ALAHADY FAHATELO AMIN’NY KAREMY

Eksodosy 17 :1-7 ; Rom 5 :1-8 ; Jaona 4 :5-42

« Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe :Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy ka nomeny rano velona »( Jaona 4 :10).

Ny rano dia manana anjara toerana lehibe sy sarobidy eo amin’ny fiainan’ny zava-boahary ; anankiray amin’ireny zava-boahary ireny ny olombelona. Fototr’aina eo aminy ny rano, na maina andro, na avy orana, dia mila rano ny olona anala hetaheta azy, isasany sy analany ny loto amin’ny tenany ; eny fa na dia eo am-bavahaonan’ny fahafatesana aza izy dia mitady rano hanamandina ny tendany. Tsy afaka misaraka amin’ny fiainan’ny olombelona ny rano, na ho an’ny nofony, na ho an’ny fanahiny dia mifanindra-dàlana aminy hatrany io rano io. Ny foto-pinoanantsika dia manambara fa Jesoa Kristy dia Andriamanitra Marina avy amin’Andriamanitra Marina. Tsy nofikiriny mafy anefa io maha-Andriamanitra Azy io, fa nofoanany tamin’ny nitafiany ny nofo aman-drà ka nanekeny hanam-pitoviana amin’ny olombelona mpanota mba hamonjeny azy. Sasatra, noana, nangetaheta, nitady rano Jesoa ka nanatona ny fatsakana ; nangataka rano hosotroina tamin’ny vehivavy samaritana anankiray. Ny hasasarana, ny hanoanana,ny hetaheta dia mampiseho ny maha olona an’i Jesoa, tsy misy maha samihafa Azy amin’ny olona rehetra. Ny olona nangatahany rano anefa no manindraindra avy hatrany ny fahasamihafana, manangana efitra mampisaraka azy amin’i Jesoa ; hoy ilay vehivavy samaritana taminy : « Nahoana Ianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana ? »( Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana). Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : « Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona »(Jaona 4 :10). Mahagaga ny toetran’i Jesoa ry havana ! 1°- Tsy hiresaka ny fahasamihafana sy ny tsy fifanarahana eo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana no anton-diany nahatonga an’i Jesoa teo am-patsakana, fa ny ilaza amin-dravehivavy ny fanomezan’Andriamanitra ; fanomezana ny fiainana vaovao izay nomen’ny Tompo anarana hoe rano velona, izay tsy misy afa-tsy Izy irery ihany no afaka manome izany ( Apok 21:6) 2°- Noho izany dia tsy nahoany ny hasasarany sy ny hanoanany ary ny hetahetany, fa ny ahazoany manome rano mahavelona ho an’ity vehivavy mpanota ity no nimasoany.Nefa tsy azon-dravehivavy izay lazain’ny tenin’i Jesoa. Noheverin’ny sainy fa rano tovozina ao am-patsakana angamba izany ka nahatonga azy hiteny hoe : « Ianao ve afaka hanome rano velona tsara kokoa noho izay tovozina eto amin’ity fatsakana namboarin’I Jakoba razantsika ity ? ». Ny fieritreretana ny zavatra ilain’ny nofo no tao an-tsainy, fa tsy takany ny zava-panahy ; tsy tao aminy ny hetaheta-panahy. Koa tsy maintsy nataon’I Jesoa izay hampangetaheta azy ilay tena rano velona : « Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay (Jn 4:14). Tsy misy miafina amin’I Jesoa fa miharihary eo anatrehany ny faharatsian’ity olona manoloana Azy ity :mpanota matevi-koditra hoy ny fitenenana, tena vehivavy janga tokoa. Fantatry ny Tompo fa miaina sy milona ao amin’ny fahotana ; ny hamonjy sy hanafaka ny olona amin’ny ota mamatotra azy tahaka izao no nahatongavan’I Jesoa ; koa nanao izay ampahiratra ny masom-panahiny Izy, na dia niezaka namadika resaka aza ravehivavy. Rehefa voatsindron’ny tenin’I Jesoa ny fieritreretany, ka nihanjahanja ny fahotany, dia tonga maminy ny teny fiainana nambaran’I Jesoa taminy.Velona sy mahery tokoa ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainanny fo.Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika(Heb 4:12-13). Taitra sady faly ravehivavy ka nihazakazaka tany an-tanàna hiantso ny namany mba hiaraka aminy hihaona amin’ny Mesia na ny Mpamonjy. Tantara iray mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra ny olona na dia mpanota aza izy, ity tantarain’ny Filazantsara ity. Efa hatramin’ny ela Andriamanitra no nizara ny fitiavany ny olona ; Fantatr’Andriamanitra ny fahadisoan’ny Zanak’Israely nefa namindrany fo ; na dia naka fanahy Azy azan y olona , dia nomeny rano hanala ny hetahetany raha tany an’efitra izy ireo.( Eks 17:1-7). « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika i Kristy »( Rom 5:8) Ry havako malala, ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika izao, fotoana natao indrindra handinihan-tena eo anatrehan’Andriamanitra. Nisy ny fotoana izay nanandramana izay mety mahatony ny filan’ny fo ; nivezivezy tetsy sy teroa nefa tsy nahita izay nahafa-po ; aza kivy na ketraka fa tia anao Jesoa ; tsy misy miafina Aminy fa hitany avokoa ny toetratsika rehetra. Toy ny nataony tamin’ilay vehivavy samaritana, na dia ratsy indrindra aza ianao, dia tsy mba ny hitsara sy hanary anao no sitrak’I Jesoa, fa ny hanome anao ny rano velona. Ny niharetany ny fijaliana sy ny fahafatesana teo ambony hazo fijaliana dia fanamarinana anao sy ny hananao fihavanana amin’Andriamanitra. Koa aza menatra ny mitondra ny fahadisoanao sy mihaiky ny fahotanao eo anatrehany, fa tsy avy iantso ny marina Jesoa, fa ny mpanota hibebaka. Mamy dia mamin’ny Tompo ny fibebahan’ny mpanota ; aza avilivily ny resaka atao Aminy fa tonga dia izay mamesatra ny fo sy ny fanahinao ambara Azy. Miantso anao Izy : « Avia, aoka izay mahare hanao hoe :Avia, aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina »( Apok 22:17).