Ny Mpaminany tsy masina an-taniny (Un prophète n’est méprisé que dans sa patrie)
(Mar 6 :1-6)


Ny vakiteny telo tamin’ity Alahady ity dia samy miresaka ny “mpaminany tsy masina an-taniny” (un prophète n’est emprise que dans sa patrie) avokoa. Ny mpaminany Ezekiela dia nandray baiko mba tsy ho kivy fa hijoro mandrakariva eo anatrehan’ny fandavan’ny vahoaka ny hafatra nentiny. I Paoly dia nitsotra fa “nasiana tsilo tamin’ny nofo” hilazana ny tsy fahombiazana tsy maintsy natrehany dia ny fanovana ny Jiosy ho Kristiana; Ary Jesoa Kristy dia tonga amin’ilay hoe Mpaminany tsy masina amin’ny taniny fa tsy nisy nino azy ny olona, ka tsy nahomby izay nolazainy. Ao anatin’ny fiainatsika ny tsy fahombiazana, kanefa tsarovy fa tian’Andriamanitra foana isika na dia eo aza izany tsy fahombiazana izany.

Andeha ary ho rasintsika manokana ny Filazantsaran’I Marka 6:1-6: “mpaminany tsy masina an-taniny”.

Ao anatinity tantara ity dia voalaza fa “nampianatra tany amin’ny taniny” I Jesoa (and 1) izay heverina fa Nazareta dia ilay toerana nahaterahany izany.

Tonga ny andro sabata dia mba nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany namonjy fivavahana sy famakiana ary fianarana ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Synagoga Jesosy. Ny Raby no tena tompon’ny fampianarana sy ny fanazavana ny Soratra Masina, nefa fanaon’ny Raby ihany koa ny manasa olon-kafa na ny vahiny mandalo handray anjara hizara na hanazava ny Soratra Masina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany Jesosy. Zavatra anankiroa no niseho:

Ny voalohany dia talanjona, gaga, resy lahatra, ary babo ny fo amama-panahin’ireo izay nihaino an’I Jesosy noho ny fahaizany nanazava ny hevitry ny Soratra Masina, noho ny fahaizany nampita aim-panahy ho an’ny mpihaino.

Saingy ny zavatra faharoa dia izao: na dia teo aza ireo rehetra ireo dia tsy noraisin’ireo mpiray tanàna tamin’I Jesosy ireo izany fampianarana tsara dia tsara, raitra dia raitra izany, satria tsy mifanaraka araka ny fahafantaran’izy ireo an’I Jesosy ny fampianarany nataony. Fantatr’izy ireo hatramin’ny nahaterahany, ny fahazazany, ny fahatanorany, eny na dia ny asa nataony aza Jesosy. Amin’izy ireo dia tsy tokony hanana fampianarana feno fahendrena sy feno fahefàna toy izany Jesosy, satria araka ny andininy faha-3:
Mpandrafitra mpanao asa-tànana tsotra ka tsy nandia fianarana firy (c’est un simple artisan et presque illetré).
Zanak’i Maria izay nampiseho fijery hafa na miiba (négatif) an’i Jesosy teo anivon’ny fiaraha-monina. Misy mihitsy ny sasany izay mihevitra fa teraka tao anaty fijangajangana Jesosy satria tsy fiteny loatra ny anaran’ny reny niteraka, fa ny ray foana, raha tsy misy antony manokana.

Rahalahin’i Jakoba sy i Josesy sy i Jodasy sy i Simona : mampiseho izany fa zazalahy toy ny olona rehetra i Jesosy ka tsy hita firy ny mampiavaka azy tamin’ireo rahalahiny.

Vokatr’ireo rehetra ireo ary dia ny iray tanàna mihitsy no tsy nandray sy tsy nino ny fampianarana nentin’i Jesosy (and 6). Mpaminany marina tsy masina amin’ny taniny. Voafetra ny asan’i Jesosy satria mijery an’i Jesosy amin’ny maha-olombelona Azy ny olona tao an-tanànany.

Raha ampiharina amintsika ankehitriny koa izany, ry havana, dia matetika isika mijery sy mitsekera ilay olona na ilay irak’Andriamanitra mitondra ny teniny sy ny fahasoavany ho antsika. Ilay sarin’ilay olona sy ny fahalemeny tamin’izy mbola tsy nanana ny Tompo no mitamberina ao an-tsaina dia bloqué avy ahtrany ilay tenim-pahasoavana entin’ilay mpanompony.

Indray andro raha nandeha tongotra tamin’ny lalan-kely i Karl Barth dia nahita olona maro nifanena taminy nitampina orona daholo satria nisy fatin’alika efa mibontsina mamoaka fofona ratsy ilay izy. Fa Karl Barth kosa, raha nandalo, dia talanjona, nahita ny nifin’ilay alika maty fotsy botsika tsy nisy simba. Dia hoy izy anankampo : « Endrey izany voninahitr’Andriamanitra nansehony tamin’ny nifin’ity alika maty ity ». Ny tiana ho lazaina dia hoe : « Na dia izay heverin’ny olona ho ratsy indrindra aza (fatin’alika), dia mbola hahitana ny voninahitr’Andriamanitra sy ny hatsarany ». Noho izany, aoka tsy hijery ny maha-olombelona ny mpitondra hafatra isika fa ny votoatin’ilay hafatra nentiny no raisintsika. Ahoana ny fandraisantsika ny fampianaran’i Jesoa araka izay hita ao amin’ny Soratra Masina ? Tsarovy fa « Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, dia mahasoa koa ho fampianarana, ha fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » (II Tim 3 :16-17). Ka ny fandraisana sy ny votoatin’ny hafatra avy amin’ny Tompo, indrindra ny maha-Andriamanitra Azy no zava-dehibe fa aoka tsy ho voasakana ny maha-olombelona sy izay momba momba azy ny fahasoavana sy aim-panahy tokony hiditra aminao. Amena !