Lasim-piangonana 30/04-01/05
Faly miarahaba antsika mpianakavin'ny Finoana amin'ny anaran'ny Tompo,Am-pifaliana hatrany ry havana no hilazana antsika mpiara-dia ato amin'ny Tompo,fa hanantanteraka ny lasim-piangonana isika ny : Asabotsy 30 avril 2022/ 01 Mai 2022Ny loha hevitra amin'ny izany dia :Fiangonana miorina amin'ny fahalalana ny tenin'AndriamanitraNy tenin'ny Soratra Masina hitarihana ny Lasy dia :…
Fanompom-pivavahana 02/01/2022
Miarahaba antsika amin'ny anaran'ny Tompo, Handeha hisaotra sy hidera ny Tompo isika ny alahady faha 02 janoary amin'ny 10h30 Ho tafahaona soa, Manonona ny fiadanan'ny Tompo !
FANKALAZANA NY NOELY 25/12/2021
Hiaraka hankalaza ny Noely isika ny 25 desambra izay dia atao ao amin'ny EPUDF 8 Avenue Thiers Melun 77000 . Fanompom-pivavahana arahin'ny Fankalazan'ny SA ny nahaterahan'ny Mpamonjy. Tsy hisy ny fiaraha-misakafo noho hahamehana ara-pahasalamana. Koa dia maniry ny fahatongavantsika hiaraka hankalaza ny Noely.
Sary fahatsiarovana – Alahady 03 Oktobra 2021
Sary Fahatsiarovana ny fanokanana sy fandraisan-tanana ireo Diakona tamin'ny 3 Oktobra 2021.
Fisaorana tamin’ny fikarakanana ny fanokanana Diakona sy mpiandraikitra ary ny fanompom-pivavahana fankalazana ny faha 20 taona ny tafo
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo, Misaotra ny Tompo lehibe isika fa vita soamantsara ny fanompam-pivavahana fiderana an'Andriamanitra, natao hanokanana ireo Diakona, hametrahana ireo birao ny Sampana fito, ary natao hanokafana ny faha roa-polo Taona ny Tafo. Koa, Dera, Laza, no Atolotra Azy voalohany indrindra. Misaotra antsika rehetra ihany…
FIANTSOANA FIVORIANA NY ANTSO
Anio 14 septambra 2021 Faly miarahaba antsika amin’ny Anaran’ny Tompo, Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina fa voadidin'i Jehovah ho eo ny Fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay" Sal 133 : 1, 3b Asaina isika mpikambana rehetra ato amin’ny Antoko mpihira NY ANTSO hivory ny alahady 26 septambra…
Fanompom-pivavahana 03/10/2021
FANASANA AVY AMIN'NY TAFO FPMA MELUN FAHA ROAPOLO TAONA SY FANOKANANA DIAKONA.Ho an’ny Filohan’ny FPMA, Rev Dr Seth RASOLONDRAIBE, Mpitandrina Synodaly.Ho an’ny Biarao Foibe FPMA, Ho an’ny Mpitandrina rehetra eto amin’ny FPMA,Ho an’ny Faritany FPMA enina, Ho an’ny Tafo FPMA sivy amby telopolo, Ho an’ny Fiaraha-Mivavaka FPMA, Ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra…
FPMA MELUN est en ligne
Bienvenu sur le site de la Fpma Melun, le site est en construction et les contenus sont à venir.