Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika ( Mar 9:38-48)

Ny vakiteny androany dia manasa antsika ny mba hanajantsika ny asan’ireo tsy mpiray fikambanana na tsy mpiray fiangonana amintsika. Josoa dia nangataka an’I Mosesy mba hisakana an’I Eldada sy Medada noho izy ireo tsy mba niaraka tamin’ireo loholona nomena ny faminaniana teo amin’ny tranolay fa nijanona tao an-toby ihany. Hoy ny navalin’I Mosesy an’izany fangatahan’I Josoa izany: “Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’I Jehovah rehetra…!” (Nom 11:29). Tao amin’ny Filazantsara dia hoy I Jaona tamin’I Jesosy: “nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika” (and 38). Fa niteny azy Jesosy tsy handrara azy fa hamela azy hanao izany! Na Mosesy na Jesosy dia manentana ny mba hananana fandeferana sy fisokafana amin’ireo izay manana fasamihafana amintsika. Ity Alahady ity dia mitovy amin’ny ireo andro natokantsika ho an’ny ekiomenisma ka hanajana ny fahasamihafana.

 

« Iza no lehibe indrindra ? » Marka 9 : 30-37

Mbola manohy ny fanomanana ny mpianatra amin’ny ho fisehoan-javatra mahatsiravina izay miandry azy Jesosy. Raha tsy mahazo izay tian’i Jesosy hambara aminy ny apostoly, dia tsy hoe Jesosy no tsy mahay manazava. Fa ny mpianatra no tsy vonona hanaiky teny toy izany. Tena tsy tia hihaino an’I Jesosy izy ireo rehefa entiny amin’ny làlana sarotra. Ambaran’I Marka eto, fa natahotra ny hanontany an’I Jesosy ny apostoly. Matahotra izy ireo fa tsy maintsy ho tanteraka marina tokoa ny tenin’I Jesosy, matahotra ny hahita ny tompony mijaly, ambanina sy alaina baràka, ary farany ho vonoina; azo antoka fa matahotra ihany koa ho voasaringotra manaraka an’I Jesosy eo amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Mbola zaza vao amin’ny lalana izay nosokafan’I Jesosy teo anoloany ireto apostoly ireto. Ho avy ny andro izay mbola hanoloran’ireto lehilahy ireto ny fiainany mba hiarovany ny anaran’I Jesosy. Fa mbola tsy tonga amin’izay isika. Teny an-dàlana ho any Kaperanaomy, dia tian’ny mpianatra kokoa ny nihady hevitra, lohahevitra araka izay takatry ny fahalalany. Ohatra amin’ireny ny hoe, iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy. Mbola eo am-panaovana tomban’ezaka ny tombontsoa mety ho azony amin’ny firotsahany vao haingana hiaraka amin’ity mpaminany lehibe vaovao, ka nekeny ho arahina ity, ny apostoly.

ILAY MOANA-MARENINA (Mar 7 :31-37)

Rehefa avy any Tyro sy Sidona (Liban ankehitriny) Jesoa dia nankany Dekapolisy, izany hoe, tany amin’ny sisin-tanin’ny jentilisa amoron’ny ranomasin’i Galilia (Jordanie ankehitriny) ; nifanena tamin’ireo olona izay mbola tsy nandre mihitsy ny momba an’Andriamanitra Jesoa ; nandeha tany Izy satria tsy mbola notoriana tany ny tenin’Andriamanitra.

Ary tamin’izay indrindra no nisy nitondra teo amin’IJesoa olona iray moana-marenina, ka niangavy fatratra Azy mba hametra-tànana aminy. Fantatr’i Jesoa tsara anefa fa ny lalàn’iMosesy dia mandrara ny fifandraisana amin’ny jentilisa. Kanefa tsy misy lalàna mahatazona Azy hitazan-davitra fotsiny ny olona mijaly, marary na manana kilema na jentilisa io na tsia.

NY FANEKEM-PINOAN’I PETERA (Mar 8:27-35)

Azo zaraina telo miavaka tsara ity teksa androany ity, ry Havana,

1 – Ilay fanambarana lehibe tao Kaisaria-Filipo (and 27-30)

Teo anoloan’ny tsy fahatakaran’ny mpianatra ny zava-panahy sy ny fitarozak’izany, dia tonga teto ny fotoana tokony hifanandrinan’I Jesosy tamin’izy ireo momba izay fahitan’izy ireo ny tena maha Izy Azy. Efa im-betsaka Izy no naneho ny fahefany sy ny maha-Andriamanitra Azy taminy, kanefa dia hevitra mihazohazo hatrany no nasetrin’izy ireo, manao hoe: “Iza moa ity?” (4:41). Ankehitriny, any amin’izao faritra amin’ny toerana lavitra nitokanan-dry zareo izao, dia nanontany azy ireo Jesosy hoe: “Ataon’ny olona ho Iza moa Aho?” (8:27). Dia namaly ny mpianatra, saingy ireo fiheverana nahazatra ny olona tamin’ny fotoan’andro ihany no naveriny: JaonaMpanao-batisa,..Elia…anankiray amin’ny mpaminany (8:28).

« Fa Jesosy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana » (Efes 2 :14)


Jesosy ilay mpampihavana sy andrianan’ny fiadanana
Ao amin’ny Filazantsara dia niverina tamin’ny tamin’ny fanirahana fitoriana ny fiadanana (mission de paix) voalohany ny Apostôly, ary nampian’i Paoly ao amin’ny Epistily ho an’ny Efesiana fa noho i Kristy dia nianjera (nirodana) ny efitry/rindrin’ny fisarahana rehetra. Tao amin’ny tenany, « no namonoan’i Kristy ny fandrafiana teo amin’ny hazofijaliana mba hiainantsika amin’ny fiadanana ». Nantsoina ho amin’ny fanantenana iray isika, satria iray ny Tena ary iray ny Fanahy…, iray ny Tompo, iray ny finoana, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra… » (Efes 4 :4-5).

Naniraka ny mpianany handeha tsiroaroa hamita iraka Jesosy … (Mar 6 :7)


Hatramin’ny fanombohan’ny fiainany fantatry ny rehetra, no nanombohan’ny Tompo nifidy mpiara-miasa taminy. Matoky antsika Andriamanitra. Manasa antsika Izy hiara-miasa Aminy. Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, ny olona antsoin’Andriamanitra dia olon-tsotra tahaka ahy sy ianao : ohatra, Amosa dia mpamboly, Petera dia mpanarato matihanina, Matio, mpamory hetra, Paoly dia mpanao lay.
Nasain’i Kristy niaraka taminy nandritra ny fotoana vitsivitsy aloha izy ireo, mba handraisany ny fanofanana fotoatra. Eo am-piandohan’ny Filazantsara, dia hitantsika ireo apôstôly niaraka tamin’i Jesosy tamin’ireo fivezivezeny. Mijery ny fiasany izy ireo ary mandray fampianarana mavesa-danja avy Aminy , fomba fiaina vaovao. Manomana azy ireo ho amin’ny fanirahana Jesosy.

Ny Mpaminany tsy masina an-taniny (Un prophète n’est méprisé que dans sa patrie)
(Mar 6 :1-6)


Ny vakiteny telo tamin’ity Alahady ity dia samy miresaka ny “mpaminany tsy masina an-taniny” (un prophète n’est emprise que dans sa patrie) avokoa. Ny mpaminany Ezekiela dia nandray baiko mba tsy ho kivy fa hijoro mandrakariva eo anatrehan’ny fandavan’ny vahoaka ny hafatra nentiny. I Paoly dia nitsotra fa “nasiana tsilo tamin’ny nofo” hilazana ny tsy fahombiazana tsy maintsy natrehany dia ny fanovana ny Jiosy ho Kristiana; Ary Jesoa Kristy dia tonga amin’ilay hoe Mpaminany tsy masina amin’ny taniny fa tsy nisy nino azy ny olona, ka tsy nahomby izay nolazainy. Ao anatin’ny fiainatsika ny tsy fahombiazana, kanefa tsarovy fa tian’Andriamanitra foana isika na dia eo aza izany tsy fahombiazana izany.

Ny mpanompon'i Jehovah(Isa 49 :1-6)

Ny vakitenintsika anio (Is 49,1-6, Asa 13,22-26, Lk 1,57-66,80) dia mitondra antsika ho amin'ny fahaterahan'ny lehilahy iray antsoina hoe mpanompon'Andriamanitra izay tsy iza fa : Isaia, Jaona mpanao batisa ary Paoly. Fa ny horaisintsika amin’ny toriteny dia Isaia, mpanompon’i Jehovah.

Tamin'ny taonjato fahenina talohan’i Jesoa Kristy, dia niaina ilay fizahan-toetra mahatsiravina ny vahoakan’Isiraely, tamin’ny fanaovan’ny tafik'i Nebokadnezara sesintany izay nandrava ny zava-drehetra izay nandalovan’izy ireo, ary ny ankamaroan'ireo nieren-doza dia nisafidy  ny hanao sesitany nandritra ny dimampolo taona.

 

Fanoharana ny amin'ny fanantenana (Marc 4, 26-34)

Ny fanoharana dia fampiasa matetika ao amin’ny Baiboly, samy ahitana izany avokoa na ao Testamenta Taloha na ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ampiasain’ny mpanoratra mandrakariva izy rehefa te-hanao fampitaha amin’ny tontolo hita maso ( mpiandry ondry, mpamafy, mpanompo, ets…) sy ny tontolo tsy hita mason’Andriamanitra izy ireo. Amin’izany dia mikaroka ihany koa ny handrisihina ny amin’izay ho fanapahan-kevitry ny finoana izy ireo.

« Ity no ràko amin’ny fanekena izay alatsaka hamonjy ny maro » (anareo) (Mar 14 :24)

Amin'ny fiafaran'ny fotoan'ny Paska sy alohan'ny hanombohan'ny "fotoana mahazatra", ny litorjia dia manome antsika fety lehibe telo hankalazana ny Andriamanitsika : Pentekôty na fetin’ny Fanahy Masina, ny Trinité izay  manambara ny harenan’Andriamanitra, ary ny fetin’ny tena sy ny ràn’i Kristy, izay manasongadina ilay Andriamanitra tonga nofo, ilay Andriamanitra amintsika, araka ny teniny manao hoe : « Indro Izaho momba anareo mandrakariva mandra-pahatongan’ny fiafaran’ny fotoana » (Mat 28 :20).

 

NY VAVAKA FARANY NATAON’I JESOA HO AN’NY MPIANANY (Jao 17 :11-19)

 

1 – NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY OLOMBELONA

Ny maha- hafa ny Filazantsaran’i Jaona, mihoatra amin’ny an’i Matio sy Lioka dia izy tsy mba nanoratra ny Rainay izany any an-danitra, fa ny zavatra vakiantsika eto dia tena mitovitovy amin’izany ihany : « Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy » dia famerenana ny « Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao…. ». Ary ery amin’ny faramparan’ny texte : « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy » dia famerenana ny hoe : «  Aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy ». Momba ny fehezanteny hoe : « Hatao anie ny sitraponao » dia tsy voalaza eto kanefa tsy nisy afa-tsy io no tao an-tsain’i Jesosy. 

« …tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa » (Jao 20 :21)

 

60 taona taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty no nanoratan’I Jaona ny Filazantsarany. 60 taona izay nivorian’ny Kristiana isaky ny Alahady mba hankalazany ny fanatrehan’I Kristy azy ireo. Ary ilay fihaonana “tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro” taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia nitondra fifaliana, fiadanana ary fanomezana ny Fanahy Masina ho azy ireo ka averiny isaky ny Alahady.

Ny fifalian’ny Paska, ny fifaliana Kristiana dia tena fifaliana lalina. Tsy tahaka ny fifaliana iainantsika an-davanandro toy ny hoe nety ny natao, salama tsara ny vatana, manana vina maro ho tanterahina, manana tanjaka (vitalité), na hoe tsara sy mahafinaritra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana na ny namana na ny mpiara-miasa. Ny fifalian’ny fitsanganana tamin’ny maty dia ny fifaliana izay tonga rehefa tsy nahomby izay nokasaina, amin’ny fahoriana,  amin’ny aretina, amin’ ny tebiteby, amin’ ny tahotra, amin’ny fikorontanan-tsaina. Izany hoe fifaliana niorina tamin’ny fahatokiana an’I Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andron’ny Paska. Ary nentin’ny fifaliana niaraka taminy koa ny fiadanana lalim-paka.

 

Ianareo no sakaizako (Jao 15 :14a)


Ny Filazantsara androany dia hira noforonina hanomezam-boninahitra ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa. Manolotra no votoatin’ny hafany sy manankina amintsika ny didim-pananany Jesosy eto. Ny teny hoe fitiavana (mitia, sakaiza na namana) dia miverina in - 11 eto amin’ity an-dalana fohy ity. Mampiseho ny tenany ho modelin’ny fitiavana, eo amin’ny teniny sy ny fihetsiny faran’izay tsotra Jesosy eto.
« Ianareo no sakaizako », hoy Jesosy : izany no tena votoatin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Satria isika no sakaizany dia manao izay ahazoantsika ny hevitra sy ny planan’Andriamanitra ho an’ny tontolontsika Izy. Manasa antsika Andriamanitra hanangana tontolo feno fiadanana, tontolo hisian’ny fahatakarana, tontolo hisian’ny famelan-keloka, tontolo hisian’ny fizarana, tontolo anjakan’ny fisaikaizana sy ny fitiavana. Ary izany dia manomboka ao anivon’ny fianakaviantsika izay ianaran’ny ankizy ny fahalemem-panahy, ny fandraisan’olona, ny famelana heloka, ny fandeferana, ny fanajana ny hafa, ny fitiavana an’Andriamanitra.