ALAHADIN’NY SAMPANA SVK
Ny Sampana Vehivavy Kristianina eto Melun manasa anareo ny Alahady 13 Marsa, fotoana hankalazana ny andron'ny vehivavy eraan-tany. Mahafaly anay ny fahatongavanareo.
Fanompom-pivavahana 02/01/2022
Miarahaba antsika amin'ny anaran'ny Tompo, Handeha hisaotra sy hidera ny Tompo isika ny alahady faha 02 janoary amin'ny 10h30 Ho tafahaona soa, Manonona ny fiadanan'ny Tompo !
FANKALAZANA NY NOELY 25/12/2021
Hiaraka hankalaza ny Noely isika ny 25 desambra izay dia atao ao amin'ny EPUDF 8 Avenue Thiers Melun 77000 . Fanompom-pivavahana arahin'ny Fankalazan'ny SA ny nahaterahan'ny Mpamonjy. Tsy hisy ny fiaraha-misakafo noho hahamehana ara-pahasalamana. Koa dia maniry ny fahatongavantsika hiaraka hankalaza ny Noely.
Fisaorana tamin’ny fikarakanana ny fanokanana Diakona sy mpiandraikitra ary ny fanompom-pivavahana fankalazana ny faha 20 taona ny tafo
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo, Misaotra ny Tompo lehibe isika fa vita soamantsara ny fanompam-pivavahana fiderana an'Andriamanitra, natao hanokanana ireo Diakona, hametrahana ireo birao ny Sampana fito, ary natao hanokafana ny faha roa-polo Taona ny Tafo. Koa, Dera, Laza, no Atolotra Azy voalohany indrindra. Misaotra antsika rehetra ihany…
Fanompom-pivavahana 03/10/2021
FANASANA AVY AMIN'NY TAFO FPMA MELUN FAHA ROAPOLO TAONA SY FANOKANANA DIAKONA.Ho an’ny Filohan’ny FPMA, Rev Dr Seth RASOLONDRAIBE, Mpitandrina Synodaly.Ho an’ny Biarao Foibe FPMA, Ho an’ny Mpitandrina rehetra eto amin’ny FPMA,Ho an’ny Faritany FPMA enina, Ho an’ny Tafo FPMA sivy amby telopolo, Ho an’ny Fiaraha-Mivavaka FPMA, Ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra…
Fanompom-pivavahana 26/09/2021
Fanompom-pivavahana ny Alahady 26 Septembre 2021 manomboka amin'ny 10h30 . Toy ny mahazatra. Ny mpitandrina Marc RAKOTOARIMANGA no hitarika izany.