Fanompom-pivavahana 03/10/2021

  • Post author:

FANASANA AVY AMIN’NY TAFO FPMA MELUN FAHA ROAPOLO TAONA SY FANOKANANA DIAKONA.
Ho an’ny Filohan’ny FPMA, Rev Dr Seth RASOLONDRAIBE, Mpitandrina Synodaly.
Ho an’ny Biarao Foibe FPMA,
Ho an’ny Mpitandrina rehetra eto amin’ny FPMA,
Ho an’ny Faritany FPMA enina,
Ho an’ny Tafo FPMA sivy amby telopolo,
Ho an’ny Fiaraha-Mivavaka FPMA,
Ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Ry hava-malala ao amin’ny Tompo,

Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitahian’ny Tompo dia mankalaza ny faha- roapolo taonany ny Tafo FPMA Melun amin’ny ity taona ity.
“Lehibe ny asan’I Jehovah, Ka dinihin’izay rehetra mankasitraka Azy”
Salamo 111 – 2
Izany tenin’Andriamanitra izany no ho entinay hisaorana ny Tompo mandritra ny taom-pankalazana.
Koa ho fanokafana izany vanim-potoana izany, dia hasaina am-pitiavana isika vahoaka’Andriamanitra eto amin’ny FPMA, hiaraka hanome voninahitra an’Andriamanitra ny : Alahady faha 03 Oktobra 2021 Amin’ny 10 ora maraina Ao amin’ny Fiangonana Adventiste 69, Avenue du Maréchal Foch 77 190 Dammarie Les Lys Io ihany koa no fotoana hanokanana ireo Diakona sy Mpiandraikitra vaovao voafidy, hiasa mandritra ny roa taona ho avy. Zava-dehibe ho anay ny fahatongavanareo, koa dia manao ny mandra-pihaona izahay.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, ary ny fahasoavana sy ny fiadanana anie ho an’ny isam-batan’olona. Amin’ny anaran’ny Fiangonana Tafo FPMA Melun

Laisser un commentaire