Perikopa : Asa 5 :12 - 26 ; Apokalypsa 1 : 9-20 ; Jaona 20 : 19- 31

" Fiadanana ho anareo ;tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa...na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany ; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany "(Jaona 20 : 21, 23). Jesoa Kristy Velona, efa nandresy ny fahafatesana no mihaona ka miteny amin’ny Mpianany, maniraka sady manome fahefana hamela heloka na tsia ! Eto no ahitana ny fahamarinana sy fahatanterahan’ny tenin’ilay zatovo niakanjo fotsy teo amin’ny fasana nilaza hoe : " mandehana, lazao amin’ny mpianany sy Petera, fa mialoha anareo ho any Galilia Jesoa ; any no hahitanareo Azy "( Marka 16 :7). Indro Jesoa mitsangana eo afovoan’ny Mpianany, mamangy ny olony sady mitondra fiadanana sy fifaliana ho azy, ary mampiseho ny holatry ny nanomboana Azy ( ny tanany sy ny lanivoany) mba hinoan’ny Mpianany fa velona tokoa Jesoa. Ireo holatry ny tànana sy ny lanivoan’i Jesoa ireo izay manambara ny fanavotana sy fanesorany ( na ny famelany) ny heloky ny maro ary ny fampihavanany ny olona tamin’Andriamanitra Rainy mba ahita fiadanana sy hanana ny fiainana mandrakizay. " Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa ! "(Jaona 20 :21). Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no fototry ny finoana kristiana. Mitaky asa izany finoana izany, ka ilaina indrindra ny fijoroana ho vavolombelona. Ny fanambarana sy ny fampielezana fa velona Jesoa Tompo, nandresy ny fahafatesana Izy, ary velona mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fiainan-tsi-hita, ny fitoriana ny famelan-keloka loharanon’ny fihavanana vaovao indray amin’Andriamanitra sy fandravana ny efitra mampisaraka eo amin’ny samy olona, no asa lehibe anirahan’i Jesoa Kristy Tompo ny Mpianany fahizay, ary mbola anirahany antsika Fiangonana sy Kristiana ankehitriny. Jesoa Kristy dia iraka avy amin’Andriamanitra Ray nanao ny asa famonjena antsika olombelona. Efa vita ny fanavotana ; nefa tsy misy famonjena azo atolotra raha tsy misy iraka avy amin’i Kristy hanambara sy ny hanolotra izany.Ny asa vitan’i Jesoa Kristy no tohizana sy iainan’ny Mpanara-dia Azy fa tsy hiasa ho an’ny tenany izy ireo akory. Koa raha ny asan’i Kristy ary no anirahana antsika kristiana, dia aoka ho ao amintsika ny saina mahay manetry tena sy tsy tia fireharehana amin’ny fanatanterahana izay asa iraka izany, satria Izy Izay Tompon’ny asa sady maniraka antsika , na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nifikitra mafy tamin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo. Izany hoe nanetry tena ho tonga manampitoviana amin’ny olona sy ny mpanompo Izy. Ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra araka ny anirahan’i Jesoa Kristy antsika anefa dia tsy afaka misaraka amin’ny fiharetana ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny fanenjehana tahaka izay efa nihatra tamin’i Kristy. Tsy mora ny lalana hizorana, fa tsy maintsy feno fitsapana sy fisedrana satria tsy ady amin’ny nofo aman-drà no hatrehana fa ady amin’ny fanahy maloto izay fahavalon’Andriamanitra. Nefa kosa ny fahaveloman’i Jesoa Kristy na ny fitsanganany tamin’ny maty dia fampaherezana lehibe ho an’ny Mpanompony.Rehefa latsa-paka tanteraka ao anatitsika ny finoana Azy, dia afaka mandeha amim-pahatoniana sy amim-pahatokiana isika !Homba sy hiaro antsika ary hitondra antsika ho mpandresy tahaka Azy Jesoa Kristy araka ny teniny hoe : " Izaho momba anao ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao " ( Asa 18 :10). Ny herin’Andriamanitra Izay maniraka, ny fahefany no hiakinantsika amin’ny fanantanterahana ny asa izay omeny antsika satria Izy no Tompon’ny asa. " Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo "( I Kor 15 :58). " Na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany ; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany "( Jaona 20 :23).Andraikitra lehibe sy mavesatra tokoa no apetraky ny Tompo amin’ny Mpianany sy ny Mpanompony. Asa goavana tsy azo hanaovana kinanga sy vazivazy satria iankinan’ny ho avy ara-panahin’ny olona. Olombelona meloka sy mpanota nefa koa efa nandray ny famelan-keloka sy ny fiadanan’Andriamanitra ary tarihin’ny Fanahy Masin’i Kristy no irahina hitondra sy hanome famelan-keloka ho an’ny hafa. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra fa ny famelan-keloka dia nataony ho an’ny olona rehetra( Asa 10 :34). Ary mila mifamela heloka noho izany ny samy olona, indrindra fa isika izay atao hoe kristiana mba tsy ampalahelo ny Fanahy Masina, Izay nanisiana tombo-kase antsika. " Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy "( Efesiana 4 : 31-32). Ny olona voavela heloka dia mahatsiaro ho afaka entana ka miramiran’endrika sy feno fifaliana lalandava. Avy ao anaty no ipoiran’izany ka manenika ny tena manontolo, hany ka mahatsiaro " sambatra " tokoa ny voavela heloka satria afa-patorana, tsy misy intsony izay manavesatra ny fo amam-panahiny ; ka hoy indrindra ny Mpanao Salamo hoe " Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany, sambatra izay tsy isain’i Jehovah heloka ! "( Salamo 32 :1). Vao maika mitombo fatratra ny fahasambarany rehefa mamela izay meloka taminy izy.Ary tsy vitan’izany fa miara-miangona sy miara-mivavaka ao am-piangonana mba hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny voavela heloka rehetra. Ny Fiangonana mantsy dia firaisan’ny nahazo famelan-keloka tamin’Andriamanitra ka miara-miasa hitaona ny mpanota rehetra mba hahazo famelan-keloka toa azy ireo koa.Ny Fiangonana no làlana sy toerana anehoan’Andriamanitra famelan-keloka amin’ny olona vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo ety an-tany. Eto ampamaranana, raha efa nandray ny famelan-keloka ianao, " aoka hanahaka an’Andriamanitra tahaka ny zanaka malala ; mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anao, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana,hamonjy anao "( Efesiana 5 :1,2). Amena.