Perikopa : Asa 5 : 27 - 42 ; Apokalypsa 5 ; Jaona 21 : 1 - 19

Hoy Jesoa tamin’i Petera : " Moa tia Ahy va ianao ?...Andraso sy fahano ary ny ondriko ! "( Jaona 21 : 15 - 17).

Raha niantso an’i Petera, ilay mpanarto , Jesoa teo am-piandohan’ny Asany, dia hoy Izy taminy : " Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy " ( Mat 4 :19 ; Marka 1 : 17 - 18 ; Lioka 1 :10).

Tato aoriana, rehefa nasehon’i Petera ny fanekem-pinoany fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia naorin’ny Tompo teo aminy ny fiangonany : " Ianao no Petera ( vato ), ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako " ( Matio 16 :18).

Eto amin’ity perikopa ity, fotoana fohy alohan’ny hiakarany any an-danitra, dia mitafa farany amin’ny Mpianany Jesoa, manome baiko sy adidy aman’ ndraikitra vaovao hafa koa ho an’i Petera, izay voalohany amin’ny Apostoly, ka hoy indrindra ny Tompo taminy : " Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ?...Andraso sy fahano ary ny ondriko ! "( Jaona 21 :15 - 17).

Teo amin’ny fifaneraseran’i Jesoa sy Petera dia fanintelony izao no manankina andraikitra lehibe eo amin’ny asa famonjena izao tontolo izao amin’i Petera ny Tompo. Iarahantsika mahalala fa nandà intelo ho tsy mahafantatra an’i Jesoa Petera raha voasambotra ny Tompo. Koa raha manontany ny Apostoly intelo kosa Jesoa eto, dia tiany ho fantatra marina hoe hatraiza ny fetran’ny fitiavan’i Petera Azy sy ny fanompoany Azy.Tsy miafina amin’i Jesoa ny fahalemen’ny fitiavan’i Petera Azy izay tsy mihoatra noho ny fitiavan’ny mpianatra sasany Azy, satria izy ireo tsy mba nandà ny Tompony. Na dia izany aza, manana fitiavana an’i Jesoa ao anatiny ihany Petera. Hoy izy raha namaly an’i Jesoa hoe : " Tompoko ! Ianao mahalala fa tia Anao aho ! " ( Jaona 21 :15).

Dia hoy Jesoa taminy : " Eny, raha tena tia Ahy marina ary ianao, dia andraso sy fahano ny ondriko. Manomboka izao dia porofoy Amiko amin’ny alalan’ny fanoavana sy ny fanekena Ahy ny fitiavanao Ahy. Izaho no Mpiandry Tsara. Tonga Aho nanolotra ny aiko hamonjy ny ondriko sy mba hananany fiainana mandrakizay. Koa ankiniko aminao ankehitriny ny ondriko. Fahano izy irieo ; ny very tadiavo, ny mania havereno amin’ny lala-marina, ny folaka hamahatrao, ny marary sitrano, ny maratra tsaboy ; karakarao sy kolokoloy izy ireo. Aoka ho fianarana tsara ho azy ireo ianao ; koa na ny ainao aza dia atolory ho azy. Satria efa navotako tamin’ny Rako, sy efa nataoko fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra ireo " ( I Petera 5 : 2- 3 ; Apok 5 : 9 - 10).Raha mandinika isika dia ahatsapa fa tsy nanontany an’i Petera afa-tsy ny fitiavana Azy Jesoa : " Moa tia Ahy va ianao ? ". Ny fitiavana an’i Jesoa Kristy no toetra tokana ilaina amin’ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra. Raha tsy eo ny fitiavana Azy, dia tsy afaka ny hitia ny ondriny velively isika ; rehefa tsy misy fitiavana ny ondriny koa dia mazava fa tsy mety ho mpiandry tsara mihitsy. Izay tsy tia an’i Jesoa, dia ataony ahoana moa no fitia ny olona ?.

Izay nambaran’i Jesoa tamin’i Petera teto, dia lazaina koa amin’ny Mpanompony rehetra mandraka ankehitriny : " Andraso sy fahano ny ondriko ! ". Nantsoina itandrina sy amahana ny ondrin’i Kristy isika ; indrindra fa isika izay manana andraikitra eo amin’ny fitantanana sy fitondrana ny Fiangonan’Andriamanitra ; na ny kristiana tsotra aza dia manana anjara asa amin’izany fitandremana sy famahanana ny ondrin’Andriamanitra izany. Azo atao tsara ny mamahana ny rahalahy sy anabavy amin’ny alalan’ny teny tsotra feno fampaherezana sy mamelombelona aim-panahy.
Raha fehezina dia tsy misy fanompoana azo atao ao amin’ny Fiangonana raha tsy misy ny fitiavana an’i Jesoa Kristy, Ilay Loha sy Tompon’ny Fiangonana. Izany hoe ny fitiavana an’i Kristy no fototry ny fanompoana rehetra tanterahana sy atao ao amin’ny fiangonana. Tsy fitadiavana laza, na filana voninahitra, tsy fitadiavana seza na vola aman-karena ny fanekena ho tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana fa fanompoana sy fanehoana ny fitiavana an’i Jesoa, Ilay Tompon’ny asa, Izay nanolotra ny ainy sy nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana ho fanamarinana sy fanavotana antsika.

" Ondriko "hoy Jesoa. Mazava izany teny izany. Tsy an’ny mpitandrina na an’ny diakona, fa an’i Jesoa Kristy ny ondry. Raha filohan’ny fiangonana, na filohan’ny sampana iray ianao, dia tsarovy sy tadidio fa an’i Jesoa ny kristiana ao amin’ny Fiangonana na sampana io fa tsy anao akory ; sady tsy ny sitraponao, na ny sitrapon’ny mpiangona, na ny sitrapon’ny mpikambana ao amin’ny sampana no hatao, fa ny sitrapon’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy irery ihany.Ny hany azo ataon’ny tompon’andraikitra : na mpitandrina izy , na diakona, na filohan’ny sampana samy hafa dia ny mamahana ny ondrin’i Jesoa Kristy irery ihany.

Diso isika raha mihevitra fa ny toritenin’ny mpitandrina isan’alahady ihany no asa famahanana ny ondry na ny kristiana. Amin’ny fotoana fanaovam-batisa dia misy izao teny izao : " ekenareo va ny hanatanterahan’ny Fiangonana amin’ity zaza ity ny fitaizana rehetra araka ny Filazantsara tokony hatao aminy... ". Izany fitaizana rehetra ataon’ny Fiangonana sy sampana ao aminy izany no famahanana tian’i Jesoa Kristy lazaina, ka ny mpitandrina sy ny diakona no tompon’andraikitra sy tompon’antoka voalohany.
Koa miantefa mivantana amin’ny Mpiandraikitra samihafa eo amin’ny Fiangonana ny eritreritra eo anatrehan’ny tenin’i Jesoa Kristy manao hoe : " Moa tia Ahy va ianao ?...Andraso sy fahano ary ny ondriko ! ". Manao ahoana ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy ? Mamela ny ondriny iahaka sa tena miandry sy mamahana azy ireo ? Isika mpitondra fiangonana isan’ambaratonga no mandresy lahatra haneken’ny olona ny Fahamarinana sy ny Fahamasinan’ny Filazantsaran’ny Famonjena ao amin’i Kristy, mampahery ny mino hanana zotom-po eo amin’ny asan’Andriamanitra, manome toky ny reraka, mampahery ny malemy finoana sy trotraky ny adin-tsaina amam-panahy, mananatra mafy ny olona manao ny tsy tokony hatao, ary mampianatra ny tsy ampy fahalalana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Tsy vitan’olo-tokana izany fa tsy maintsy ilana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana eo amin’ny samy mpanompon’Andriamanitra ( mpitandrina sy diakona), ary ny fifampiazarana andraikitra. Ilana koa ny fitondran’ny kristiana am-bavaka hatrany. Noho izany, ry mpitondra fiangonana malala, na mpitandrina ianao , na diakona, na filohan-tsampana, hoy ny Soratra Masina amintsika : " Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo ( araka an’Andriamanitra ) ; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy ; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry " ( I Petera 5 : 2 -3).