Toriteny an-kira krismasy 2016
Fitsangatsangànana famaranana ny taona 14/07/2017
Fandraisana anjara tamin'ny Protestants en fête Bercy 29 sep 2013
Toriteny an-kira krismasy 2016
Toriteny an-kira Paska 2017
Antoko Mpihira miaraka amin'ny sampana zavamaneno
Choeuruni 2018 - Toulouse

Tsaroanao va re, ‘Lay tena fitia
Fa Jesoa Tompo lehibe efa tonga taty
Hanafaka anao, hamela ny helokao
Hitondra fifaliana vao.


Koa asandrato re ny tsanta marobe
Ho fideràna, fanajàna ‘lay Mpanjaka soa.
Ny voninahitra, sy ny fisaorana
Omeo ny Ray sy Zanaka, Fanahy masina

Derao ny Tomponao hobio ankalazao
Hisaory ny Tsitoha ka mifalia tokoa.
Derao! Derao!

Ny voninahitra, sy ny fisaorana
Omeo ny Ray sy Zanaka, Fanahy masina
Ho mandrankizay
Ny fanjakàn’Andriamanitra
Ny saotra, dera, ny laza asandrato mandrankizay.

Attachments:
File
Download this file (TSAROANAO VA RE.pdf)TSAROANAO VA RE.pdf