Faly miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo,
Misaotra ny Tompo lehibe isika fa vita soamantsara ny fanompam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra, natao hanokanana ireo Diakona, hametrahana ireo birao ny Sampana fito, ary natao hanokafana ny faha roa-polo Taona ny Tafo. Koa, Dera, Laza, no Atolotra Azy voalohany indrindra.
Misaotra antsika rehetra ihany koa, niara-nahafotsy, naha-masaka izany. Nanao soroka miara-milanja sy Tongotra miara-mamindra tokoa isika ho fanantanterahana ny asa rehetra.
Manolotra etoana ny fisaorana antsika mpianakavy ny finoana eto Melun. Mankasitraka tompoko amin’ny asa vita rehetra.
Mamèlà ahy ianareo hitanisa ireo asa maro natrehana, ary lavorary nohon’ny Fitahian’ilay Tompo tsitoha, ary ialako tsiny sahady raha misy latsaka:
- Misaotra ny Ray aman-dreny Mpitandrina, nahafoy fotoana teo amin’ny Fampianarana anay Diakona
- Misaotra ny secretaire roa t@ fikarakarana ny Certificats, livrets, programa
- Misaotra anareo Diakona tamin’ny fikarakarana ny latabatra masina, fandaharana ny fizotran’ny rakitra manodidina sy ny tatazana
- Misaotra ny Vaomiera ara-panahy tamin’ny fanendrena ireo tompon’anjara rehetra ( Diakona ….. fandraisana ny olona eo am-baravarana mandritra ny fotoana)
- Misaotra ny Teknisiana nikarakara ny fampitana ny fanopoam-pivavahana rehetra tamin’ny oronan-tsary (ambony rihana, ambany rihana)
- Misaotra ny ao amin’ny Vaomiera Logistika sy ny SLK, tamin’ny fitanterana ireo seza miaraka tamin’ny Camion
- Misaotra ny SVK sy ny STK tamin’ny Fikarakarana ny Mofo mamy (fanapahan izany sy fizarana izany).
- Misaotra ny Vaomiera Enti-manana t@ fanampiana ahazahoana ny seza, ary ihany koa ny fikarakarana ny « boisson et vienoiserie » d’accueil
- Misaotra anareo Mpiangona, tamin’ny Fandraisana ireo vahiny teo am-baravarana
- Misaotra anareo antoko-pihira tamin’ny fanantanterahanareo ireo hira roa nandritra ny Litorjia
- Misaotra anareo Mpitendry Mozika tamin’ny itendrena ireo hira rehetra ( hira ny fandaharana, Diakona, ary Chorale)
- Misaotra ny ireo ankizy ny sampana Sekoly alahady, tamin’ny fanampiana hatramin’ny Sabotsy hariva ka hatramin’ny ny alahady, teo amin’ny fitanterana ireo entana, sy fametrahana ny seza
- Farany nefa tsy ny kely indrindra, misaotra ny sampana Fifohazana tsy nitsahatra nitondra am-bavaka izany fotoana izany (nandritra ny atalata maro teo amin’ny Fotoam-bavaka)
Misaotra ihany koa anareo izay tsy afaka nanantanteraka izany, nohon’ny antony maro samihafa, nefa dia nitondra am-bavaka hatrany ny Asa sy ny Fotoana natrehan’ny Fiangonana.
Nasehon-tsika tokoa ry havana ny teny voasoratra ao amin’ny Romana 12 (10-11) : » Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompona ny Tompo ».
Ny Fanahy Masina anie hitarika antsika hatrany, ka hampitombo ny FITIAVANA ato amin’ny Fiangonana satria io no lehibe indrindra (1 Kor, 13.13b).
Ny asa vita sy izay mbola ho hatao anie dia ho voninahitry ny Tompo irery ihany, ary ny fahasoavana sy ny fiandanana kosa ho antsika tsirairay avy.
Mirary soa indrindra ho anareo sy ny ankohonanareo.
Pastera Marc RAKOTOARIMANGA
Lalao RAZAFIMANDIMBY