Ary hoy Jesoa : " Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony "(Lioka 23:34)

Teny voalohany nataon’i Jesoa Tompo tamin’ilay fotoana izay mangidy indrindra teo amin’ny fiainany, dia ny fotoana izay namatsihan’ny miaramila romana Azy teo amin’ny hazofijaliana ity teny ity. Fotoana izay niharetann’ny Tompo ny vesatrin’ny fahotan’izao tontolo izao, ny fahadisoana sy ny helotsika olombelona tsirairay avy teo anatrehan’Andriamanitra.
 Io teny io dia fampisehoana ny faratampon’ny fitiavan’Andriamanitra izay nanadino ny tenan’ny Zanaka Lahitokany tao anatin’ny fahoriana sy ny fijaliana mangirifiry , tsy hain’ny nofo ho zakaina mba hamonjena ny mpanota ary hampihavanana ny olona indray amin’Andriamanitra Mpahary azy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia Famelan-keloka sy fampihavanana no votoatin-kevitr’io teny io ; ary izany rahateo no lohahevitra lehibe voizin’ny lasim-piangonantsika eto amin’ny FPMA Melun tamin’ity faran’ny herinandro ity. " Mamelà ny helony,fa tsy fantany izay ataony ".
 Raha dinihina ny toe-java-miseho manodidina io teny io dia azo lazaina fa tena vavaka nasandratr’I Jesoa ho eo amin’Andriamanitra Rainy, nataony tsy ho an’ny miaramila romana izay nanatanteraka ny baiko nomen’ny lehibeny ihany, fa ho an’ny fahavalony , izay tena tompon’antoka sy tompon-kevitra ary fototry ny fijaliany. Tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovan’izy ireo izany, fa raha nahalala izy ireo dia tsy nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra ( Asa 3:17 ; I Kor 2:8).
 Nohon’ny fahotan’ny olombelona dia tapaka ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ; ary rava na tsy misy ny fihavanana eo amin’ny samy olona. Hita izany eo amin’ny fisian’ny korontana samihafa miseho eran-tany. Eo amin’ny fiainana andavanandro dia mitranga ny savoritaka sy fikotranana ary ny tabataba, na eo amin’ny mpifanolo-bodi-rindrina, na ao anatin’ny fianakaviana, eo amin’ny tokantrano, eo amin’ny mpivady, ny vinanto sy ny rafozana,ny zanaka sy ny ray aman-dreny ; ao amin’ny toeram-piasana :ny mpiara-miasa, ny mpampiasa sy ny mpiasa ; na any an-tsekoly, eo amin’ny mpiray kilasy, eo amin’ny mpampianatra sy ny ampianarina.
 Fomba fiteny, fanendrikendrehana, fanosoram-potaka, fanalambaraka, latsa, mahatonga ratra anaty sy alahelo no miseho sy mifamoivoy eo amin’ny mpiara-monina, mpiara-belona, mpiray finoana ka manimba sy mandrava ny fiainan’ny olona. Amin’ny maha-nofo ny tena hoy ny sasany dia mahatezitra sy manafintohina ireny ary mahatonga ny valifaty na famaliana bontana izay ataon’ny hafa amin’ny tena. Izao anefa, efa nihatra tamin’I Jesoa avokoa izany rehefa tonga nofo tety an-tany Izy.
 Tsy niseho ho matanjaka na ara-panahy be Izy, na dia Zanak’Andriamanitra aza ; fa tena nahatsapa izay tsapatsika olombelona mihitsy. Raha nosamborina izy, ka nentina ho tsaraina dia nataon’ny sasany fihomehezana, norabirabina ary nitenenana ratsy ( Lioka 22:63-65). Rehefa teo ambony hazofijaliana indray dia nolatsain’ny loholona , sy nihomehezan’ny miaramila.
 Nefa dia nandefitra Izy sady nampiseho fitiavana sy fangoraham-po ny olona mahantra fanahy, lavitra ny fahendren’Andriamanitra tahaka izany, nifona sy mamela ny helokin’ny mpanenjika , ny mpanaratsy, ny mpanao ratsy Azy. Notanterahan’I Jesoa marina amintsika eto ny teny nampianariny ny mpianany sy ny mpanara-dia Azy manao hoe : " manaova soa amin’izay manenjika anareo, mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo "( Lioka 6:27-28).
 Namela heloka sy nampihavana antsika Jesoa. Ny famelan-keloka sy ny fampihavanana dia efa vitan’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Ny fampihavanana ny olona sy Andriamanitra dia efa tanteraka, asehon’ny tanambokovoko izany ; ary tontosa koa ny fampifandraisan-tanana ny olombelona samy olombelona. Hoy ny Apostoly Paoly : " Kristy no fampihavanana, na ny ety ambonin’ny tany, na ny any an-danitra...tao amin’I Kristy no nampihavanana an’izao tontolo izao tamin’Andriamanitra "(Kol 1 :20 ; II Kor 5 :18-19).
 Koa aoka isika mpino, milaza tena ho kristiana, na izay rehetra mahatsiaro tena fa mandova ka mitondra ny Anaran’I Kristy hanahaka Azy amin’ny fanana toetra tsara tahaka Azy : mamela heloka sy mampihavana Ny hoe mamela heloka, dia manaiky ny iharan’ny fahatezerana, na ny ratra anaty vokatry ny nataon’ny hafa ary manapa-kevitra ny hanadino izany. Ny famelan-keloka dia fanadinoana, sy fikosehana madiodio ny pejy navalon’ny lasa ; tsy mitahiry na mitanisa na dia kely akory aza, ireo zavatra tsy nety izay nataon’ny olona tamin’ny tena tany aloha rehetra tany.
 Ka tsy tokony hitoetra ny hoe : mahay mamela helok’olona aho, fa tsy mahay manadino..Ny ezaka atao dia ny ahatanterahana izao teny izao : mahay mamela heloka aho, ary hiezaka hatrany ny hanadino( cf. Miovà ho amin’ny fanavaozana ny saina :RAVAOARIMANGA Faramalala V.). Tsy ny fihetseham-po no mibaiko fa ny Fanahy Masina no hampanjakaina sy avela hitarika amin’ny zavatra rehetra ho voninahitr’I Kristy, Ilay Fihavanantsika. Noho ny sorona na fanatitry ny tenan’I Kristy teo amin’ny hazofijaliana, dia nataon’Andriamanitra nihatra taminy ny vokatry ny fahotantsika.
 Isika dia voavela heloka sy voadio ary vita fampihavanana amin’Andriamanitra noho ny Ràny.Tsy misy intsony Jiosy na grika, na andevo na tsy andevo, fa tonga iray isika rehetra, tonga ankohonana tokana ao amin’Andriamanitra. Narodan’I Kristy ny efitry ny fisarahana sy ny fitsitokotokoana. " Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
 Mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao "(Matio 5:23-25).Ny fifandraisantsika aman’olona aloha no zava-dehibe amin’Andriamanitra ho harovantsika vao ny fanatitra atolotra ho Azy. Ny Ràn’I Jesoa Kristy nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana ka raisintsika eo amin’ny Fanasan’ny Tompo no tombokase manamarina sy manamarika ny Famelan-keloka sy Fampihavanana antsika. Koa aoka ho mendrika izany isika eo amin’ny fiainantsika mba ho vavolombelona fa efa afaka aretina sy efa nahazo fanasitranana tokoa isika. Amen.