Perikopa : Isaia 2:1-5 ; Romana 13:8-14 ; Matio 24:23-51

" Miambèna...miomàna ianareo , fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona... "(Matio 24:44).

Fisaorana sy fiderana ary fankalazana an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina no entintsika manomboka ny taom-piangonana vaovao, izay misokatra amin’izao Alahady voalohany amin’ny Advento izao.

Ny Advento dia fotoam-piandrasana mahafaly sy fiomanana ; ka omanina ny fo amam-panahy amin’ny fahatsiarovana ny fahatongavan’Ilay Teny ho nofo ka nonina tamintsika ; omanina koa ny fo amam-panahy ho vonona mandrakariva handray am-paha-mendrehana ny fihavian’ny Tompo Jesoa indray amin-kery sy voninahitra lehibe amin’ny ora tsy ampoizina. Mila miambina sy miomana mandrakariva isika, mba ho vonona amin’ny fitsenana ny Tompo, satria tsy misy olona na dia iray aza mahalala ny fotoana hisehon’izany andro izany. Tsy manampo na inona na inona ny olon’izao tontolo izao, tahaka ny tamin’ny andron’I Noa, fa variana sy renoky ny fitadiavana ny zavatra momba ity fiainana an-tany ity. Fanoharana roa no entin’ny Tompo mampiseho ny fahatampohan’ny fihaviany indray. Hisy roa lahy hiara-hiasa any an-tsaha, ny anankiray horaisina, ny anankiray havela ; hisy roa vavy manodidina ny fikoseham-bary, ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.... " Miambèna....miomàna ianareo.... " Fiambènana sy fiomanana manao ahoana no takiana sy handrasana amintsika ? 1° " Aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah "( Isaia 2 :5) Ny tenin’Isaia Mpaminany dia manambara fa misy fomba ratsy narahan’ny olona ka nanalavirany an’Andriamanitra tao : ny fireharehana, ny fiavonavonan’ny zanak’olombelona, ny fandrafiana an’Ilay Tompon’ny maro, izay hita teo amin’ny fiainan’ny firenen’ny taranak’I Jakoba. Amin’izao vanin’andro iainantsika izao, dia mbola mitoetra sy mitohy ireo toe-javatra ireo eo amin’ny zanak’olombelona manontolo sy amin’ny ankapobeny.Ny fanompoan-tsampy, ny lainga, ny halatra, ny fijangajangana, ny famonoan’olona dia mameno ny fo sy ny fiainan’ny olona. Raha mandinika ny toetry ny olona sasany isika dia maro no matoky ny heriny na ny voninahiny na ny fahefany, na ny vola aman-karenany ka sahy manao an’Andriamanitra ho tsy misy. Ny fankamamiana sy ny fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo, ny tsi-fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra no mahazo laka sy manjaka amin’ny olon’izao tontolo izao. Eo andanin’izany, mikely aina ny devoly sy ny mpanompony mandringana sy mandrava ny fiangonan’Andriamanitra sy ny fivavahana kristiana. Fetsifetseny amin’ny fahaizana sy ny fahendrena ary ny fanaovana fahagagana mahatalanjona ny olona rehetra dia rendrika sy jamba ary voafitaka. Efa tonga tamin’izao tontolo izao ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra. Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa mampalahelo fa izao tontolo izao tsy nahalala sy tsy nandray Azy ( Jaona 1:9-11). Naleon’ny olona ny asan’ny Maizina no noraisina sy narahana.Noho izany, dia miantso antsika eto amin’ity perikopa ity ny Soratra Masina manao hoe : " aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah Andriamanitsika "(Isaia 2 :5). Tsy misy maizina akory ao Aminy. Raha milaza mantsy isika fa kristiana manana firaisana amin’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, nefa mandeha amin’ny fanaon’izao tontolo izao sy ny fomban’ny maizina, na manao ny asany, dia mpandainga ary ny marina tsy ao anatintsika. Ry havana, hevero sy diniho tsara ny maha-zava-dehibe ny fihavian’I Jesoa Kristy indray. Tsy azotsika atao tsinontsinona izany, fa samy tsy maintsy mihaona Aminy isika rehetra, na meloka na marina. Efa tonga indray mandeha Izy tamin’ny fahalemena sy ny fanetren-tena ary ny fanoloran-tena hatramin’ny fahafatesana, nahazoany namonjy antsika ; kanefa raha tsy ekentsika izany famonjeny antsika izany fa manary Ilay nanolotra ny ainy ho antsika isika, dia ataontsika ahoana ny hihaona Aminy raha miseho amin-kery sy voninahitra lehibe Izy ? 2° " Koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina, ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava "(Rom 13 :12). Ny olona mandeha amin’ny fahazavan’Andriamanitra, dia olona manana firaisana Aminy ary ny Ran’I Jesoa Zanany no nanadio azy ho afaka amin’ny ota rehetra. Izany hoe efa nateraka indray ka tonga olom-baovao, niova toe-piaina iposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana. Noho izany no ilazan’ny Apostoly Paoly hoe : " aoka hariantsika ny asan’ny maizina, ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava ". Ny asan’ny maizina lazaina eto dia mitovy amin’ny hoe asan’ny nofo ( Gal 5:19), izay efa voatenintsika tetsy ambony, dia ny fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fandrafiana, izay samy helohin’ny fahatezeran’Andriamanitra. Isika kristiana dia hitafy ny fiadiana mazavan’Andriamanitra, mba hahazoantsika hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly ( Efesiana 6:11). Ny fiainana kristiana dia azo lazaina hoe fanovana fitafiana lalandava. Nanomboka tamin’ny nanaovana batisa antsika izany. Satria na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’I Kristy dia nitafy an’I Kristy, Ilay Mazava . Tsy maintsy hesorina ny fitafiana tonta miaraka amin’ny toetra ratsy fahiny ka havelan’ny kristiana izay rehetra momba ny tena taloha. Tsy maintsy mitafy ny fitafian’ny tena vaovao, dia ny fitafian’ny olom-baovao izy. Raha niaina tao amin’ny nofo isika teo aloha, izany hoe nanaraka ny fomba sy ny fanaon’ny nofo ; ankehitriny kosa isika efa ao amin’I Kristy ny fiainantsika, koa aoka hitondra tena tsara mifanaraka amin’ny fiainana vaovao nametrahana antsika isika. Ry havana, fantatsika fa andro be fandrosoana sy fiovana izao androtsika izao. Maro ny olona no efa niala tamin’ny finoana sy ny fivavahana amin’Andriamanitra Ray,Zanaka ary Fanahy Masina ; fa ny zavatra nataon’ny tanan’olombelona no hamasininy sy hajainy ary atsangany ho Andriamanitra. Ny herin’ny maizina koa dia miomna fatratra ho amin’ny ady handroaka Ilay Masin’Andriamanitra sy ny voahosony.. Ry mino an’I Kristy, miandràndrà fa akaiky ny maraina ! Esory ny toetra maizina, ario ny asan’ny nofo. Sikino fahamarinana sy fahamasinana ny valahanareo, fa akaiky Ilay Mpanavotra anareo. Miarèta tory, miambèna, miomàna ianareo ; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona ; miandràndrà, asandrato ny lohanareo fa ho avy faingana ny Mpanjakan’ny voninahitra. Amena.