomena) izay olona manatona ny fiangonana hitondra ny fanambadiany hohamasinina sy hotsofin-drano. Ilaina izany amin’ny lafiny fitaizana, sy mba tsy hahatonga koa ny mariazy any am-piangonana hanjary ho toy ny fomba amam-panao fotsiny. Kanefa koa, ny fitoriana ny Filazantsara dia mikendry hitaona ny olona rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy mba handraisany ny famonjena. Raha mbola tsy resy lahatra ny mpivady dia mila fampaherezana sy fitorianteny hanentana azy kokoa. Ny olona manatrika eo koa dia mila fitaomana (hoan’izay mbola tsy mino mihitsy), na mila famohazana ho an’izay mitady hatory ara-pinoana. Tsy resaka moraly fotsiny ny Filazantsara, ary tsy fanambarana fitsarana ho avy tahaka izay mahazatra ny sasany. Olona Iray indrindra no votoatin’ny Filazantsara. Jesoa Kristy Fitiavana sy loharanon’ny Fitiavana marina avy amin’Andriamanitra ary Mpamonjy antsika no torina indrindra amin’ny fanambadiana kristiana. . Fotoam-bavaka manan-danja iombonan’ny maro (acte de prière solennelle) ny fanamasinana sy fitsofandrano fanambadiana kristiana Saika matetika sy mahazatra ary amporisihana hatrany dia atao ao am-piangonana ny fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana kristiana. Misy dikany lehibe ho fijoroana ho vavolombelona amin’ny maha-kristiana izany. Mbola horesahintsika etsy aoriana izay, fa soritana voalohany ny maha-fotoam-bavaka izany fotoan-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mpivady izany. Ny votoatin’ny vavaka ataontsika dia fisaorana an’Andriamanitra noho izay efa nomeny antsika, ary fangatahana Aminy izay mbola tokony hilaintsika. Andriamanitra no nanome ny fitiavana nampifankatia sy mampiray ny olona roa mifanaiky ny hivady. Mankasitraka an’Andriamanitra noho izany ny Fiangonana. Mangataka amin’Andriamanitra mba hitahiany sy hitehirizana izany firaisana izany tsy ho simba. Iarahantsika mahalala ny fakam-panahy maro mitarika handrava ny « fampiraisana nataon’Andriamanitra » (cf. Matio 19, 6) eto amin’izao tontolo izao misy antsika ankehitriny. Raha tsy ny Tompo Andriamanitra nomiaro sy mitahy, zava-poana ny ezaka rehetra ataontsika olombelona (cf. Salamo 127, 1s). . Ny fanamasinana sy fitsofandrano fanambadiana dia fifanekena ampahibemaso (engagement solennel) hataon’ny mpivady eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana Efa voalazantsika tany am-piandohana fa tsy andraikitry ny fiangonana ny mampivady ara-dalàna ny olon-droa mifankatia mifanaiky hiara-monina maharitra. Eo anatrehan’Andriamanitra, ireo olona roa manatona ny fiangonana dia efa mpivady (cf. ny voalaza tatsy aloha momba ny hoe « mahalala ». Hamafisin’i Jesoa izany raha nilaza momba ny atao hoe « fijangajangana » Izy, ka nambarany fa tsy ny fampiharana ihany no enti-mamaritra ny fijangajangana fa ny filana efa torontoronina mialoha koa.) - Ny litorjia mahazatra momba ny fanambadiana entina ao am-piangonana dia manisy fanontaniana hoe : « Moa manaiky marina va ianao R. handray an-dR. ho vadinao ? ». Nampiana izay fanekena izay ka nasiana hoe : « manaraka ny fomban’ny fanambadiana kristiana ». Io fanampiny io no heverina fa zava-dehibe, satria efa vita teo anatrehan’ny fanjakana ny fifaneken’izy roa hivady. Metimety kokoa aza raha ovana mihitsy ilay fanontaniana ka hatao hoe : « Manamafy ny fanekena efa nataonao teo imason’ny mpitondra fanjakana va ianao ary mandray an-dR. ho vadinao manaraka ny fomban’ny fanambadiana kristiana ? » Ny fanambadiana kristiana dia fetezan’ny mpivady hanambara ny finoany fa Andriamanitra no nampivady azy ary apetrany eo ambany fitarihan’Andriamanitra ny fikasany rehetra sy ny sori-piainana tiany iaraha-manatontosa amin’ny ho avy (projet de vie commun).Izany no votoatin’ny fanekena ataony eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana amin’ny hitondrany ny fanambadiany ao am-piangonana. Isan’ny fanontaniana itakiam-baliny eo amin’ny fanekena ny hoe « hanaraka izay lazain’ny tenin’Andriamanitra momba ny fanambadiana ». Voafehy ao anatin’izany tenin’Andriamanitra izany, na ny Soratra masina milaza ny fanorenana ny fanambadiana, na ny toriteny atao hanazavana ny Soratra masinasy hakana vatsim-panahy. Manjary fomba fotsiny ireo raha tsy misy ny vavaka atao mba hisian’ny fitarihana sy fanazavan’ny Fanahy Masina izay hahatonga ny mpivady handray izany tokoa. Ny FIANGONANA ANY MADAGASIKARA dia nametraka fitsipika hentitra fa « tsy azo entina hohamasinina sy hotsofin-drano ao am-piangonana ny fanambadian’ny olona roa raha tsy efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo izy ireo, na fara-faharatsiny efa nanolo-tena ho katekomena ». Miteraka resabe eo amin’ny olona sasany izany, indrindra fa ny protestanta miseho ho malala-kevitra ( - fa amin’ny fiangonana katolika, anglikana, loterana dia tsy misy ny adihevitra momba izany -). Entin’ny mpanohitra io fitsipika io mba hanamarinana ny fanoherany ny filazana fa « fitoriana ny Filazantsara ny fanaovana mariazy ary mety handresy lahatra ny mpivady ho tonga kristiana ny fanaovana ny mariaziny ao am-piangonana ». Mety ho marina ihany izany fanamarinana izany indraindray, kanefa raha ny zava-misy matetika dia tsy vitsy ny mpanambady tsy miraharaha akory izay fiainam-piangonana fa « hatao mariazy », satria efa lasa « fomba » eo amin’ny fiaraha-monina izany, ary « fanao mahazatra ifandovana eo amin’ny fianakaviana ». Raha raisin’ny mpanambady ho zava-dehibe tokoa ny dinika atao mialoha ny fanamasinana (entretien avant mariage), angamba tsy tokony hisy ny fisaraham-panambadiana izay fantatra fa mitombo be dia be, indrindra fa aty amin’ny firenena heverina fa mandroso ara-toekarena. Ataon’ny olona tsy mino sy tsy resy lahatra ahoana tokoa moa ny mametraka eo ambany fitarihan’Andriamanitra ny tokantranony, kanefa izy aza tsy mivonona hanatona an’Andriamanitra izay tsy maharesy lahatra azy ny fisiany ny ny asany. Tsy voatery ho tsy maintsy haneho fanambaram-pinoana izy ireo (raha ho eo imason’ny olona fotsiny), fa fara-faharatsiny tokony hisy fatahorana an’Andriamanitra ka hangataka Aminy mba hahazo hery hiatrehany ny zava-manahirana tsy maintsy lalovana eo amin’ny fiainana. Isika FPMA dia tsy mbola nametraka ho fitsipika mihitsy hatreto ny tsy maintsy « haha-kristiana tokoa » ny olona manatona ny fiangonana. Tenin’i Jesoa rahateo ny hoe « izay manatona Ahy, tsy mba holaviko mihitsy ». Heverina fa tsy anjarantsika ny misakana izay manatona ny fiangonana, fa tsy afaka miala andraikitra kosa isika amin’ny fampianarana sy ny fitaizana ny olona hahatsiaro ny tena ny amin’ny antony hanaovany fanekena eo anatrehan’Andriamanitra. Azo saintsainina sahady mba hatao fanao eo amin’ny fiangonana ny fitaizana lalim-paka sy mitohy ka hanarahan’ny mpanambady fiofanana, tsy alohan’ny fanamasinana sy fitsofan-drano ihany, fa mitohy herintaona toy ny fiofanan’ny katekomena. Tsy atao fitsipika izany, fa aroso ho toy ny soritrasa eo amin’ny fiainan’ny fiangonana, ka tsy ho an’ny mpanambady vao ihany fa ho an’izay mila tohana sy fampaherezana momba ny fiainan-tokantranony. Any Madagasikara ihany dia misy sampana ao amin’ny fiangonana sasany antsoina hoe « Tokantrano tanora kristiana » (TTK) izay efa manatanteraka izany ka manao fisintonana na lasy fara-faharatsiny indray mandeha isan-taona mba hiofanana. Ny fiangonana rahavavintsika ERF dia manana vaomiera nasionaly atao hoe « Commission Conjugalité Famille » izay misahana ny fampiofanana momba ny fiainam-pianakaviana, ka mamaly ny fanontaniana ataon’ny olona manoloana ny fiainana andavanandro. Isan’ny andraikitra miandry ny Vaomieran’ny Fanabeazana (Éducation) ato amin’ny FPMA koa izany fitaizana mitohy izany. Na dia tsy tenenina mivantana ao anatin’ny fanekena atao aza, fa ampahatsiarovina kosa eo amin’ny fanorenana ara-tSoratra masina ny fanambadiana kristiana, mandritra ny litorjian’ny fanamasinana sy fitsofandrano, dia tokony ho tsaroan’ny mpivady fa manaiky eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo fa « mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy », ka miezaka mba ho « tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. Ny lahy ho tia ny vadiny, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy mba hahamasina azy . » (Efesiana 5, 22-25). Hazavaina tsara eo amin’ny dinika ataon’ny mpitandrina mialoha miaraka amin’ny mpanambady io, mba hampisokatra tsara ny sain’ny mpivady samy hahatsiaro ny fifamenoana eo amin’ny fanambadiana. Tsy azo odian-tsy hita manko fa nanova zavatra be dia be teo amin’ny fiaraha-monina ny « tolona fanafahana ny vehivavy » eran-tany izay nanana akony hatrany amin’ny sehatra fandalinana teôlojika (théologie féministe). Mila fandanjalanjana tsara kanefa mba tsy ho fomba fijery manao kitapo tokana ny zava-misy rehetra no hitondrana izany, na dia tsy iadian-kevitra aza fa ara-drariny aza ny tolona atao ho an’ireo vehivavy mbola tsy manana ny zony any amin’ny firenena maro sy eo anivon’ny fiangonana sasany. - Mbola isan’ny fanontaniana ilam-baliny koa ny fanekena fa « hitondra sy hitaiza izay ho zanaka omen’Andriamanitra azy ireo amin’ny fahamarinana sy ny ny fitiavana ary ny fahendrena, mba hahatonga ny ho zanany hahalala sy hanompo an’Andriamanitra araka ny finoantsika kristiana. » Izay fanekena izay dia efa mametraka mialoha finoana fa manaiky ho « mpiara-mahary » amin’Andriamanitra amin’ny alaln’ny fiterahana ny mpivady ka mampiditra ao anatin’ny famaritana ny fanambadiana ny fetezany hisokatra ho amin’ny fiterahana manome aina vaovao ety ambonin’ny tany (le couple s’engage à vouloir intégrer dans leur définition de ce qu’est un couple une ouverture à la transmission de vie par la procréation). Kanefa koa manaiky hamaly izay takian’Andriamanitra amin’ny andraikitra omeny azy ireo dia ny ho mpitaiza (engagement d’être respons-able en matière d’éducation). Tsipihina tsara ny fanekena amin’izany fa « Andriamanitra no manome zanaka », ary safidin’Andriamanitra manokana izany fa tsy azontsika baikoina. Misy ny mpivady tsy miteraka, ary misy ny manan-janaka maro. Eo amin’ny fanekena dia tokony hahatsiaro ny mpivady fa izay ataon’Andriamanitra araka ny sitrapony manokana dia mikendry hahasoa antsika. Kanefa nomena andraikitra isika ary tokony hahatsiaro izany andraikitra izany. Samy tsy mety, na ny manome tsiny an’Andriamanitra rehefa tsy omeny zanaka, na ny manilika amin’Andriamanitra hatrany ny mety ho tsy fahatsiarovantenantsika hifehy tena ka hanome fahoriana ny vehivavy amin’ny fiterahana matetika sy ny ankizy amin’ny tsy fahafahana manatanteraka izay fikolokoloana sy fanabeazana tokony ho azy eo anivon’ny ankohonana. Heverinay fa somary misy fireharehana amin’ny maha-olombelona ny fampiasana ny voambolana mahazatra ankehitriny hoe « contrôle des naissances » na « planning familial ». Manao fandaminana isika, kanefa eo ambany fitantanan’Andriamanitra irery ihany (na ekeny ho tanteraka na tsia). Izany no nahatonga anay handroso mandrakariva tamin’ny famelabelarana niantsoana anay momba io sehatra iray eo amin’ny fanabeazana ara-piaraha-monina io ny hoe « procréation consciente » : mahatsiaro tena ny mpivady fa mpiara-mahary amin’Andriamanitra ary tompon’andraikitra feno amin’ny anjara fahariana asain’Andriamanitra ataony. Ny tsy fahatanterahan’ny andraikitra nekena, na noho ny antony mety ho avy amintsika olombelona, na noho ny antony inoantsika fa araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy tokony hatao sampona hanimbana ny firaisana nataon’Andriamanitra ka hanamarinana ny fisaraham-panambadiana. Tsy toe-po kristiana ny misara-panambadiana satria tsy miteraka, na misara-panambadiana noho ny fialana andraikitra tsy hitaiza zanaka maro. « Izay nampiraisin’Andriamanitra, aoka tsy hosarahin’ny olona ». Raha hita tokoa fa mitady hiteraka olana hahasampona ny fanambadiana izany, dia mila fitaizana atao ho azy mivady sy indrindra fitondrana azy amim-bavaka. . Ny fanamasinana sy fitsofandrano dia fanamarihana ny fetezan’Andriamanitra handray andraikitra eo anatrehan’ny mpivady (attestation de l’engagement de Dieu vis-à-vis du couple) Tsy ny fanekena ataon’ny mpivady eo anatrehan’Andriamanitra fotsiny no misongadina ao anatin’ny fanamasinana sy fitsofandrano fanambadiana kristiana, fa zava-dehibe mihitsy koa ny fanekena taon’Andriamanitra ho azy ireo. Fanamarihana ny fetezan’Andriamanitra handray andraikitra eo amin’ny fiainan-tokantrano, ary fanambarana ny faneken’Andriamanitra ny fiorenan’ny fanambadiana vao naorina. Ny Mpitandrina mitarika ny fanompoam-pivavahana dia manambara aorian’ny fifanekena ifanaovan’izy ireo hoe : « Ra. sy Ra., efa nifanaiky teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianareo fa hitondra ny fanambadianareo manaraka ny fomban’ny fanambadiana kristiana, koa izaho manambara anareo ho mpivady amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Izay nampiraisin’Andriamanitra, aoka tsy hosarahin’ny olona ». Ny filazana ny anaran’Andriamanitra dia fanambarana ataon’ny fiangonana fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay fanambadiana, tafiditra ao anatin’ny rafitra nataon’Andriamanitra tamin’ny nanorenany ny fanambadiana voalohany, ka nanamasinany sy nitahiany izany. Raha vao manapa-kevitra ny hitondra ny tokantrano aoriny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana ny olon-droa hivady, dia efa tokony ho resy lahatra izy ireo fa ny fiangonana no solontenan’Andriamanitra ety an-tany, araka ny tenin’i Jesoa rahteo hoe : « Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. » Fantatra koa fa ny fitondrana ny tokantrano aorina eo anatrehan’Andriamanitra dia fangatahana tohana amim-bavaka sy faneken’Andriamanitra hiasa mba hanampy sy hitantana ny fiainana iarahan’ny mpivady mizotra. Fa eo indrindra no atrangan’ny sasany ny olana momba ny fanorenana « tokantrano » sy izay heverina ho izany. Mila tsodrano koa ve ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy monina ka ananganany « tokantrano » (bénédiction d’un couple homosexuel) ? Azo itarina koa ny fanontaniana hoe « Tokantrano » azo ekena ve ny tokantranoimaso, ka tokony hotsofin’ny fiangonana rano sy hivavahany raha manatona azy (bénédiction d’un concubinage ou d’une union libre) ? Fahamarinana roa (deux vérités) no tsy maintsy lanjalanjain’ny fiangonana tsara manoloana izany mba ho entiny mandray fanapahan-kevitra : ? Efa fantatra fa ny lalàna manan-kery eo amin’ny fanjakana (afa-tsy any Pays Bas izay nanaiky ho ara-dalàna tamin’ny 1 avril 2001 ny tsy fitakiana fahasamihafana amin’ny olon-droa « hivady », na ho mitovy sexes izy ireo na ho lahy sy vavy), dia tsy manaiky ny fifanambadian’ny olona mitovy sexes, koa izay tsy vita soratra ara-dalàna dia tsy azo entina ao am-piangonana. Raha minia manao fanamasinana sy fitsofandrano ny fiangonana dia manohitra ankitsirano ny lalàna misy. Moa ve ny fiangonana afaka manao fandikan-dalàna toy izany, ary azo heverina fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra toriana ve ny fanaovana izany ? (cf. Romana 13, 2,5,7-10 ; Galatiana 5, 13-14 ; I Petera 2, 11-16). Azon’ny sasany roritina iadian-kevitra ihany angamba ireo teny ao amin’ny Soratra masina ireo, kanefa teôlojika kokoa ny fandalinana ny famaliana ny fanontaniana hoe : raha isan’ny zava-kendren’ny fanambadiana amin’ny nahariana azy ny fampitomboana taranaka ka iarahan’ny mpivady mahary eo anatrehan’Andriamanitra, tsy efa sampona tsy iadian-kevitra ve ny mitovy sexes mihevitra ho mpivady kanefa tsy afa-mahary ? Angamba mbola azo roritina ihany koa ny hoe : misy mpivady minia tsy hiteraka, na misy mpivady maniry zanaka kanefa tsy mahazo. Fandaminana sy sitrapon’Andriamanitra tanteraka ny hahazoan-janaka, fa ny efa mahalala ny tsy fetezana voa-janahary kanefa mikiry ihany, dia fantatra mazava fa asan’ny sain’olombelona minia hihoatra ny lamin’ny zava-boary araka ny nahariana azy. ? Misy ny PACS, na ho an’ny homosexuels na ho an’ny heterosexuels, kanefa raha manaiky hanamasina sy hitsodrano izay « firaisana » tsy fanambadiana ara-dalàna fa « fifanekena » eo anivon’ny fiaraha-monina ny fiangonana, moa tsy tahaka ny manaiky koa va izy fa azon’ny tsirairay atao ny manpa-kevitra, raha sitrapony, ny hanapaka sy hanafoana izany fifanekena izany, ary tsy hafa izany fa lalana mizotra ho amin’ny fanekena ny fisaraham-panambadiana (reconnaissance du droit à la répudiation). Misy teôlojiana sasany izay te hanamarina ny fanaovana mariazy ny olona tsy vita ara-dalàna ny fanambadiany, ka milaza fa azo atao ny « fitsofandrano fifakaizana » (bénédiction d’amitié) na « fitsofandrano fitiavana » (bénédiction d’amour)8. Tsy azo ampilaharina amin’izay fomba fijery izay, atao aty Eorôpa manokana izay manana ny zava-misy sy kolontsaina hafa, ny ezaka ataon’ny fiangonana any amin’ny firenena madinika (Tiers-monde) izay matanjaka ny fanatanterahany ny fanambadiana araka ny fomba nenti-paharazana ka mafy orina kokoa noho ny fisoratana ara-panjakana aza. Ny fifanalaviran-toerana nahaterahana sy ny fonenana, hasarotin’ny fahasahiranana ara-pifamoivoizana, dia miteraka olana amin’ny fanaovana ny taratasy rehetra ilaina mba hisoratam-panambadiana, koa matetika no mijanona amin’ny nenti-paharazana ny fanambadian’ny olona any amin’ireny firenena madinika ireny. Mba faniriany kanefa ny hitondra eo antrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana ny tokantranony handray fitahiana. Fa misy tokoa mantsy, teolojiana sy mpitondra fiangonana, manohitra ny fanamasinana sy fitsofandrano any am-piangonana mihitsy, satria lazainy fa raha manao izany ny fiangonana dia manome antoka ny fijoroan’ny fanambadiana ho ara-dalàna eo aminy, tahaka ny nataon’ny katolika taloha9. Raha amin’ny firenena mandroso dia azo halalinina ihany ny foto-keviny, fa tsy azo atao mitovy foana kanefa ny fomba fijery araka ny zava-misy sy ny anton-javatra tsy mitovy. Etsy andanin’izany, mila fanasoritana hentitra kokoa ny atao hoe « fitiavana » izay mahatonga firaisana ao amin’ny fanambadiana. Ny grika dia nanavaka tsara ny filia sy ny eros ary ny agapê, samy adika ho « fitiavana » kanefa samy hafa ny dikany ara-pifandraisana. Ny hebreo indray mampiasa ny dwd sy ny yâdâ izay misy fifangaroany eo amin’ny hevitra indraindray : - ohatra, « ny fitiavan’i Jonatana an’i Davida zatovo » (cf. I Samoela 18, 1), dia heverin’ny mpandinika fa mirona ho amin’ny homosexualité -, satria mitarika ho amin’ny filàna ara-nofo, tahaka ny nahasarika an’i Davida mpanjaka ho « tia » ny vadin’i Oria Hetita (cf. II Samoela 11, 2_3). Raha nomelohin’Andriamanitra Davida ka nasainy nibebaka, satria mazava araka ny Soratra masina fa tsy eken’Andriamanitra mihitsy ny « fitiavana ateraky ny fitsiriritana » (obsession, fantasme), ka nahatonga an’i Jesoa hananatra mafy ny mpianany tsy ho lavo amin’ny fijangajangana (cf. Matio 5, 27-28), dia tsy azo roritina hanaovana izay fantatra fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny teny hoe « fitiavana », na dia fantatra fa efa nisy hatry ny ela araka izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly aza ny homosexualité, sokajiana ho isan’ny fijangajangana (cf. Genesisy 19, 5 ; Levitikosy 18, 22 ; Romana 13, 13 ; I Korintiana 6, 9). Ny fijangajangana dia fivakisan’ny tena (corps) fahafenoan’ny olona araka ny naharian’Andriamanitra azy, « araka ny endrik’Andriamanitra » tany am-boalohany (Genesisy 1, 27). Rehefa nitady fahaleovantena tamin’Andriamanitra ny olombelona tsy nino ny efa maha-endrik’Andriamanitra azy fa mbola « te hitovy amin’Andriamanitra, mahalala ny tsara sy ny ratsy » (Genesisy 3, 5), tonga tafasaraka tamin’Andriamanitra ary « nahalala » fa mitanjaka izy. Nanjary tsy toy ny « tena iray » intsony ny mpivady fa samy hafa, olon-droa samy manana ny maha-izy azy ; sady hafa noho Andriamanitra no mahatsiaro koa ny tsy fitoviany fa nanavaka na ny lahy na ny vavy. Tsy araka ny lamina voa-janahary intsony ny fiarahan’ny lahy sy vavy, fa nivadika ho fehezin’ny fifampilàna (désir). Ny mpivady araka an’Andriamanitra dia efa natao ho « tena iray », koa ny fijangajangana dia ny mitady « tandrify hafa » araka ny fifampilàn’ny nofo, fa tsy araka sitrapon’Andriamanitra. Ny mijangajanga dia ny mikiry « hahalala » olona hafa ankoatra izay efa namboarin’Andriamanitra ho azy. Ahoana moa no hanekena fanolorana tsodrano amin’ny anaran’Andriamanitra izay firaisana tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy fisandoham-pahefana va izany ? TSY AZONTSIKA TERENA, NA OVIANA NA OVIANA, HANAIKY IZAY TSY ANKASITRAHANY ANDRIAMANITRA. TSY ISIKA NOHARIANA MIHITSY NO HANAMARINA FA HANDRAY ANDRAIKITRA HITAHY IZAY TSY ARAKA NY LAMINA NATAONY NY MPAHARY. Tsy azo ekena ho finoana izay mihoatra ny fankatoavana ny sitrapon’Izay inoantsika fa marina. Avy amin’Andriamanitra ny finoana fa tsy miainga avy amin’ny saintsika (foi ? croyance). . Asa fijoraon’ny mpivady ho vavolombelon’ny finoany ny fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiany ( acte de témoignage ) Fijoroana ho vavolombelona eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana aloha, fa Andriamanitra no nampivady. Mivonona handray fampianarana avy amin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo, hihaino sy hanaiky ny Filazantsara, maneho fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny fitantanany ny fiainany, ka manaiky ny fandaminana sy ny soritr’asa omen’Andriamanitra azy ireo amin’izay hitondrany ny ho aviny. Hiantsoana olona ho vavolombelona sy hizaràny izany finoany izany ny fanamasinana sy fitsofandrano ao am-piangonana. Tsy ho azy ireo ihany ny hafatra ampitondrain’ny tenin’Andriamanitra, fa ho an’ny rehetra ihany koa. Ampahatsiarovina ao anatin’ny litorjia izany, rehefa manambara ny fanorenana ny fanambadiana araka ny Soratra masina ny mpitandrina, ka miteny hoe « isika koa dia hahatsiaro ny fanekena efa nataontsika teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vavolombelona maro ». Ny vavaka rehetra atao dia tsy mifantoka ho azy mivady avokoa fa natao ho an’izay rehetra miombona sy manotrona azy ireo koa. Misy ireto fanambaran’ny teôlôjiana ireto, nataony hanana endrika famaritana (définition) momba ny fotoam-pivavahana atao ao am-piangonana momba ny fanambadiana kristiana, entinay hanamafy izay filazana ny fijoroan’ny mpivady ho vavolombelona izay. Iniavinay tsy adika ho teny malagasy izany mba tsy hahavery ny mety ho fandraisana ny hevitra tiany ambara. Hoy A. Dumas hoe : « Il est encore un sens au mariage qui est, lui, particulier à la vie devant Dieu : l’occasion de remercier, de rendre grâces, et l’occasion de demander, de prier. Tel est le sens propre du mariage religieux : remercier Dieu pource que l’on reçoit, et demander ce dont on a besoin.10 ». R. Grimm, ao amin’ny tatitra nataony momba ny fandalinana ny fanambadiana, tany amin’ny Synôda nataon’ny ERF tany Dourdan, tamin’ny taona 1984, dia nilaza hoe : « L’Église ne marie pas, elle consacre un couple. Il ne convient pas de surévaluer cette cérémonie et de ne pas lasacraliser. Elle n’est pas un moyen de grâce, mais le lieu où on la demande. La cérémonie religieuse se situe au plan du témoignage, non à celui de la formation du couple.11 » FEHINY Tari-dalana ho amin’ny fandalinana ny fanambadiana kristiana izay narosonay izay. Fanirianay manokana ny hiverenana amin’ny fomban’ny Fiangonana Protestanta hatrany am-boalohany : tsy ny fiadian-kevitra momba ny fampandehan-draharaha no hibahana amin’ny fivorian’ny Synôda Lehibe, fa ny handalinam-pinoana sy hamakafakana zava-dehibe mahakasika ny fiainan’ny kristiana sy ny fijoroany ho vavolombelona ao amin’ny fiangonana. Fanamby lehibe apetraka eo anoloan’ny FMM ny fanatanterahana izany. Ecclesia reformanda semper reformata ! Soli Deo gloria ! Rev.

 

Dr Jean A. RAVALITERA

Filoha Synôdaly,

Filohan’ny FPMA