Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Bobigny, faha 18 febroary 2004

Ampitomboina mandrakariva aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Vita soa aman-tsara tao amin’ny 47, rue de Clichy tamin’ny faha 7 febroary teo ny semineran’ny FMM notarihin’ny Filoha Synodaly Dr Jean Ravalitera nandinika ny amin’ny Batisa FPMA araka ny maha "Fiombonana manao asa misiona" azy.

Ny Filoham-boninahitry ny FPMA Dr Péri Rasolondraibe no nitondra ny famelabelarana. Indro atolotra eto ny famintinana ny dinidinika sy ny fanontaniana tsy maintsy ho valian-tsika hampijoroana izany Batisa FPMA izany.


Zavatra telo loha no velabelarina eto, dia ny Batisa FPMA araka ny foto-pinoana voalazan’ny lalam-panorenany, ny fampianaran’ny FPMA momba ny Batisa araka ny firehana teolojikany, ary ny ritoaly mifanaraka amin’izany.

1. Ny Batisa araka ny foto-pinoan’ny FPMA (Confession d’Augsburg (CA) sy Confession La Rochelle (CR, Calvin))

1.1. Ny Batisa araka ireo Confessions roa ireo : Samy hafa ireto confessions roa ireto nefa mifameno tsara.

(1) Ny ifandraisany :
* Ny Batisa dia asan’Andriamanitra fa tsy asan’olombelona. Tsy azo sarahina amin’ny Batisa ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy amin’ny halalany (CR, 34).

* Atao indray mandeha ihany ny Batisa nefa ny soa raisina avy aminy dia maharitra ho an’ny fiainana sy ny fahafatesana. Ny Adama ela sy ny ota momba azy dia tsy maintsy vonoina amin’ny neniny isan’andro fa mba hitsangana isan’andro kosa ny olombaovao (Lotera). Sakramentan’ny finoana sy ny fibebahana ny Batisa ary ny Fanahy eo amin’ny Batisa dia manavao ny mino sy mitarika azy amin’ny fianam-baovao (CR). * Ny Fanahy Masina dia miasa mandritra ny Batisa sy manaraka ny Batisa ho amin’ny fiainam-baovao. Azo atao koa ny manao fa ny Fanahy dia miasa mialoha ny Batisa miaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra miteraka finoana ao amin’ny olona handraisana ny fanomezan’ny Batisa.

* Atao batisa ihany koa zaza araka ny didin’i Kristy. Ny finoana eo amin’ny batisa dia tsy fahalalana sady tsy asa na fahaizana andraisana tambiny avy amin’Andriamanitra fa fatokiana sy fiankinana tanteraka, mandray ny fahasoavan’Andriamanitra.

(2) Ny mampiavaka azy :
* CA (art9) : Ny batisa dia ilaina amin’ny famonjena ; amin’ny alalany no anolorana fahasoavan’ Andriamanitra. (Lotera) Ny Batisa dia "fanasan’ny fiterahana indray avy amin’ny Fanahy Masina". Midina indray Andriamanitra manao famoronam-baovao toy ny nataon’ny Fanahy tamin’ny famoronana ka nampisy fiainana avy amin’ny rano, sy nampisaraka ny ranomasina mena (I Pet 3 : 20-21). Eo amin’ny Batisa, no andraisana famelan-keloka, sy fanavotana avy amin’ny fahotana, fahafatesana ary ny devoly, ary andovana fiainana mandrakiray (Titosy 3:5). Batisan’ny zaza : Mandova fahotana ary manota koa ny zaza ka mila famelankeloka sy asan’ny Fanahy Masina.
* CR (art35) : Ny Batisa dia vavolombelon’ny fananganan’Andriamanitra antsika ho zanany, fa natsofoka amin’ny Tenan’i Kristy isika, ka nosasany sy nodioviny tamin’ny rany ary nohavaoziny amin’ny Fanahiny. Atolotr’Andriamanitra miaraka amin’ny fanasana amin’ny rano ny fanasana sy fandiovan’ny Fanahy amin’ny Ran’i Kristy ka vita tombokase amin’izany ny fanamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy. Batisan’ny zaza : Ny Batisa dia fandraisan’Andriamanitra ny olona ho ao amin’ny Fanekem-pihavanana. Koa dia zon’ny zaza (zanaky ny mino) ny andraisany toerana sy iainany feno ao amin’ny Fanekem-pihavanana.

(3) Fanamarihana : Ny hoe "fahaterahana indray" (CA) sy hoe "fananganan’anaka" (CR) dia samy manondro ny fahatongavan’ny olona ho zanak’Andriamanitra, miantso hoe "Aba, Ray o !"
1.2. Ny Batisa araka ny famintinan-kevitra hita ao amin’ny BEM Ny BEM dia mifameno sy manazava bebe kokoa aza ny CR sy CA. Ny Batisa dia sakramentan’ny firaisana ; firaisana amin’i Kristy, firaisan’ny mino ary firaisan’ny Fiangonana. * Ny fampiraisana ny mino amin’i Kristy, dia fampiraisana amin’ny tantarany : ny fiainany, ny ministerany, ny fahafatesany, ny fitsanganany, ny fipetrahany eo ankavan’ny Ray, ny misionany ankehitriny ary ny fiverenany.
* Ny fampiraisana ny mino amin’ny tenan’i Kristy, dia fampidirana ny mino hiombona amin’ny vahoakan’i Kristy amin’ny maha communio sanctorum azy sy amin’ny maha fiangonana (tafo) eo amin’ny fiaraha-monina azy.

2. Ny Batisa sy ny Firehana Teolojikan’ny FPMA Ny Batisa amin’ny maha fampidirana ny olona ao amin’i Kristy sy ny tantarany azy dia manokatra fiombonana amin’ny Trinité ary mampivoitra indrindra ny firehana teolojikan’ny FPMA izany. Ny Trinité dia fiombonam-panirahana. Ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina dia mifaniraka sy mifanotrona amin’ny asa famoronana, fanavotana ary fanamasinana. Ny Batisa dia fanokanana ho amin’ny fandraisana anjara amin’ny missio dei. Miara-mipetraka amin’i Kristy any an-danitra anefa aloha izay vao mandeha sy mifahatra ny atao Batisa. Koa misy ireto fanamby ireto izay ilaina fidiana sy faritan-tsika FPMA araka izay avoitran’izany Firehana Teolojika sy Foto-pinoany voalaza rehetra izany : (1) Ny Batisa FPMA ve raisina ho causative sa cognitive ?

Ny fijery cognitive : ny famonjena vitan’i Kristy dia omena sy raisina amin’ny finoana ny teny torina. Koa tsy misy fanomezam-pamonjena manokana amin’ny sakramenta fa fanamafisana ny réalité izay efa misy izy. Ny Batisa dia tsy asan’Andriamanitra fa valintenin’ny mino, fanoavana. Batisan-jaza : satria tsy mbola afaka miaiky ny finoany ny zaza dia tsy azo atao batisa izy. Ny fijery causative : ny sakramenta dia endrika hita mason’ny fahasoavana tsy hita maso. Fanomezana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra avokoa na ny sakramenta, na ny zavatra atolony ao amin’izany sakramenta izany na ny finoana andraisana izany fanomezana izany.

Batisan-jaza : Satria ny finoana dia asan’ny Fanahy ao amin’ny olona dia tsy azo ferana ho ny olon-dehibe ihany no iasan’ny Fanahy. Finoana fa tsy fiekem-pinoana no takian’ny Batisa.

Ny fanambarana iombonana nataon’ny Reformés sy Loterana manerana an’i Europe tany Arnoldshain (1959) dia mandravona ireo fijery ireo : "Amin’ny alalan’ny teny torina sy ny fandroana amin’ny rano mifampitohy aminy, Andriamanitra dia manome toky izay rehetra atao batisa fa ho tonga zanak’Andriamanitra izy ireo ary dia omeny azy izany eo amin’ny Batisa."

Ny firehana teolojika FPMA, communion en mission, dia mitaky ny handraisana ny zaza ho isan’ny miombona tsy amin’ny Fiangonana ihany fa amin’ny Tenan’i Kristy sy ny Trinité koa. (2) Ny Batisan’ny Fanahy Masina, ny Katekomena/Konfirmasiona
- Inona no atao hoe Batisan’ny Fanahy Masina ?
- Moa ve ny Batisa izay atao eo amin’ny Fiangonantsika anomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ?
- Amin’ny anaran’i Jesosy ihany ve no anaovana Batisa, araka fanindrian’ny Fiangonana sasany azy ?
- Fametrahan-tanana ve no anehoana ny Batisa araka ny fomban’ny Fiangonana sasany ?
- Ahoana ny amin’ny fanolorana na fanehoan-jaza atao ho solon’ny Batisa ?

- Ny Katekomena/Konfirmasiona ve Fametrahan-tanana hanolorana ny Fanahy Masina sa lalana tsy maintsy idirana mankeo amin’ny latabatry ny Tompo ?

- Ny Katekomena/Konfirmasiona ve ho fanomanana ny olon’Andriamanitra handray sy hiaina feno ny maha isan’ny fanjaka-mpisorona azy, hirotsaka feno amin’ny antso-iraka teo amin’ny Batisa ? (3) Ny toerana anaovana ny Batisa sy izay azo atao batisa ? Ny fiangonana, dia manana anjara andraikitra amin’ny olona atao batisa sy ampiraisina aminy. Tokony hatao eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra hatrany ny Batisa, raha tsy noho ny fahamehana ihany, ary homena ivon-toerana eo amin’ny litorjia. Noho izany, afaka mijery na misivana izay olona atao batisa eo aminy ve ny Fiangonana ? (ohatra, vahiny mandalo, tsy mpiangona, ny zaza, firy taona, etc) (4) Iza no afaka manao Batisa ? Ny CR sy ny CA dia samy milaza fa ny mpitandrina/Pastora no voaantso marina (rite vocatus) ho amin’ny fanompoan’ny Teny sy nySakramenta raha tsy noho ny fahamehana ihany. Mety amintsika ve io hevitra io.


3. Ny ritoalin’ny Batisa

3.1. Araka ny BEM (V.20) dia misy farafahakelin-javatra tokony hatao mandritra ny Batisa. Fanambarana ny tenin’Andriamanitra mampanao ny Batisa, Fiantsoana ny Fanahy Masina, Fandavana ny ratsy, Fiekena ny finoana an’i Kristy sy ny Trinité, Fampiasana rano, Fanambarana fa tonga olombaovao, zanak’Andriamanitra, mpikambana amin’ny Fiangonana, voantso ho vavolombelon’ny Filazantsara, ilay natao batisa, (Amin’ny Fiangonana sasany) Fametrahana ny tombokasen’ny Fanahy Masina (mariky ny hazo fijaliana sy fametrahan-tanana) sy fandraisany ny Fanasan’ny Tompo.

Tsara jerena izany hanatsarana izay fomba mahazatra antsika. Tsy hita eo ohatra ny fanaovana batisa amin’ny anaran’Andriamanitra Trinité.

3.2. Fanao na fihetsika izay hampivoitra kokoa ny firehana teolojikan’ny FPMA

- Tokony hisy anjara fitenenana ataon’ny Fiangonana miaraka, sy teny ataon’ny mpiantoka, mandritra ny Batisa.
- Tokony aseho ny fiangonana ilay vao vita batisa ary ampahatsiahivina ny andraikitry ny Fiangonana aminy.
- Tolorana labozy mirehitra ilay natao batisa (raha zaza dia omena ny nitrotro azy) araka ny hoe : "Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanao, ..." Mat 5:16. ho fitaizana sy fampatsiahivana ny isaky ny tsingeritaonan’ny nanaovana batisa azy.

Eto am-pamaranana dia tiana ny milaza fa sitraky ny mpivory ny hitondra ireo fanontaniana ireo amin-tsika mpiara-miasa rehetra mba ho hevitry ny maro no ho ankatoavina raha mandrafitra izao firehana momba ny Batisa izao ny FPMA. Koa manainga anareo Ray aman-dreny ara-panahy rehetra izahay handefa ny hevitrareo aty amin’ny Biraon’ny FMM araka ireo fanontaniana napetraky ny fivoriana ireo mialohan’ny 20 mey 2004 fotoana ivorian’ny FMM manaraka.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ary ho an’ny FPMA manontolo ny fahasoavana sy ny fiadanana.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny FMM, Solo Andrianomenjanahary, Mpitandrina.