FIANTSOANA FIVORIANA NY ANTSO

Anio 14 septambra 2021  

Faly miarahaba antsika amin’ny Anaran’ny Tompo,  

Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina fa voadidin’i  Jehovah ho eo ny Fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay » Sal 133 : 1, 3b 

Asaina isika mpikambana rehetra ato amin’ny Antoko mpihira NY ANTSO hivory ny alahady 26  septambra 2021 aorian’ny fotoam-pivavahana, hiara-midinika ny soritr’asan’ny Sampana.  Ny toerana dia ao ambany rihan’ny Eglise adventiste – Dammarie-Lès-Lys.  

Toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany:  

– Fiaraha-misakafo. Koa samy hivimibina sakafo sy zava-pisotro izay hifampizarantsika,  fitaovana (sotro, vilia, vera) isika mpikambana;  

– Fampianarana hataon’ny ray aman-dreny mpitandrina;  

– Fivoriana.  

Afaka miaraka misakafo amintsika sy mihaino ny fampianarana ireo vady aman-janaka.  

Zava-dehibe ho fampandrosoana ny Sampana no hodinihana, afahantsika manatanteraka ny asa  napetraky ny Tompo amintsika. Koa miangavy ny Birao mba hanatrika ny fivoriana isika izay mbola  mikasa hiara-midera ny Tompo ato amin’ny sampana Antoko mpihira Ny Antso.  

Raha sanatria misy antony tsy afahana manatrika mivantana ny fivoriana, dia afaka miditra amin’ny  lien zoom amin’ny 15H30:  

https://us02web.zoom.us/j/3553893563

 01.70.95.03 50  

 ID de réunion : 355 389 3563#  

Mitrotro am-bavaka ny fotoana isika.  

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo.  

Ny Birao AMF NY ANTSO

Laisser un commentaire