« Nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga hiankohoka eo anatrehany” (Mat 2:2)

 

Amin’ity taona litorjika ity, alahady mifanarakaraka, no handrenesantsika ny textes avy ao amin’ny Filazantsaran’I Matio. Tsy ny Vaovao Mahafalin’I Jesoa Kristy ihany no ambarany,  fa manome fampianaram-pinoana ho an’ireo izay maka fotoana hisaintsainana ny asa sorany koa izy. Anio, ny famangian’ny magy avy any Atsinanana dia ahitana singa maromaro ho an’ny fisaintsainatsika Kristiana.

Ny fanolorana ny Tompo tao amin’ny Tempoly (Lio 2:22-40)

 

Raha ny fahitana azy, araka ny voalaza eto dia toy ny mahita fivoriam-pianakaviana, miaraka amin’ny zazakely, ny ray aman-dreniny ary ny raibe sy renibe anankiroa isika. Miampitampita sandry mitrotro ilay zaza ary mitolagaga sy talanjona manolona azy izay rehetra mitrotro azy.

Fa raha jerena akaiky kokoa izy ireo, dia hita fa ireo zokiolona anankiroa dia tsy raibe sy reniben’ilay zaza, ary tsy misy ifandraisana amin’ny fianakaviana mihitsy izy ireo. Saingy ilay zazakely no rohy mampifandray ireo olona rehetra ireo, ny marina kokoa dia Izy sy Andriamanitra no manao ny rohy. Tsy tao an-tokan-trano tsotra fa tao amin’ny fitoerana masina no niseho ny tantara – tao amin’ny Tempolin’I Jerosalema, izay nahatongavan’ny ray aman-drenin’ny zaza hanao fombafombam-pivavahana. Izany dia mahatonga antsika hieritreritra izay miseho eo amin’ny batisa, rehefa miaraka amin’ny olona hafa ivelan’ny fianakaviana, ao amin’ny vavaka sy amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ny fianakaviana iray.

“Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika” (Jao 1:14a)

 

Manana ny fomba mahatsikaiky hitantarany amintsika ny Noely na ny Krismasy ny Filazantsaran’I Jaona. Tsy mba misy tranon’omby (crèche), tsy mba misy kintana, tsy misy anjely, tsy misy mpiandry ondry, tsy misy zazakely, tsy misy reny. Fa fahitana goavana momba ny famoronana izao tontolo izao sy ny lahatrantsika ny olombelona. Fitantarana misy aina ahafahana mandrefy ny lozan’izao tontolo izao sy ny fitiavan’Andriamanitra. Ny lozan’izao tontolo izao  dia aseho amin’ny aizina, izay midika ho tsy fisian’ny fiainana, ny fahakiviana, ny fahotana. Ny fitiavan’Andriamanitra kosa dia aseho amin’ny alalan’ny hazavana, izay midika ho fahafenoan’ny fiainana.

« Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao » (Lio.1:35b)

 

Tao amin’ny vakiteny voalohany androany no nandrenesantsika fa nikasa te-hanao tempoly hitoeran’I Jehovah Davida: “Akory izato izaho mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny fiaran’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay” (2 Sam 7:2). Kanefa somary eo ambanimbany amin’ny teksa eo, dia hitantsika fa nolavin’Andriamanitra izany fikasany izany: “Ianao  va no hanao trano hitoerako?”… Tsy tian’Andriamanitra ny hohidiana ao amin’ny Tempoly vato. Te-hanome fitoerana raikitra an’Andriamanitra I Davida, toerana masina, kanefa ny tian’ny Tompo dia mifindrafindra toerana miaraka amin’ny olony, tiany ny hiaraka aminy any amin’izay rehetra misy azy na aiza na aiza.

"Amboary ny làlan'ny Tompo" (Mar 1 :1-8)

Ny teny anankitelo novakiana amin’izao alahady faharoan’ny advento izao dia manasa antsika mba hanamboatra ny fahatongavan’ny Tompo. Tsindrian’Isaia tsara “ny handravonana (aplanir) ny lalana, hanatotofana izay lavadavaka, ny hanitsiana izay miolakolaka( tortueux)”, Petera sy Jaona mpanao batisa kosa dia nanampy fa zava-dehibe ny “fiovam-pontsika” (il est important de convertir notre coeur). Tsy maintsy hatsaraina ny tranontsika mba handraisana ny Tompo.

Tsy nandeha tany an’efitra mba hipetraka amin’ny mangingina I Jaona. Niaina ny fiovam-po lalina izy tany ka nanasa ny hafa hanao toy izany koa. Fantany fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia afaka manova ny fiainantsika ary manome antsika indray fifaliana sy fanantenana.

“Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompo…” (Mar 13:33-35)

Amin'izao Alahady voalohany amin'ny Advento izao dia miditra amin'ny taona litorjika vaovao isika. Hitarika antsika mandrampahatongan’ny Krismasy izany mandritra ny herinandro maromaro. Avy eo isika dia hanaraka ny Tompo eo amin’ny dingana isan-karazany teo amin’ny fiainany niaraka tamin’ny vahoaka, ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Tsaroantsika fa ny teny hoe advento dia midika hoe fahatongavana. Ny advento, dia ny fotoana fahatongavan’ny Tompo. Kristiana isika, mieritreritra Krismasy isika rehetra. Hihira ny nahaterahan’I Mesia isika. Kihon-dàlana tena ilaina eo amin’ny tantaran’ny tontolo misy antsika izany. Ary amin’ity taona ity dia ny filazantsaran’I Marka no hanampy antsika handray Azy (Kristy)

“Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Mat 25:31-46)

 
Ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy no fampianarana farany indrindra mikasika ny fitsarana farany nataon’I Jesosy. Ity fahatongavan’I Kristy ity dia tsy toy ny fahatongavany tahaka izay tsaroantsika isaky ny Krismasy, fa eto dia Jesoa Kristy amin’ny fihaviany be voninahitra, izany hoe Jesosy mitafy ny fahefan’ny mpanjaka (seza fiandrianana) sy ny mpitsara; ireo asa ireo dia mahakasika ny olombelona rehetra (ireo firenena rehetra fa tsy ny vahoaka voafidy ihany), ary izany no ahitantsika ao amin’ny Ezek 34, ilay mpanjaka-mpiandry ondry hanangona ambonin’ny zava-drehetra ny ondriny (ny vahoakany).

« Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao » ( Mat 25 :21,23)

 

Ny fanoharana momba ny talenta dia mari-panajana ny fahafahan’ny olombelona. Ireo talenta ireo dia maneho ireo toetra manokana noraisintsika sy ireo andraikitra nankinina tamintsika: ny fianakaviantsika, ny mpifanolo-bodorindrina amintsika, ny olona miara-miaina amintsika, ny tontolontsika sy ny manodidina azy.

Matoky antsika sy miantehitra amintsika Andriamanitra. Mangataka antsika Izy ny mba hampiasantsika ireo fanomezam-pahasoavana voaraintsika mba hanatsarana, mba hanasoavana ny tontolo kelintsika. Tiany isika hamorona ary hasainy hiala amin’ny hakamoana, ny fahalainana sy ny fahalemena mba hanao zavatra tsara ho an’ny olona manodidina antsika. Hoy Izy amintsika amin’ity maraina ity: “Indreto ny fanomezako, indreto ny talentako ary ireo ny olona nankiniko taminao. Mandehana ampiasao aminy ireo ary manàna vokatra be.

Ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady (Mat 25 :10b)

 

Amin’ireo alahady farany amin’ny taona litorjika, ny Fiangonana dia manolotra antsika, an-dàlana avy ao amin’ny filazantsara, izay nanangonan’I Matio ny fampianaran’ny Tompo momba ny “fara-andro”: filazana ny faharavàn’ny Tempoly, fanasàna hiambina, ny mpanompo izay miandry ny tompony, ireo zatovovavy izay tokony hanotrona ny mpampakatra, ny fanoharana ny amin’ny talenta, ny fitsarana farany. Ampatsahivina fa taona vitsivitsy fotsiny taorian’ny fandravàna ny tanàna sy ny Tempoly tao Jerosalema no nanoratan’ny evanjelistra ny texte-ny. Izany dia naseho taminy ho toy ny famantarana mibaribary ny faran’izao tontolo izao izay hanjavona mandrakizay.

Ny filazantsara androany dia manambara amintsika ireo virijina hendry sy ireo virijina adala. Ny teny hoe “adala”(moraï), dia tsy midika tanteraka hoe olona tsy manan-tsaina, fa olona tsy mino an’Andriamanitra, olona tena adala  amin’ny fanoherana an’Andriamanitra. Ny Salamo 14:1 dia milaza amintsika hoe “Ny adala (môros) manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra”. Ao amin’ny filazantsara ny “môros” na ny adala dia “izay manorina ny tranony teo amin’ny fasika ka tsy nampihatra ny tenin’I Jesosy” (Mat 7:24)…Resaka fihetsika ara-panahy izany ilay hoe adala eto.

Ny fariseo sy ny  farisaisma na ny fihatsarambelatsihy ( Mat 23 :1-12)

 

Nandritra ny dimy herinandro izay no namelabelaran’I Matio ny adi-hevitra teo amin’I Jesosy sy ny fariseo: efa novakiantsika teto ny fanoharana momba ireo zanaka roa lahy ( dia ilay nanao “eny” fa tsy nanao na inona na inona sy ilay nanao “tsia” nefa namaly ny antson’ny Tompo). Taorian’izany dia efa rentsika koa ny amin’ireo mpiasa ny tanim-boaloboka mpamono olona, ny amin’ireo nasaina nefa samy nanao fialàna tamin’ny fampakaram-bady, ny resaka fandoavan-ketra ho an’I Kaisara. Ary vao tamin’ny Alahady teo, no nanontaniana an’I Jesosy momba izay lehibe amin’ny didy. Androany dia mandre an’I Jesosy izay mivazavaza amin-kery ny fariseo. Manameloka izay mety antsoina hoe: “fandrim-pahefana”(pièges de l’autorité)  Izy.

Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna ? (Mat 22:34)

 

Tsy nety sasatra nanenjika Azy ireo mpanohitra an’I Jesosy. Nitsikilo Azy mba hahafahany manome tsiny Azy izy rehetra, mitady izay hirika rehetra ahafahana manadiso an’I Jesosy: antoko politika, antokom-pivavahana, ny mpanora-dalàna sy ny fariseo! Tokony handoa hetra ho an’I Kaisara ve isika? Tokony hino ve isika famisy ny fitsanganana amin’ny maty? Inona no lehiba indrindra amin’ny didy?
Tsy avy amin’olona tso-po mikatsaka ny fahamarinana ny fanontaniana, fa avy aminà-olona te-hamandrika an’I Jesosy. “Ary ny anankiray tamin’ireo, nanontany naka fanahy Azy”, hoy ny texte: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?”

ALOAVY HO AN’I KAISARA, ARY IZAY AN’I KAISARA, ARY HO AN’ANDRAIAMANITRA IZAY AN’ANDRIAMANITRA (Mat 22 :15-21)

 

Any Jerosaleman’i Jodia no miseho ny tantara. Efa nampandoa hetra ny Jiosy ny mpanjana-tany romana hatramin’ny telopolo taona nanjanahany azy. Saro-pady ny firesahana izany ka mahatonga firehetam-po. Ny fariseo dia nitady izay fomba rehetra hanamelohana an’I Jesoa. Noho izany dia naniraka ny mpianany niaraka amin’ireo mpomba an’I Heroda, izany hoe: ireo naman’ny emperora, izy ireo, mba hanontany an’I Jesoa hoe: mety ve ny mandoa hetra ho an’I Kaisara (emperora) sa tsia?

Fandrika ilay fanontaniana. Raha hiteny Jesosy hoe: “mety”, dia midka izany fa mankasitraka ny fisian’ny mpanjanatany romana Izy. Ary dia ho tsaraina toy ny mpamadika, na mpiray tsikombakomba. Raha hiteny kosa Jesosy hoe “tsy mety”, dia mora fotsiny ny hanondroana Azy amin’ny mpitondra romana ho toy ny mpamporisika ny vahoaka hikomy. Na hanao “eny” na hanao “tsia” izany Jesoa dia “coïncé” foana!

FANOHARANA NY AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY (Mat 22:1-14)

 

Ny Filazantsara amin’ity Alahady ity dia mampiseho amintsika mpanjaka izay nankalaza ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. Tsy iza io mpanjaka io fa Andriamanitra. Manasa ny olompbelona rehetra amin’ny fakampakaram-bady ny Zanaka lahiny dia Jesosy Izy. Nirahin’ny Ray nananambady ny maha-olombelona antsika tamin’ny fahatongavany ho nofo Jesosy, Ary ny olona rehetra no tian’ny Ray handray soa sy hifaly amin’izany. Izany hoe ny olombelona rehetra no tian’Andriamanitra hangonina eo akaikiny. Tsy natokana ho an’ireo sangan’olona fotsiny ny fifalian’Andriamanitra. Tsy omena izay heverina ho mendrika ihany koa. Fa natao ho an’ny olona rehetra. Mazava tsara ireo tenin’I Jesosy: “Koa mankanesa ianareo any amin’ny sampanan-dàlana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady”(and 9)