FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY AN-DAFY

TAFO MELUN

ALAHADY 09 OKTOBRA 2005

Isaia 25:6-9 ; Filipiana 4:12-20 ; Matio 22:1-14

"Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry "( Apok 19:9)

Ry Havana malala ! Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanana amam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika !

Rehefa mampianatra sy mitory teny Jesoa, dia fombany ny mampiasa fanoharana mba ahatakaran’ny olona mihaino Azy ny tiany holazaina. Eto amin’ny Filazantsara voalahatra ho antsika androany, dia manohatra ny Fanjakan’ny Lanitra amin’ny mpanjaka izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zanani-lahy ny Tompo.

Ity fanoharana ity, araka ny fandinihan’ireo mpianatra ny Soratra Masina, dia faminaniana sy fitsarana ny firenena voafidy, nefa mafy fo sy maditra, mifikitra sy mikiry biby amin’ny fandavana ny fiantsoana na fanasan’ny Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Lanitra azy, ka mahatonga azy ireo tsy ho mendrika izany fanjakany izany.

"Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady" Raha misy olona maharay fanasana amin’ny fampakaram-bady, dia ho tsapany ny fitiavana sy ny fanajana ary fanomezam-boninahitra asehon’ny mpampakatra sy ny ray aman-dreniny azy. Iarahana mahafantatra fa ny fanatrehana na fahazoana mandray anjara amin’ny fampakaram-bady iray dia safidin’ny tompon-draharaha. Tsy ny rehetra akory no mahazo tonga ao ; fa izay akaikin’ny fon’ny mpampakatra sy ny ampakarina ary ny fianakaviana ihany. Izany hoe voafetra ihany ny lisitry ny asaina amin’ny ankapobeny. Tahaka izany koa tamin’ny fotoan’andron’I Jesoa. Tian’ny mpanjaka ho henin-kaja sy feno voninahitra ny fampakaram-badin’ny zanani-lahy, ka nanao izay rehetra azony natao izy nanasa olona mba hankao amin’ny fampakaram-bady ; fa tsy nety ho avy ireo. Eo anatrehan’izany fandavana izany, dia manao ahoana ny fihetsika mety hitranga ? Raha isika no teo amin’ny toeran’ny nasaina dia avy hatrany niazakazaka nanao amboletra niditra nameno trano isika ; sady te-hoisan’ny vahiny manan-kajan’ny Tompon’ny fanasana. Ity fanasana ity, dia manambarna amintska fahamarinana tsy azolavina eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra : " Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zananilahy " ( Matio 22:2). Misy izay rehetra ilaina hanafaka ny hanohanana sy hanala ka hampitony ny hetahetan’ny fanahy rehetra ao amin’ny Fanjakan’ny Ray. Efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, efa voavoatra ao amin’ny fahasoavany ho amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry ( Apok 19:6-9). Fanasan’Andriamanitra hita sy re ary manakoako manerana ny pejy samihafa ao amin’ny Baiboly mirakitra ny Teniny. Hoy indrindra Izy : " He ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano ! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia ! Mividia, ka homàna ! Eny, avia, mividia divay sy ronono ; nefa tsy amim-bola, na amin-karena..Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.." ( Isaia 55:1-2). "Andramo ka izahao fa tsara Jehovah.fa izay mitady Azy dia tsy ho orin-java-tsoa akory " ( Salamo 34:8,10). " Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, Jehovah ; ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay "( Salamo 16:11).

Taonjato maro mifandimby no efa nanirahan’Andriamanitra ny Mpanompony maro samihafa nitondra ny teny fanasany teo amin’ny zanak’olombelona ; ary tamin’ny farany dia ny Zanany Lahy Tokana mihitsy no tonga tety an-tany niantso ny maro ho ao Aminy : " Efa voaovoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy miendrika" ( Matio 22:8). Efa voavono ny zanak’omby matavy, efa masaka sahady ny nahandro ary efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra, efa voavoatra ny latabatra. Kanefa indrisy, firy tamin’ny lehilahy sy vehivavy izay mameno ity tany ity no namely ka nanaiky ny fanasana azy ? Firy no namaly ny antso ka niroso iombona latabatra amin’ny Tompon’ny fanasana sady Mpampakatra ? Moa isika izao koa va tsy isan’ireo nasaina ? Nefa maro amintsika no manao ny zavatr’Andriamanitra sy ny momba an’Andriamanitra ho tsy misy lanjany loatra ! Hamaivanintsika sy hamavointsika io momba an’Andriamanitra io ; fa aleontsika mandeha any amin’ny saha sy ny varotra, ny raharaha mitondra vokatra ho an’ny nofotsika. Ny efa teo amin’Andriamanitra sy efa niray latabatra tamin’ny Tompo aza niala sy nandao ny latabatra masina. Maro no mbola manetsi-tadiny amin’ny fiantsoan’Andriamanitra azy ; tsy vitsy ihany koa ireo izay manamafy ny fony tsy te-ahalala fotsiny izao ny bitsikin’ny Fanahy Masina ao anatiny ao. Fa ho anao kosa : hevero ny fiantsoana sy ny fanasan’Andriamanitra anao iombona latabatra amin’I Jesoa Kristy Zanany. Misy fotoanany ny zavatra rehetra. Misy ny fotoana ieritreretana, ao ny fotoana andinihan-tena ; ary ao ny fotoana andraisana fanapan-kevitra. Ny Tompo sy Andriamanitsika no mendrika ny hotompoina voalohany indrindra satria ny Fanjakany dia efa eo aminao, fa tsy zavatra mbola nofinofisina ho avy akory.

"Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina". Ny fanasana, ny antson’Andriamanitra dia miantefa amin’ny olombelona rehetra. Ny tsirairay avy dia tompon’antoka tanteraka, tompon’andraikitra amin’ny fandavana na ny fanekena ny antsom-pamonjena tonga aminy. Ny olom-boafidy sy olom-boaantso dia andray anjara amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana ao amin’ny Tompo Andriamanitra Izay niantso sy nifidy azy ka nanendry azy amin’ny fitiavana ho an’I Jesoa Kristy. Amena.

Ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina anie ny haja sy ny dera ary ny voninahitra mandrakizay. Ary fiadanana ho an’ny olona rehetra izay ankasitrahany. Amena.