« Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito :Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany »(Apokalipsy 3 :1)

Teny nalaina avy amin’ireo Teny nampitondrain’i Jesoa Kristy Velona, Ilay efa maty nefa velona mandrakizay mandrakizay, an’i Jaona tamin’ny fanambarana, ho an’ny fiangonana fito tany Asia io teny io. Ireo fiangonana fito ireo moa dia :Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia. Ilay tenin’ny Tompo sy Lohan’ny Fiangonana mananatra mafy sy mampitandrina ny fiangonana sy ny kristiana tao Sardisy indrindra no omena ho fampieritreretana sy fampaherezana antsika fiangonana fito ato amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana eo am-panokafana izao Zaikabe-paritany voalohany atrehintsika izao.Araka izany dia tsy ho an’ny fiangonana sy ny mpitondra ary ny kristiana tao Sardisy ihany, fa teny natao ho fanairana sy famohazana indray ny fiangonana namany maro tahaka azy izay matoritory am-panahy sy variana ary rendrika amin’ny fanarahana ny fombam-piainanan’ny fiaraha-monina misy azy. Ny adidy sy andraikitra voalohany nanorenan’ny Tompo ny fiangonana dia ho fanjakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany hanompo sy hanome voninahitra Azy. Hanompo sy hanome voninahitra ho an’ny Tompo sy Lohan’ny Fiangonana, izany hoe tsy hiasa ho an’ny tenany, na hiteny ho an’ny tenany, na hanao izay ahazoany voninahitra ho an’ny tenany ny fiangonana sy ny mpiasa ao aminy( mpitandrina sy diakona ary mpiandraikitra isan-tsampana na ny sampana samihafa) , fa hiasa sy hiteny ho an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary ny asa vita sy tanteraka dia ho voninahitr’Izy Tompo irery. Eny fa na dia ny Fanahy Masina , izay singa fahatelo ao amin’Ilay Telo Izay Iray, dia tsy nanao afa-tsy ny fanantanterahana ny sitrapon’Ilay Manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra ; tsy niteny ho azy ny Fanahy Masina fa nandray avy amin’ny Tompo Izy ka nanambara izany tamin’ny Fiangonana sy ny mino rehetra. Ny vocation’ny fiangonana dia ny ho vavolombelon’ny Tompo sy Lohany amin’ny teny sy ny asa , amin’ny toetra sy fomba tsy misy fiketronana :Tompo Andriamanitra Masina sy Marina no tompoina sy arahana ary inoana, dia ho fiangonana , kristiana manana ny fahamasinana sy ny fahamarinana no manolotra fiderana sy voninahitra Azy sy manao ny asany. Fa inona no niseho sy nitranga teo amin’ny fiangonana sy ny kristiana tao Sardisy ? Isan’ny fiangonana tsara araka izay hitan’ny mason’ny olombelona i Sardisy. Nanana tarehy mahafinaritra izy, nanana fombam-pivavahana tanteraka izy, nanana asa izay nankalazan’ny olona azy izy. Toa tsy mba niharan’ny fitsapana sy ny fanenjehana izy. Tsy mba nanaraka fampianaran-diso na sandoka izy ; fa tena saro-piaro tamin’ny fampianarana marina aza.Raha jerena avy ety ivelany dia fiangonana heverina ho milamina sy mandroso ary matotra. Kanjo ny Ilay Tompo sy Lohan’ny Fiangonana dia mahita ny tsy fahatanterahany, fa mandeha amin’ny lalan-diso ny fiangonana sy ny krisitiana ao Sardisy. Ny fiangonana dia lasa nandray ny volon-tanin’ny manodidina azy, nanjary toy ny fananan’olom-bitsy, na fananam-pianakaviana, na fikambanm-barotra , ka izay mahafinaritra sy mampifalifaly ny mpikambana no atao ; tsy hay intsony ny manavaka ny mino kristiana amin’ny tsy mino. Ireo izay nantenaina sy noheverina fa efa nandray ny Tompo ka hijoro ho vavolombelony dia nandiso fanantenana, tsy araka izay nandrasana taminy no hita ; ny fomba amam-panao sy amam-piainan’ny olon’izao tontolo izao no iainany sy akamamiany (fieremana, fimamoana, fijangajangana, fanompoan-tsampy, famadihan-drazana). Raha jerena dia fiangonana tsara fihavanana amin’ny fiaraha-monina misy azy, tsy mba voatohitohina na voaelingelina. Amin’ny lafiny rehetra dia manana ny rafitra sy izay ahazoana miantso azy ho fiangonana izy. Kanefa zavatra iray loha no tsy ananany dia ny aina ; hoy ny Salamo hoe : « nomeny azy nilainy, kanefa nampahiahiaziny kosa izy »( Salamo 106 :15).Izany hoe ny fiainanm-panahy, ny aim-panahy dia mitsilopilopy ary ahiana ho fongana sy maty mihitsy aza.Na efa maty mihitsy aza, araka izay voalaza hoe :manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. Poak’aty tsy misy na inona na inona maha fiangonana sy maha kristiana azy ny zava-niseho tao Sardisy ; tsy nahatanteraka ny asa napetrak’Andriamanitra taminy amin’ny maha-fiangonana azy izy. Tsy ankasitrahan’i Kristy ny tahaka izany. Nefa koa tsy avelany ho foana tanteraka ny fiainanm-panahy, ny aim-panahy, ny afom-panahy ao amin’ny fiangonany ka mahatonga Azy mitondra fanaraina sy fananarana ary fampieritreretana tahaka izao : « mifohàza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty.miambèna ry fiangonana.tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry »(Efesiana 5 :14-15). Fa raha tsy mifoha sy miambina ary mahonon-tena ny fiangonana dia potika sy ho ravan’ny fahavalo, izay efa mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ( I PETERA 5 :8 ). Ry fiangonana fito ato amin’ny Faritany Afovoany Atsinana, hoy ny Teny Fanevan’izao Zaikabe-paritany izao manao hoe : « Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina »( Salamo 133 :1). Teny milaza sy manambara fihavanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina izany. Ny fiangonana dia fiombonan’ny vita fihavanana amin’Andriamanitra noho ny fitiavan’I Jesoa Kristy azy mba hanana firaisana tanteraka Aminy sy fiainana ao Aminy. Noho izany, aoka hariantsika ny toetra taloha izay tsy nanomezantsika voninahitra ny Tompo sy ny Lohan’ny Fiangonana, fa aoka kosa hilofosantsika ny fameloma-maso sy famirapiratana ny Anarana nomen’Andriamanitra antsika ho fiangonana vavolombelona, andry sy fiorenan’ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Hifanome sy hifanolotra tanana isika amin’ny fanatanerahana ny adidy sy andraikitra niantsoana sy nifidianana ary nanokanan’I Kristy antsika ka anirahany antsika tsirairay avy. Izay manna-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.Amena